Pero: Fangalàrana Zava-Masina Tao Motupe

Fanavaozana (Alarobia faha 6 Jolay 2011): Ilay Hazo Fijaliana Masin'i Motupe dia hita ihany saingy tsy nisy an'ireo vatosoa intsony sady notapatapahana nizara dimy sy nisy faritra may ihany koa ilay izy.

Ny Talata 5 Jolay 2011, vaovao ratsy nahataitra no nifohazan'ireo Peroviana :  nisy nangalatra ilay Hazo Fijaliana Masin'i Motupe [es] izay tena malaza be sy fanta-bahoaka tokoa.

Ilay Hazo Fijaliana Masin'i Motupe, avy ao amin'ny disitrikan'i Motupe ao amin'ny faritra Lambayeque, avaratr'i Peru, dia efa tany amin'ny 1860 tany. Ankalazana isan-taona isaky nyvolana Aogositra izy io, ka ny ilay hazo fijaliana no ivony, araka ny lovan-tsofina, dia namboarin'i Fray Juan Agustín de Abad, pretra Fransiskana.

Nisy niteny fa ilay pretra dia nandao tampoka sady tsy namela marika mihitsy izay lalàna nalehany. Nefa talohan'izay dia nampahafantatra tamin'olona maromaro izy fa ao Cerro Chalpón, Cerro Rajado sy Cerro Penachí, dia nametrahany hazo fijaliana goavana izay asan'ny tànany natao tamin'ny hazo guayacán [es] ; ireo hazo fijaliana ireo dia hita tao ary noraisina ho mpiaro ny faritra iray manontolo. Betsaka tokoa ireo olona sasa-poana niezaka mafy nitady ireo hazo fijaliana ireo.

Prayer notes left at the Holy Cross of Motupe. Image by Flickr user joestrada (CC BY-NC-ND 2.0).

Vavaka navela teo amin'ilay Hazo Fijaliana Masin'i Motupe . Sary avy amin'ilay mpampiasa Flickr, joestrada (CC BY-NC-ND 2.0).

 

Taona maromaro taty aoriana, ny 5 Aogositra 1868 dia nisy tanora iray, 22 taona, nantsoina hoe José Mercedes Anteparra Peralta nahita ilay Hazo Fijaliana Masina izay nafenina tany Cerro Chalpón, tao anaty karazana lavabato na zohy kely iray. Ny evekan'ny Trujillo dia nanendry an'i Anteparra ho mpiandraiki-draharaha voalohany tamin'izany, toerana izay notazoniny mandra-paha fatiny tamin'ny 10 Aprily 1921.

Toy izao no fomba fitatitr'ireo bilaogera ilay halatra.

Ny bilaogy Tu docente [es], an'ilay mpampianatra Jaime Quispe Casas, namerina namoaka ny an'ny La República [es] :

La Cruz de Motupe, simbólico objeto venerado y admirado por miles de fieles y peregrinos no solo de Lambayeque sino de todo el país fue robada en la última madrugada. La misma, se encontraba ubicada en el cerro Cruz de Chalpón.

[…] unos ladrones llegaron al lugar y, tras golpear y atar al vigilante, no tuvieron el menor reparo en cometer el sacrilegio.

Ny Hazo Fijalian'i Motupe, zavatra iray nomen-kasina,  ary najaina sy niankohofan'ireo paroasianina sy ireo mpanao fivahinianana masina tsy hoe ny avy any Lambayeque ihany fa ny avy amin'ny firenena iray manontolo, no very izy io alina io, talohan'ny hiposahan'ny maraina vao mangiran-dratsy. Tao Cerro Cruz de Chalpón no nisy azy io.

[…] mpangalatra vitsivitsy no tonga tao an-toerana ary, raha vao avy nanafika sy namatotra ireo mpiambina amin'ny alina, dia tsy nisalasala nanao ilay fanimbazimbàna.

José Zeña del Valle, blogera avy ao amin'ny Del Valle para todos [es], dia nanampy andinindininy :

Con el repique de campana la población de ha desplazado a la gruta de Chalpón para buscar en los alrededores la posibilidades (sic) abrigando la esperanza que los sacrílegos después de arrebatarle sus prendas presionas la hayan dejado tirada en un de los profundos barrancos que existen en el la cordillera del cerro de Chalpón.
Este hecho toma mayor interés en la feligresía católica creyente en la Cruz de Chalpón de Motupe por el hecho que el 25 del presente mes se inicia la feria patronal anual.
Niaraka tamin'ny feon-dakolosy dia nandeha nankany amin'ilay zohy ao  Chalpon ireo mponina ka nijery ny manodidina, manantena fa mety hitranga ny hoe natsipin'ireo mpangalatra any amin'ny iray amin'ireo hantsana lalina manodidina ny tendrombohitra Cerro Chalpón ilay zava-masina (nangalarina) rehefa avy naboridana sy nalaina ireo vato sarobidy taminy.
Io fitrangan-javatra io moa dia nanintona bebe kokoa ireo mpino Katolika ho amin'ilay Hazo Fijalian'i Motupe tao Chalpon, noho ny faha-25-n'ity volana ity hanamarika ny nanombohan'ny andron'ny mpiambina masina [mitambatra].

Ilay Hazo Fijaliana moa dia voarakotra volafotsy sy volamena fotsy ka izany no tena nahasarika ireo mpangalatra handroba azy.

Ao amin'ny Twitter, ny tenifototra #cruzdemotupe dia lasa lohateny malaza resahana be ao an-toerana. Ilay mpampiasa twitter, Aurelio Mata (@AurelioMatta) dia niteny :

Que maleados, se robaron la @cruzdemotupe. Que se roben el cristo de @gordovago mejor

Fa inona loatra no dikan'ity, nisy nangalatra ny @cruzdemotupe. Tsy aleon-dry zareo ny Kristy ao @gordovago no nangalarina [ mantsy ilay tsangambaton'i Jesosy Kristy napetraka vao haingana ary raisin'ny Filoha Peroviana Alan Garcia amin'ny fomba tsy misy fanajàna]

I Jorge Campos (@jorgelpotter) nandefa bitsika fa:

#cruzdemotupe Cortina de humo? Al margen de las creencias, el robo de la #cruzdemotupe muestra que en el pais ya no hay respeto a nada…

#cruzdemotupe setroka manakona? Ny finoana apetraka ety amin'ny sisiny, ny  nangalarana ny #cruzdemotupe dia mampiseho fa tsy misy na inona na inona hajaina eto amin'ny firenena…

Kandy Fuentes (@kandydfg) dia nalahelo mafy raha nandre izany vaovao izany :

Este año no pude ir a la #cruzdemotupe a cumplir mi promesa =( me siento muy triste

Tamin'ity taona ity aho no tsy mba afaka nandeha tany #cruzdemotupe mba hanatanteraka ny voadiko=( Ttena malahelo mafyv aho.

Ary i Alian Molina (@aliomp) niteny fa :

Alcalde de Motupe sobre robo de la #cruzdemotupe: “No hay señales de forcejeo”

Ny Ben'ny tanàna ao Motupe miteny momba ilay halatra tao #cruzdemotupe: “Tsy marika fifampitolomana akory”.

Mikasika ilay halatra dia manambara amintsika ny bilaogy El Perú Rarará [es] fa :

El Cmdte. PNP Alesandro León Roque, a cargo de las investigaciones pidió paciencia. “Pido a los periodistas que tengan un poquito de cuidado al respecto, las investigaciones son reservadas. Lo que quisiera es que mantengan la calma, déjennos un poquito trabajar”, exhortó.

Ny Komandin'ny PNP [National Peruvian Police], Alesandro León Roque, miantsoroka ny fanadihadiana, dia nangataka faharetana. “Mangataka anareo  mpanao gazety aho mba hanam-paharetana amin'o raharaha io, mbola mijanona ho tsiambaratelo ny fanadihadiana. Koa sitrako indrindra raha mba mitony ianareo, aleo izay hanao ny asanay ”, hoy izy niteny entitra.

Indrisy anefa fa tsy io ihany no fangalarana zava-masina nitranga tao Perou tato anatin'ny volana vitsy. Ohatra fotsiny ny tamin'ny Oktobra lasa teo, i M. Antonio Agapito Manco, avy ao amin'ny bilaogy Poder Político [es], dia nandefa fa :

Hermosos trabajos de orfebrería distinguia al altar del SEÑOR DE LOS MILAGROS, el valor material supera los $ 30,000.oo dólares, fueron aportes de vecinos y personas lleno de fe, también fue obtenido mediante muchas actividades social-religiosa.

Volamena lafovidy no nanamboarana ny alitaran'ny LORD OF THE MIRACLES (na ny Tompon'ny Fahagagàna), miaraka aminà fitaovana mitentinm-bidy US$ 30,000, izay fandraisana anjara avy amin'ireo vahoaka vontom-pinoana sy ny mpifanolo-bodirindrina, ary novidiana tamin'ny alalan'ny hetsika sosialy sy hetsika ara-pivavahana maro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.