Iray volana lasa izay, nanatontosa telo andro fanentanana “amadihana ny sarintava [avatara] ao amin'ny Twitter” hanairana ny famoaham-baovao sy hampisongadina ny momba azy ireo eo anatrehan'izao tontolo izao ny vondron'olona tsy manana zom-pirenena na inona na inona. Tamin'ity zoma ity dia hetsika hafa indray no nataony nampanidina balônina ho eny amin'ny rivotra, ary miantso azy ireo ho ny “balônin'ny fahafahana“.
Taoriana kely monja nifaneraserana sy nifankazaran'ny olona tamin'ny hetsika “avadiho ny sarintavanao” , maro ny mpisera Twitter no nanova ny sarintavany ho ilay namboarin'i Talal Obeid (@tatabotata) izay milaza voambolana iray amin'ny teny arabo: “Bidun” izay midika hoe “tsy manana zom-pirenena zakaina”. Nampiseho ny fanohanany sy ny fironam-pony amin'ireo mitaky ny zony am-pilaminana ny olona amin'ny alalan'ny fandefasana balônina manidina.
Mpisera Twitter vehivavy iray antsoina hoe Manayer (@ManayerAbs) no nankasitraka ny Bidun noho ny fanehoana [fitakiana] am-pilaminana tao amin'ny siokantserany:
@ManayerAbs: Na dia eo aza ny fiainana tsizarizariny dia mbola miezaka ny hientana am-pilaminana hatrany izy ireo hitakiana ny zony.
Omar AlOraiman (@OmarAlOraiman), mpianatra Koesiana, dia nanasongadina ihany koa ny filaminan'ny Bidun nitaky ny zony:
@OmarAlOraiman: #Freedomballoons and they keep on showing us how great they r by their patience & love to Kuwait with their neat peaceful campaigns
Mpahay lalàna Koesiana Nasser Najaf (@NasserNajaf) nanoratra ho an'ny governemanta tao amin'ny tweet nataony miresaka momba ny satan'ny Bidun Koesiana tamin'ny filazana hoe:
أتمنى ان تكف الحكومة عن المماطلة في توفير الحقوق الانسانية والمدنية لهذه الفئة المظلومة
Tovovavy iray avy any Koety manana anaram-bositra Qaboul (@Qaboul) no nisiokantsera momba ny hetsika #FreedomBalloons ary tao amin'ny iray amin'ny siokantsera nataony no nilazany ny fahadisoam-panantenany noho ny fisamborana izay nandefa ireny balônina ireny, na dia mbola tsy voamarina aza raha nisy tokoa izany fisamborana izany na tsia:
@Qaboul: Nothing great was ever achieved without enthusiasm. But today they Kill the Dreams they kill our enthusiasm
Mpamaham-bolongana Amerikana mipetraka any Koety antsoina hoe “American Girl” no nanatsonga ny fanambarana momba ny hetsika tamina lahatsoratra iray vao haingana hanehoany fanohanana:
The bidun and all their supporters launch A campaign to ignite the freedom glow flying lantern in Expression of the Departure of Their Lives out of the prison of racism to the sky of freedom,Timing of the launch will be in the date of 29/7/2011@ 8:30 PM Kuwait local time,plz support the bidun human campaign to claim their humanity and freedom. Participate Through the launch of the glow lantern of freedom At the time mentioned.
Naneho ny fanohanany ny hetsika ka nandrakitra lahatsary tamin'ny Youtube ny Koesiana mpisera Twitter Abdulaziz Al-Assaf (@Bo_S3aiyed) . Araka ny nolazain'ny zanaky ny mpianadahy aminy Fouz Abdullah (@FouzAbd) dia nosamborin'ny polisy i Al-Assaf saingy nalefany indray rehefa hitany fa Koesiana ranamana fa tsy hoe tsy manana zom-pirenena zakaina:
@FouzAbd: Interestingly, My fully kuwaiti uncle @bo_s3aiyed was also asked to go with the police but they left him when they knew he is Kuwaiti!
Mpamaham-bolongana iray antsoina hoe Khaled dia nanangona ny sarin'ny hetsika hita tao amin'ny Twitter ary nampiaraka azy tamina “lahatsoratra” iray. Ity ny iray amin'izany: