Kolombia: Fahafatesan’ Ilay Mpihira Joe Arroyo

Ilay Kolombiana mpihira, Álvaro José Arroyo González,  fantatra amin'ny anarana hoe Joe Arroyo,  teraka  tao anaty fiarahamonina tsotra tao Cartagena ny 1 Novambra 1955, dia nodimandry ny 16 Jolay tamin'ny  07:45 maraina tao Barranquilla noho ny tsy fiasan'ny taova maro izay nampiditra hopitaly azy tao amin'ny Clinica La Asunción, hopitaly iray ao  Barranquilla, nandritry ny 29 andro.

Joe Arroyo dia nanomboka nihira tamin'ny faha 8 taonany ary nandray anjara tamin'ny fikambanana  mpandihy “salsa” maro manerana ny firenena, fa nanomboka nalaza izy tamin'izy niditra tao amin'ny fikambanana  “Fruko y sus Tesos”.  Taty aoriana, nanorina ny tarika azy manokana ny taona  1981,   “La Verdad”, nitety firenena maro manerana  izao tontolo izao.  Ilay mpihira sady mpanoratra tononkira malaza aza dia namorona ny dihiny manokana ,  ‘el Joesón’,   mampifangaro ny “salsa” amin'ny mozika Kolombiana Karibeana toy ny cumbia, ny porro,  ary ny  champeta.

Joe Arroyo, sary avy amin'ny Wikimedia Commons.

Manolo Bellón (@ManoloBellon) matihanina iray amin'ny mozika, nisaona [es] ny fahafatesany :

La muerte de Joe Arroyo deja un inmenso vacío en la música popular caribeña. Adios al más grande de Colombia, se fue demasiado joven. RIP

Ny fahafatesan'i Joe Arroyo dia namela  fahabangàna lehibe ho an'ny mozika Karibeana malaza. Veloma no apetraka ho an'ilay lehilahy malaza avy ao Kolombia, nandao mbola tanora loatra izy . MANDRIA AM-PIADANANA.

Ilay Kolombiana mpihira, Juanes (@juanes) nisaotra azy [es] noho ny fandraisany anjara teo amin'ny sehatry ny mozika :

Día triste para la música…  Gracias por toda la alegría que nos dejas ! Arriba Joe Arroyo!

Andro nampalahelo ho an'ny mozika…Misaotra anao noho ireo fifaliana navelanao ho anay ! Mandria am-piadanana Joe Arroyo!

Ilay Venezoeliana mpihira, Oscar D’ León (@OscarDLeon) dia naneho ny alahelony [es]  ary nanonona ilay Kiobana mpihira vao nodimandry, Celia Cruz :

Estoy muy triste…  mi hermano Joe Arroyo se nos fue…Celia cuídame a Yoe…

Malahelo mafy aho…lasa ny rahalahiko Joe Arroyo …Celia karakarao tsara Yoe ho ahy.

Ilay mpanao gazety Camila Zuluaga (@ZuluagaCamila) dia niainga [es] tamin'ny tenin'ilay mpikarakara an'i  Joe Arroyo taloha ,  amin'ny filazany ilay fandaharana halefan'ny fantsom-pahitalavitra RCN momba ny fiainan'i Arroyo :

El señor Marco Barraza dice que la novela de RCN del Joe Arroyo es una mentira

Lazain'Ing Marco fa lainga ny fitantaran'ny RCN momba ny fiainan'i Joe Arroyo.

Bilaogy sy  vohikala maro koa no naneho hevitra momba ilay vaovao , nizara sary na lahatsary maro  toy ny nataon'ny  Otras tardes.com [es] tamin'ilay hira hoe “La noche”:

Ilay bilaogy Vallenato dia niainga tamin'ny [es] hirany iray malaza hoe :

Quizás su mayor éxito ha sido “Rebelión” (1986), canción que narra la historia de un matrimonio africano, esclavos de un español, en la Cartagena de Indias del siglo XVII. (…) un éxito inmediato que aún se baila en las fiestas y discotecas del continente.

Mety ho ny “Rebellion” (1986) no hirany malaza indrindra ,  hira mitantara fanambadiana Afrikana roa, andevonà Espanola iray, tao Cartagena de Indias ny taonjato faha fito ambiny folo. (…) Nalàza avy hatrany ary mbola  handihizan'ny olona any amin'ny fety isan-karazany sy any amin'ny trano fandihizana manerana ny Kaontinanta hatramin'izao.

Total T.V. nanambara, ankoatra ireo toetra tsara nananàny, ny tanjaky ny feony [es] :

El gran Joe, nació en el barrio Nariño, en una loma de Cartagena,  (…) Allá se forjó el mito del niño tocado por Dios en la garganta, quien, más adelante, en la pubertad, se convirtió en la voz de los prostíbulos de La Heroica.

Joe, Ilay olo-malaza teraka tao amin'ny manodidina an'i Nariño, havoana iray ao Cartagena, (…) toerana nipoiran'ny tantaranà ankizy iray novangian'Andriamanitra (nokasihan'Andriamanitra) , izay, tato aoriana , tamin'ny fotoana naha maoty, nanjary  feon'ireo toeram-pivarotan-tena tao La Heroica.

EJU.TV dia nanolotra tantaram-piainana fohy an'i Joe, tao no nanononan-dry zareo ny Rainy [es], nanoratra mikasika endrika hafa avy amin'ny fiainany :

Fue uno de los 39 hijos que tuvo Guillermo Arroyo, el Negro Chombo, con seis mujeres diferentes, todas llamadas Ángela.

Anisan'ireo zaza 39 naterak’ i Guillermo Arroyo, ilay   ‘Negro Chombo’,  niaraka tamin'ny vehivavy enina samy hafa, izay samy nantsoina avokoa hoe Angela.

Azonao atao ny manaraka ireo resaka sy mamaky ireo fanehoan-kevitra maro mahakasika ny fahafatesan'ilay mpihira ao anaty  Twitter miaraka amin'ny tenifototra  #GrandeJoe, #Joe, Alvaro Jose Arroyo, Rebelion, ary Tania.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.