- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arzantina: Inona no mahasorena ny Arzantina?

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Fahalalahàna miteny, Hehy, Teknolojia

Lavitry ny fahadisoam-panantenana tamin'ny faharesena tamin'ny lalao Copa America 2011 [1], izay ahitan'i Arzantina na i Uruguay na i Paraguay [2] no haharesy [tamin'ny nanoratana ity lahatsoratra ity dia resin'i Uruguay tamin'isa 3-0 i Paraguay [3] tamin'ny lalao famaranana ny Copa América tamin'ny Alahady 24 Jolay], raha tsy lazaina intsony hoe nahasorena ny Arzantina ny lalao baolina kitra [4] [es] tao ho ao. Tamin'ny 22 Jolay, nanjary lohahevitra vaovao nironana ary narahina fihetsiketsehana sy fahasorenana momba ny politika [es] [5], fifamoivoizana [es] [6], ny fiarahamonina[es] [7] eny fa na dia ny fianakaviana [es] [8] sy ny tambanjotra sosialy [es] [9] ny tenifototra hoe #irritante [10] [es] (#mahasosotra).

Politika

Mandritra ny taona 2011, anaty zotra maankany amin'ny fifidianana [11][es] i Arzantina, izay hanovàna manam-pahefana maro toy ny filoha, ny governora, ny senatera, ny mpikamban'ny kongresy sy ny mpitondra miaramila. Maro karazana ny fihetseham-pon'ny olona. I Gonzalo Ayala [12] (@gonzalomayala) dia sosotra amin'ny Mpitondra ny Governemanta'ny Tananan'i Boenozera [13] [es] sy ny kandida ho an'ny fifidianana (Efa Filohan'ny klioban'ny lalao baolina kitra malaza Club Boca Juniors ihany koa izy) [14], Mauricio Macri [15]:

#irritante [16] MAAAAAAAAAAAAACRIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIII

#mahasosotra MAAAAAAAAAAAAACRIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIIII
[17]

Sary nalain'i Geronimo de Francenso, Flickr (CC BY-SA 2.0)

Tsy tia lainga i JP Saenz Valiente [18] (@Jpsaenzvaliente) ary manolotra kandida ho vahaolana:

#irritante [16] es bancar que nos mientan. Para el gob k todos los problemas son sensaciones. Podemos cambiar y @eduardoduhalde [19] es el solucion

#mahasosotra ny miaritra ny laingan'ny hafa. Hoan'ny governemantan'i k [Kirchner], ny olana rehetra dia toa fahatsapàna daholo. Afaka miova isika ary i @eduardoduhalde [19] no vahaolana

Ny tranga tena resahina betsaka any Arzantina dia i Ernestina Herrera de Noble's [20]. Tranga momba ny fananganana mpirahavavy roa, sy ny mety hisiana na tsia ny fifandraisana amin'ny zanak'ireo olona nanjavona nandritra ny fitondrana jadona nataon'ny miaramila izany. Ny fikarohana, natao nandritra ny 5 taona mahery, no nanao fandalinana jenetika niaraka amin'ny Genetic Data Bank ary mitsikera ny valiny ny gazety Los Andes [21] [es]:

La Justicia comprobó ayer que los perfiles genéticos de Marcela y Felipe Noble Herrera no coinciden con los de las dos familias querellantes en la causa por la filiación de los dos hermanos, lo que deja en claro que no tienen vínculo biológico.

Omaly, nanamafy ny fitsarana fa tsy mifanaraka amin'ny an'ireo fianakaviana roa izay nanao fitarainana ho havan'ireto mpiray tampo ny fandalinana jenetikan'i Marcela sy Felipe Noble Herrera, noho izany, nametraka mazava tsara izy fa tsy misy ifandraisany ara-biolojika izy ireo.

Ao amin'ny Twitter, mitaraina mikasika ny fironana ara-politikan'ny mpamily fiarany ny kaonty antsoina hoe Ernestina [22] (@MmeErnestina) ary manamarina amin'ny Genetic Data Bank:

Algo #irritante [16] es que mi chauffeur se declare peronista en pleno paseo por Recoleta. Eso no se limpia en ningún Banco de Datos Genéticos.

Ny zavatra tena #mahasosotra dia ny mpitondra ny fiarako izay milaza ny tenany ho Peronista teo afovoan'ny kianja Recoleta. Izay tena tsy misy idiran'ny Genetic Data Bank.

Toby Fiantsoana an-tariby

Fa ankoatry ny politika, ny tolakandron'ny 22 Jolay lasa teo dia nitaraina ny olona mikasika ireo toby fiantsoana an-tariby sy ny filaharana; sahala amin'i Héctor D´ipolito [23] (@hdippiros), izay tsy tia mpivarotra finday:

#irritante [16]- los #Call [24] Center y la #Venta [25]telefonica,te llama una grabadora y te hace esperar hasta que te atienden.

#mahasosotra – #toby fiantsoana an-tariby sy #Fivarotana findray, ianao indray no antsoin'ny fitaovana mpamaly antso ary dia ampiandrasiny ianao mandra-pisian'ny olona handray.

Ary tsy tia ampiandrasina i Pity [26] (@pitydg89):

#irritante [16] esperar en los call center

#mahasosotra ny miandry any amin'ireo toby fiantsoana an-tariby

Ny ‘lasibika rongony’

Vao tsy ela, nomelohina noho ny fivarotana rongony ny lasibika Arzantina iray. Tamin'ny Zoma 22 Jolay, navotsotra izy ary nilaza toy izao ny gazety Infobae [27] [es]:

El abogado de Daiana Antivero, la modelo de 18 años procesada por tentativa de contrabando de drogas, explicó que la única prueba que tienen contra la joven, liberada esta mañana, es la llamada telefónica que realizó para reservar una habitación para las “mulas”

Nanazava ny mpisolo vava an'i Daiana Antivero, lasibika 18 taona nampangaina ho nivarotra rongony, fa ny zava-nisy marina tena nanoheran'izy ireo ity zatovo vavy ity, izay nohafahana tamin'ny maraina, dia noho izy antso an-tariby nataony hamandrihan-toerana ho an'ireo ” mafy loha”

Ni-tweet momba izany ireo Arzantina, toa an'i Maxi Lacrimoso [28] (@maxiLACRIMOSO), milaza hoe:

La MODELO NARCO bajando las escaleras de Tribunales.. Boludo, avisale que está procesada no es un desfile. La mina vió cámaras.. #irritante [16]

Ny RONGONY LASIBIKA midina ny tohatr'i Courtroom. Misy miteny aminy fa voaheloka izy  ary tsy somonga izany. Tena hitan'ilay vehivavy ny kamera… #mahasosotra

Ary i Mariano Mogni [29] (@marianomogni), sosotra noho izany antony izany ihany:

#Irritante [30] es que a la pobre (?) modelo liberada le sigan diciendo “narcomodelo”. Ah, y que Sofía Gala sea TT también lo es.

#Mahasosotra fa mbola antsoina hoe “lasibika rongony” ilay lasibika mahantra (?) vao navotsotra tsy ela akory izay. Ah, ary tena mahasosotra koa i Sofia Gala atao hoe TT .

Fiainana andavanandro

Fa nanomboka tamin'ny Zoma hariva, saika mikasika ny fiainana andavanandro sy ny zavatra izay mety manjo amintsika rehetra ireo tweets, na tiana na tsy tiana: mpiara-monina, havam-bady [31] [es], raharaha aterineto na ny fifohazana maraina fotsiny aza:

Flor Hadid (@FlorHadid): [32]

#irritante [16] que me levanten de la cama a los gritos

#mahasosotra fa fohazin'izy ireo amin'ny tabataba aho

Agu Villalba (@AguuustiiinaAP): [33]

cuando me quedo sin internet eso es #irritante [16]

rehefa tsy mahita aterineto aho, izany no #mahasosotra

Luciana Beade (@lucianalemania): [34]

#irritante [16] ir por la calle APURADA y que justo ese dia haya gente que sale hasta por debajo de la tierra que no te deja pasar

#mahasorena ny mandeha tongotra MAIKA eny an-dalana, ary amin'io andro io indrindra ny olona no betsaka tsy hay hoe avy aiza ary maneritery ny lalanao tsy hahafahanao mandroso

Lucho Manso (@luchomanso): [35]

@samanthaplza [36]: #irritante [16], literalmente, es el papel higiénico del baño de los boliches!//En el de hombres ni siquiera hay jajaja

#mahasorena, ara-bakiteny, ny taratasy fidiovana any amin'ny trano fandihizana!//any amin'ny trano fivoahan'ny lehilahy tsy misy hahaha

Florencia Paz (@Florpaaz): [37]

Viajar en el subte como un pan lactal es #irritante [16]

#mahasosotra ny mandeha metro any ambanivohitra, tahaka ny mofo anaty harona

Misy zavatra mahasorena anao ve? Raha misy, ampiasao ny tenifototra #irritante [10] hamohanao ny ao am-ponao.