Arabia Saodita: Ny mariazin'i #Tabukgirl

Sary mampatahotra nataon ilay artista Koesiana Mohammed Sharaf manameloka izay nahazo ilay zazavavin i Tabuk

Tsy sambany tsy akory no nahitantsika lehilahy mampanambady ny zanany vavy tsy mbola ampy taona amina lehilahy efa voky taona, indrindra fa any Arabia Saodita sy any Yemen. Nisongadina tao anatin'ny andro vitsivitsy tamin'ny alalan'ny valan-tserasera ny tantara mampahonenan'ny  “Zazavavin'i Tabuk”. Ny lazain'ny fampahalalam-baovao dia 17 taona razazavavy, saingy ny hita any amin'ny valan-tserasera kosa dia manondro ny #Tabukgirl ho 14 taona. Tsy mainona izay taonany, fa raha tsy teo ny dadatoany dia efa nampanambadian'ny rainy tamina lehilahy 60 taona razazavavy. Nitory ny rahalahiny tany amin'ny fitsarana ihany koa ny dadatoany hampiatoana ny mariazy mandra-pivoaka ny didim-pitsarana, izay nanemotra izany ho aminy volana oktobra, araka ny tatitra.

Tao anatin'ny fientanam-pihetseham-po tao amin'ny Twitter, ny Saodiana manala fanadinana doktorà manana anaram-bositra Aimee Rash (@AimeeRash) no mitaky izao any amin'ny fireneny:

@AimeeRash: mila mametraka lalàna mampitsahatra ny ray aman-dreny na mpiahy hanery ny zanany vavy hanambady isika na mandrara ny fanambadiana ambanin'ny 18 taona.

Mitaky ny mitovy amin'izany ny mpianatra hanala PhD Maha Al-Zayer (@malzayer180) :

احنا لازم نقدم خطاب بنص قانون لا لزواج القاصرات

@malzayer180: Mila manolo-dalàna handraràna ny fanambadian'ny tsy ampy taona isika

Mpisera twitter Saodiana Aiman (aimn1984) moa dia mamely izay rehetra tsy manaja ny zon'ny vehivavy sy ny tsy ampy taona:

من يقصي المرأة ولا يعترف بحقوقها ومن لا يصرخ من اجل حماية الطفولة هو ليس من البشر مهما كانت جنسيته ومهما كان دينه

@aimn1984: Izay manilikilika ny vehivavy sy tsy manome ny anjara zony ary izay tsy miantsoantso hiaro ny fahazazana dia tsy olombelona, tsy ijerena fiaviam-pirenena na fivavahana izany.

Manameloka izay nahazo an'ilay zazavavin'i Tabuk i Dana Qaddoura (DanaQV) tamin'ny filazana fa:

@DanaQV: Miala tsiny aho fa raha izaho dia tsy hanome ny zanako amin'olona efa razokiny heveriko ho dadabeko an

Tsy eken'i Khalil Jubran (third_point) ny fampidirana ny adihevitra mankamin'ny faneken'ilay zazavavy ny mariazy na ny tsy filazany na inona na inona:

الطفله طفله وافقت ام رفضت الزواج مايحصل جريمة ضد الانسانيه وكل الاطراف اب وزوج وماذون ومفتي وشاهد وصامت شركاء بالجريمه

@third_point: Ny ankizy ankizy hatrany na manaiky na mandà ny mariazy. Ny mitranga dia heloka bevava mamotika ny mahaolona, ary ny ankolafy rehetra ahitana ny rainy, ny tompon'andraikitry ny mariazy, ny vavolombelona ary izay mangina di amandray anjara amin'ilay heloka bevava koa.

Ilay mpamaham-bolongana Saodiana Zaki Safar (@Zaki_Safar) dia manoratra fa maneho ny maha-fiaraha-monina anjakan-dehilahy ny fiaraha-monina Saodiana ao amin'ny tantaran'ilay zazavavin'i Tabuk ity:

@Zaki_Safar: Fanjakan'i Arabia Saodita: Ao amin'ilay natao hifandrindra amin'ny filam-pananahan'ny lehilahy ny fivavahana

Saodiana hafa, Amr Dulaimi, (@Amr_D) nilaza ny henatra mianjady aminy noho ity zava-mitranga ao amin'ny fireneny ity:

@Amr_D: Tantara foronina ve ny #TabukGirl? Taona #2011 isika izao! Menatra noho ny fananako pasipaoro mitovy amin'ilay mpanolana ankizy tsy vanona ity aho

Mpanao gazety Saodiana Abdullah Haydhah (@AbdullahHaydhah) no nisiokantsera ny vaovao sasantsasany momba ny tafatafa nifanaovana tamin'ny dadatoan'ilay zazavavy izay hivoaka tsy ho ela:

في لقاء أجرته الزميلة غادة محمد.. وسينشر لاحقا بإيلاف.. عم فتاة تبوك يوضح أنه تعرض للتهديد من أخيه حال وقف تزويج الفتاة

@AbdullahHaydhah: Tamin'ny tafatafa nataon'ny mpiara-miasa amiko Ghada Mohammed, izay hivoaka ao amin'ny gazety Elaph, nilaza ilay dadatoan'ny zazavavin'i Tabuk fa rahonan'ny rahalahiny raha toa ka ajanona ny mariazy.

Aroob Aloofi, (@AroobM) vehivavy mpisera twitter Saodiana hafa no nanoratra ny loiloiny amin'ity mariazy ity:

@AroobM: Mahatonga anao ho #pedophile ny fampanambadiana zaza tsy ampy taona. Ry alika lahy ireto mitady zazavavy kely fa tsy vady.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.