Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

30 Jolay 2011

Tantara tamin'ny 30 Jolay 2011

Belarosia : Ny Atsinanana sy Ny Andrefana, Dia Tsy Misy Na Inona Na Inona Eo Anelanelany ?

Akon'ny RuNet

"Ny Atsinanana dia Atsinanana ary ny Andrefana dia Andrefana, ary tsy hifanena na oviana na oviana ireo." Io andian-tononkalon'i Kipling io dia toa mampiseho ny zava-misy marina ho an'ny sarambabem-bahoaka ao Belarosia, izay, mifoha anaty tontolo tsy mahalala fomba sy mahery setra, manontany hoe : "Iza no mba miraharaha an'i...

Murdoch Nipao-tsatroka An'i Singapore Ho Modely Nefa Mandà Izany Ireo Mponin'ny Aterineto Ao An-toerana

Ny filazam-baovaon'i Rupert Murdoch dia niteny nanoloana ireo mpikambana ao amin'ny parlemanta fa fàka tàhaka i Singapore amin'ny fandoavana karama be ho an'ireo mpanao politika ao aminy mba hampihenana ny kolikoly ka tokony halain-tahaka . Ato no hita ny fanehoan-kevitr'ireo mponina ao Singapore.

Shina: Rafitra fanaraha-maso ny Wi-Fi any amin'ireo toeram-pisotroana kafe sy toaka any Beijing

GV Mpisolovava

Araka ny Mingpao Daily, namoaka filazana ho an'ireo toeram-pisotroana kafe sy toaka izay manome fahafahana mampiasa Wi-Fi an'ireo mpanjifany mba hametraka fomba fanaraha-maso mitentina RMB20,000 ny mpitandro filaminana ao Beijing...Mihevitra ireo mpampiasa Aterineto fa fanitsakitsahana ny fiainana manokan'ny mpampiasa izany rafitra fanaraha-maso izany.

Syria: Fanontaniana Momba Ny Tena Izy Amin'Ilay Bilaogera Hoe Voasambotra

Hatramin'ny nisian'ny tatitra fa hoe nisy vehivavy Siriana antsoina hoe Amina Arraf, noheverina ho i "Gay Girl in Damascus" - na "ilay vehivavy manambady vehivavy ao Damaskaosy" nosamborin'ny manampahefana tamin'ny Alatsinainy 6 Jona 2011, be ny ahiahy lalina nipongatra fa hoe mety tsy ho araka izay iheverana azy io vehivavy...