- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arabia Saodita: Lalàna Vaovao Enti-manohitra ny Fampihorohoroana Hamotehana ny Fihetsiketsehana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Lalàna, Mediam-bahoaka

Andro vitsivitsy lasa izay, nasehon'ny Amnesty International ilay volavolan-dalàna Saodiana tafavoaka mikasika ny Lalàna vaovao  enti-miady amin'ny fampihorohoroana, nofaritan'ny fikambanana tao anatin'ny fanambarana [1] nataony fa toy ny “lalàna manome alalana ny fitondrana hangenja ny mpanao fihetsiketsehana am-pilaminana amin'ny fanomezana sazy henjana tahaka ny heloka fampihorohoroana”, ary nampiany koa fa afa-manasazy hatramin'ny 10 taona an-tranomaizina farafahakeliny ireo izay manohintohina ny fiandrianan'ny Mpanjaka na ny Printsy izany lalàna izany.

Vaovao faranynisy nanakana [2] ny tranokalan'ny Amnesty International ao Arabia Saodita.

Navoakan'ny Amnesty International (@amnesty [3]) tao amin'ny Twitter ihany koa izany vaovao izany, izay vahoaka marobe no naneho hevitra amin'ny fampiasana teny fototra #SaudiTerrorLaw:

@amnesty [4]: Antonta-kevitra miafina no nahitana fa ny lalàna vaovao #SaudiArabia [5] “Manohitra -Fampihorohoroana” dia ahafahana manenjika ny mpanao fihetsiketsehana am-pilaminana http://owl.li/5KS9Y [6]

Twitter avatar saying "I'm patriotic, therefore I'm a terrorist", as posted by Lujayn Alyamani [7]

Sary ao amin'ny Twitter milaza hoe "Tia tanindrazana aho, arak'izany, mpampihorohoro aho", nalefan'i Lujayn Alyamani

Bilaogera Saodiana Ahmed Al-Omran (@ahmed [8]) nanoratra tweet marobe momba ny volavolan-dalàna ary nanamarika fa:

@ahmed [9]: Mahita aho fa Saodiana marobe ao amin'ny Twitter no milaza ilay volavolan-dalàna manohitra-fampihorohorona fa “lalànan'ny latsaka ankaterena.” @alfarhan [10] nilaza fa miezaka maka-tahaka an'i Korea Avaratra izy ireo .

Bilaogera Saodiana Foud Al-Farhan (@alfarhan [10]) voalaza ao amin'ny tweet teo aloha, no naneho ny fihetseham-pony ihany koa momba ny volavolan-dalàna Manohitra-Fampihorohorona tao amin'ny twitter, ary ao amin'ity tweet manaraka ity, mampatsiahy ilay mpanoratra tantara malaza George Orwel tamin'ny taona 1984 izy ka hoy izy:

@alfarhan [11]: taona 2011 no taona 1984 antsika#Saudi [12] #SaudiTerrorLaw [13]

Mpisolovava Saodiana Fahad AlMalki (@falmalki [14]) no namaritra ny dikan'ilay lalàna vaovao tamin'ny fomba maneso sy mankaloiloy:

@falmalki [15]: Fanontaniana: Farito: Leo aho. Valiny: Tsy vitako. Mety ho ampidirina am-ponja aho. Ny hany afaka lazaiko amin'ny mety dikan'izany: Tena faly tanteraka aho.

Mpanao gazety Saodiana Iman Al-Qahtani (@ImaQh [16]) nangataka ireo sangan'olona Saodiana mba hanakana ny manampahefana amin'ny fankatoavana io volavolan-dalàna io:

واجب اخلاقي على النخب الثقافية والدينية المقربة من السلطة مناصحتها بخطورة النظام المزمع اصداره وتداعياته الخطيرة على الحريات

@ImaQh [17]: Andraikitry ny avara-pianarana sy ny mpitondra fivavahana akaiky ny fitondrana ny manolo-kevitra azy ireo ny amin'ny loza mety aterak'izany lalàna izany eo anatrehan'ny fahafahana.

Mpikatroka Saodiana Waleed Abu Alkhair (@abualkhair [18]) nampitandrina ny filankevitra Shoura amin'ny fankatoavana lalàna toy izany:

كمواطن سعودي أحمل أعضاء مجلس الشورى المسؤولية التاريخية الكاملة في تمرير نظام مكافحة الإرهاب الجديد

@abualkhair [19]: Amin'ny maha olompirenena tsotra Saodiana ahy, dia ireo mpikambana ao amin'ny Shourra no tompon'andraikitra feno sy ara-tantara  amin'ny fankatoavany ny lalàna vaovao Manohitra-Fampihorohoroana

Vehivavy mpiserasera Saodiana Lujayn Alyamani (@LujaynAlyamani [20]) naneho ny fahagagany manoloana ny tsy maha-demokratika ity lalàna ity:

اسمعوا: هذا المشروع اغتصاب مشرع لأحلامنا! عار والله أن نعيش عراة من الأحلام لهذا الوطن

@LujaynAlyamani [21]: Henoy, volavolan-dalàna manao an-keriny ny nofinofintsika amin'ny alalan'ny ara-dalàna ity! Mahamenatra ny miaina noho ny fanendahana ny nofinofintsika ato amin'ity firenena ity

Mpiserasera Saodiana hafa, Mouaz Dahdah (@mouazmb [22]) nanoratra famaritana tsotra momba io lalàna io:

باختصار “قانون طوارئ جديد”

@mouazmb [23]: Raha lazaina fohifohy, Lalàna miaramila vaovao!

Maha AlAsmari (@maha_alasmri [24]) nanazava ny fomba mety handravan'ity lalàna ity ny fahafahana maneho hevitra ao amin'ny fireneny :

ان طُبق هذا النظام سيأتي يوم يكون فيه وجود مُعتقل من كل عائله سعوديه بالسجون بتهمَه التعبير عن الرأي أمر طبيعي


@maha_alasmri
: Raha ampiharina io lalàna io, ho avy ny andro izay isaky ny fianakaviana Saodiana dia misy olona iray ampidirina am-ponja noho ny fanehoan-kevitra ataony!

Mohammed Khelaiwy (@khelaiwy [25]) nahita fanamarihana tamin'ity lalàna ity  fa tsy naka lesona tamin'ny Lohataona Arabo ny fitondrana Saodiana :

 

صاحب القانون لم يستوعب دروس الثورات العربية ونتائج القهر والظلم وامتهان الكرامة وغياب المعارضة الوطنية الشريفة

@khelaiwy [26]: Tsy mba naharay lesona tamin'ny revolisiona Arabo sy ny vokatry ny tsindrihazolena, ny tsy rariny, ny fanalam-baraka ary ny tsy fisian'ny mpanohitra tena izy sy mendrika hajaina ny olona izay nanoratra io lalàna io.

Khelaiwy nanampy izany ihany koa ka nilaza hoe:

 

كلنا ضد الأرهاب والأرهابيين ولكن استخدام قوانين جائرة بأسمة لتجريم وسلب حقوق المواطن المشروعة هو ارهاب ايضا


@Khelaiwy
: Samy manohitra ny fampihorohoroana sy ireo mpampihorohoro isika rehetra saingy ny fampiasana lalàna tsy ara-drariny sy ny fanendahana ny zon'ny olom-pirenena amin'ny tolona miady amin'ny fampihorohoroana, dia mpampihorohoro ihany koa izy.

Mpisiokantserasera hafa, Majed Alnemer (@majedalnemer), nanohy nilaza fa:

@majedalnemer [27]: Lalàna  manohitra-fampihorohoroana Saodiana hamono ny olom-pirenena raha toa ka ireo mpampihorohoro no tokony hovonoiny!

Mohammad Al Rasheed (@Onlinemars [28]) ni-tweet momba ny haratsian'io lalàna io sy ny fahadisoan'ny manampahefana Saodiana tamin'ny fomba niadiany amin'ny fampihorohoroana:

عندما حاربت أمريكا وأوروبا الإرهاب حاربته خارجيا لتحمي داخلها. ونحن نحارب الإرهاب داخليا لنحمي من؟

@Onlinemars [29]: Raha nitolona tamin'ny fanoherana ny fampihorohoroana i Amerika sy ny Eoropa, dia nataony tany ivelany izany mba hiarovana ny ao anatiny, raha toa ka miady amin'ny fampihorohoroana ato anatiny kosa isika, mba hiarovana an'iza?