- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kolombia: 201 Taona Nahazoana Fahaleovantena

Sokajy: Amerika Latina, Kolombia, Mediam-bahoaka, Tantara

Araka ny efa nambaranay tamin'ny lahatsoratra farany, Kolombia dia nankalaza [1] ny andro nahazoany fahaleovantena ny 20 Jolay lasa teo. Ny aterineto, araka ny efa nampoizina, dia sehatra iray nanehoana hevitra maro sy tranga samihafa noho ny fireharehana hoe teraka tao amin'izany Firenena izany ka hatramin'ny resaka kiana ara-politika, ary ao koa na dia ny hetsika Anonymous – Tsy mitonona anarana [2] aza ao amin'ny tambajotra sosialin'ireo mpanao politika maro   (isan'izany ny Filoha amperin'asa Juan Manual Santos [3]).

Hevitry ny Twitter

Na dia eo aza ny hoe tsy fantatra tsara ny tena zava-misy marina mifamahofaho eo amin'ny firenena, betsaka ireo mifampiarahaba hoe “Tratry ny fahaleovantena” sy maneho ny hafaliany ny amin'ny nahaterahany tao amin'ny fiarahamonin'i Kolombia. Toy izany ny an'i Nicolás Paz Velasco (@npazvelasco [4]) sy  Erika Mora (@iitamora [5]), izay nandefa lahatsoratra toy izao :

y a estas alturas solo puedo decir: “yo no elegí nacer en Colombia simplemente tuve mucha suerte” otro #diadelaIndependencia [6] que ya termina!

Ary amin'izao zavatra izao,  dia izao ihany no azoko ambara : “tsy nisafidy ny ho teraka teto Kolombia aho, nanam-bitana fotsiny aho ”  #IndependenceDay na andron'ny fahaleovantena iray hafa izay tonga amin'ny farany!

María T. Gonima (@Mategonima [7]),  nanindry ny fahaizan'ny Kolombiana mitsiky:

#I♥Colombia pq a pesar de los problemas, nunca dejamos de sonreír.. #diadelaindependencia [8]

#tiako ♥ Kolombiana satria na dia eo aza ny olana, tsy mitsahatra velively ny mitsiky izahay.. #IndependenceDay

Ary Cristhian Rojas (@CristhianRojasG [9]) nilaza,  tamim-pahafaliana:

Que hoy se quiebren los floreros y se grite INDEPENDENCIA! Que suene el Himno Nacional de la REPÚBLICA DE COLOMBIA. #DIADELAINDEPENDENCIA [10] RT

Avelao ho vaky ny tavim-boninkazo anio ary andao isika hihiaka hoe FAHALEOVANTENA! Avelao hanakoako ny hiram-pirenen'i REPOBLIKAN'I  KOLOMBIA . #INDEPENDENCEDAY RT

Na izany aza, maro koa ireo nanararaotra io fotoana io hampakàrana lahatsoratra momba ny zavatra mahasosotra azy ireo ao amin'ny firenena. Pilar Dique (@Pililu [11]) nanontany hoe :

Me pregunto, ¿cuál independencia? si lo que parece es que cambiamos de dueños. #diadelaindependencia.

Manontany ny tenako aho hoe  fahaleovantena inona ? Raha toa ny mpanapaka ihany no nosolointsika. #independenceday.

Santiago Rodríguez (@sruls [12]), nampiditra izao fampieritreretana izao :

El #diadelaindependencia [8] debería ser un momento para reflexionar si de verdad somos independientes y si después de 201 años hemos avanzado

Ny #dayofindependence (andron'ny fahaleovan-tena) dia tokony ho fotoana hitarafana raha tena mahaleotena marina isika sy ny hoe nandroso ve isika taorian'ny 201 taona.

Michelle Pineda (@MickeyPineda [13]), manamarika :

Se acabó el #díadelaindependencia [14], hoy hace 201 años, los que sí eran héroes ya podían dormir sabiendo que una gran parte ya estaba hecha.

Ny #dayofindependence (andron'ny fahaleovantena) dia azo, andro toy izao 201 taona lasa izay,  afaka matory ampiadanana amin'izay ireo
mahery fo miaraka amin'ny fahafantarana fa ampahany betsaka no efa vita.

Ary Juanita Cortés L (@JuanitaCortesL [15])  niteny hoe :

en el #diadelaindependencia [8] los colombianos deberíamos exigir nuestros derechos, luchar por hacer un lugar mejor

Ny andron'ny fahaleovantena #independenceday, isika Kolombiana dia tokony hitaky ny zontsika, hiady ho amin'ny toerana tsaratsara kokoa.

Saina iray mitsongoloka

Bitsika maro no nivoaka toy ny an'i@MiltonTrujillo, nanaparitaka sary [16], tamin'ny Twitpic, saina nakopaka mitsingoloka :

#soycolombiano [17] #soysemana [18] #bicentenario [19] por los millones de colombianos que trabajan festivos para sobrellevar el desempleo #banderaAlreves [20]
#Iamcolombian (kolombianaAho) #bicentennial (faharoanjatoTaona) ho an'ireo Kolombiana an-tapitrisany miasa  amin'ny andro tsy fiasàna  mba hiatrehana ny tsy fananana asa #saina mitsongoloka)#flagINreverse

Trano iray misy saina mitsongoloka , avy amin'ny @Milton Trujillo ary nampiasaina nahazoana alàlana

Hetsika nataon'ny Anonymous

Araka ny efa nambara tamin'ny fiatombohan'ity lahatsoratra ity, tsy ao amin'ny aterineto tamin'ny fotoana manodidina io fankalazana io ihany no malaza ity fahaleovantenan'i Kolombia ity amin'ny anaran'ny mponina, fa koa tamin'ny alalan'ny hetsika nataon'ny fikambanana Anonymous [2] ho an'ireo politisiana ao amin'ny firenena. Nisy nijirika toy ny kaonty Twitter an'ny Filoha teo aloha, Alvaro Uribe,  ny kaonty Facebook-n'i Filoha vaovao [21] [es].  Tamin'izany fankalazana roa sosona izany, namela lahatsary [22] [es] ilay vondrona, izay araka ny fanorotoroan'i  Adictos Geek's [23] [es], manamafy ry zareo :

Anonymous no pretende desvalorar la acción de los libertadores, pero sí hacer caer en cuenta que celebramos algo que nunca hemos obtenido de una manera totalitaria y que si no hacemos algo no podemos cambiar el pensamiento arcaico que aún tenemos. El 20 de julio Colombia no debería celebrar, debería exigir sus derechos y libertades en todo ámbito”, son las ultimas palabras del mensaje.

Tsy milaza ho manamaivana velively ny hetsik'ireo mpanafaka ny Anonymous, fa kosa mampahatsiahy ny olona fa mankalaza zavatra iray tsy mbola azontsika manontolo isika ary raha tsy manao na inona na inona isika, tsy ho afaka ny hanova ny fomba fijery efa nilaozan'ny toetr'andro izay mbola tazonin-tsika hatramin'izao. Ny 20 Jolay, tsy tokony nankalaza i  Kolombia, tokony ho ny zony sy ny fahafahany no nangatahany hatrany,” Ireo no teny farany tamin'ilay hafatra.

Ilay raharaha dia niteraka Lohahevitra Maresaka be teo ambanin'ny Tenifototra : #Uribepenetrated. Soa ihany fa tsy izy rehetra, taoriana kely dia nananafika [24] ny pejin'ny Polisy Nasionaly  ny Anonymous ary namoaka tsiambaratelo sy ny momba fiainana manokan'ireo polisy sasany. Noho ny rivotra tsy milamina sy ny herisetra iainana hatrany any amin'ny faritra sasany ao Kolombia, mpampiasa Twitter maro no nanondro io hetsika io ho tsy tompon'andraikitra :

@lncognito [25] Lo bueno de estupideces como la de Anonymous de hoy es que los deslegitiman mas… Una tira de pendejos tratando de llamar la atencion 20 Jul [26] via web
@lncognito [25] Ny zavatra tsara amin'ny hadalàna ataon'ny Anonymous androany dia vao maika tsy maha-to teny azy ireo izany…Fikambanan'adala manao izay hifantohan'ny saina amin'izy ireo Jul 20 [26] amin'ny alàlan'ny vohikala
@FCBosque [27] Usar las tácticas del oponente supone inexistencia de reflexión profunda sobre modelos de acción alternativos, auténticos y propositivos. 20 Jul [28] via web
@FCBosque [27] ny fampiasana ny tetiky ny fahavalonao dia mampiseho  tsy fisian'ny fieritreretana lalina ny karazan-javatra hafa, hetsika Jul 20 [26] tsy iadiankevitra ny aminy sady mpandàla hatrany ny lafin-tsaran-javatra tao amin'ny vohikala..

Raha te hahita hevitra hafa ao amin'nyt Twitter, araho ireto tenifototra ireto : #independencia [29]#Díadelaindependencia [30],#MasColombianoque [31].  (#independence, #IndependenceDay, #MoreColombianthan.)