- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Armenia: Korontana taorian'ny fanamarihan'ny lehiben'ny mpitondra fivavahana

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Armenia, Fivavahana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina

Andro vitsy monja taorian'ilay tati-baovao milaza an'i Karekin II, mpitarika ny Fiangonana Masina Apostolika Armeniana,  izay nilaza fa tsy hitany izay hanaovana ireo monasitera sy fiangonana miorina any amin'ny faritra be tendrombohitra ao amin'ny firenena, dia nanantosa fanentanana tamin'ny valantserasera ireo Armeniana tezitra mba hanaisotra ny Catholicos [1] [anaram-boninahitra omena ny mpitari-pivavahana manaraka ny fomba kristiana tatsinanana sasany] tao amina fametraham-potoana facebook mitondra ny lohateny hoe “Karekin II, Mialà! Tsy Orinasa ny Fiangonana [2].”

Velona moa ity fifandirana ity raha nanambara ilay mpahay tantara Samvel Karapetyan fa nanolo-kevitra izy mba hanokanan'ny Catholicos vola hanamboarana ny Monastera Sanahin ,  monastera efa tamin'ny taonjato fahafolo miorina ao amin'ny faritanin'i Lori sady Toerana tafiditra ho Lova Manerantany UNESCO. Araka ny nambaran'i Karapetyan fa namaly ny Catholicos fa tsy misy idirany ilay Toerana na dia fananan'ny Fiangonana Apostolika Armeniana aza izany.

 

[3]

Ilay Monastera Sanahin efa simba tanteraka niteraka ny fifandirana. Saripika avy amin'ny mpisera Flickr Rita Wilaert (CC BY 2.0)

Nanolo-kevitra ny hetsika ao amin'ny Facebook fa hisy fivoriana amin'ny 31 Jolay 2011 miaraka amin'ny teny naparitaka tamin'ny alalan'ny valantserasera, ka ny handrenesan'ny Catholicos ny fitarainan'ny mpikambana no tanjona. Nisy pejy hafa mitovy amin'izany koa nipoitra, anisan'izany ny “HERACI-Garegin II [4],” izay midika hoe “Mialà Garegin II.”Mitaky ny fialàny na ny fanalàna azy ny pejy.

Heriq exav duq mez xaytarak aneq!!! Heraceq!!!

Efa nanao izay mampahamenatra anay ianao!!! Mialà!!!

Amin'ireo “mpankasitraka” 254, ny pejy “Պահանջում ենք Կաթողիկոսի հրաժարականը,” na”Mitaky ny fialàn'ny Catholicos izahay,” no manana mpanohana betsaka indrindra, na dia noforonina koa aza ny famantarana manokana antsoina hoe   “Գարեգին Հեռացի [5], na “Garegin, mialà,” .

Tamin'ny fotoana nanoratana, Fanontaniana ao amin'ny Facebook izay manontany ny vahoaka raha tokony hiala amin'ny Fiangonana Apostolika Armenian ny Catholicos dia nahazo ny fanohanan'ny vahoaka maherin'ny 2.500 izay nisafidy ny “Այո” na “Eny” izany.

Nipoitra tamin'ny tambajotra sosialy sy  tranokala famahanam-bolongana bitika hafa tahaka ny Twitter ihany koa ny fitakiana ho amin'ny fialàny.

@HimaKaren: Armeniana an-jatony no mitaky ny fanesorana ny lehiben'ny fiangonana an'i #Armenia Garegin 2. Esorina! [6]

Nofidiana tamin'ny taona 1999 io Catholicos io, nandimby ny Masina Karekin I, ary vao haingana tamin'ny taona ity, no niteraka resabe ny fitadiavany fanafody fitsaboana tany ivelan'ny tanindrazany, izay nahatonga ireo bilaogy sasantsany tahaka ny Unzipped hiahiahy [7] ny tsy fitokisany ny tontolon'ny fitsaboana ao an-toerana.