- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Ento Any Amin'ny Faritra Ambanivohitra Ireo Bokinao

Sokajy: Shina, Fampandrosoana, Hafanàm-po nomerika, Tanora

Yu Jianrong [1], Sinoa manampahaizana malaza amin'ny fampandrosoana ny any ambanivohitra sy ny fanoherana ara-tsosialy miainga avy any fototra, dia namoaka fanentanana tselatra mba hizaràna boky efa niasa ho an'ireo tanàna ambanivohitra tany ampiandohan'ny volana Mey.

Ilay fanentanana tselatra dia narindra avy tamin'ny kaonty Weibo iray @随手送书下乡 [2] [zh], ny dikany dia “Ento ho any ambanivohitra ny bokinao”. [zh]. Ity  ny fiantsoana [3] [zh] ireo mpilatsaka an-tsitrapo tamin'ny 4 May, 2011″:

现招募全国各城市活动志愿者负责人,职责是:组织该地区志愿者利用节假日收集爱心人士捐赠的图书,分类登记并公布书名目;接统一调度发送图书;指导和监督接受捐赠的组织或个人管理图书;组织网友到农村去开展读书活动;关爱留守儿童。有意者请私信。

Amin'izao dia mandray mpilatsaka an-tsitrapo manerana ny firenena izahay. Ny andraikiny dia ny :
1.  Mandamina ireo mpilatsaka an-tsitrapo hanangona ireo boky avy amin'ireo  malala-tanana rehefa fotoam-pialantsasatra ary hampiditra ireo boky ho anaty lisitra ;
2. Mandrindra ny fanaterana ireo boky voaangona any amin'ny tanàna akaiky ; …
3. Hanome ny vokatry ny fanaraha-maso ho an'ireo fikambanana na ny olona izay tompon'andraikitra amin'ny fizaràna ireo boky natolotra ;
4. Mandamina ireo mponin'ny aterineto hampiantrano fianarana mamaky teny any ambanivohitra ;
5. Mikarakara ireo ankizy izay miasa any an-drenivohitra tahaka ny mpiasa mpifindra monina ny Ray aman-dreniny.
Azafady mba andefaso hafatra manokana aho raha liana amin'izany ianao.

three book packages

Tao anaty ny roa andro, ny toeram-pifandraisana ao Beijing dia nahazo fonosam-boky telo [4]:

Mba tsy hampisy fandàniana amin'ny fitaterana, @bring your books to the villages (na ento any ambanivohitra ireo bokinao) dia nanentana ireo mpanohana azy [5][zh] :

大家好:十分感谢大家的支持,为了节省图书邮寄的费用,是否可以在各地建立随手送书下乡的联系人,1 收集本地的图书, 2 在本地农村的联系有意建立读书室的朋友,3联系本地随手送书下乡活动的志愿者。大家感觉这样可以吗?

Miarahaba, misaotra betsaka tamin'ny fanohanana.  Mba hitsitsiana ny vola lany amin'ny paositra, azafady manangàna toerana iray
hifandraisana any amin'ny faritra misy anareo mba :
1. Hanangonana ny boky;
2. Hifandraisana amin'ireo namana vonona hanampy hanangana trano famakiam-boky any an-tanàna;
3. Hametraka toerana ifandraisana ho an'ireo mpilatsaka an-tsitrapo izay vonona  ny hizara ireo boky any an-tanàna.
Heverinao ve fa azo tanterahana izany tetikasa izany?

Haingana be tao antin'ny 5 andro, Toeram-pifandraisana maro no voatsangana :  Beijing [6] [zh], Chongqin [7] [zh]; Changsha [8] [zh]; Guangzhou [9] [zh] ary Wuhan [10] [zh]. Nanangana  QQ groups [11] maro ihany koa ireo mpilatsaka an-tsitrapo[zh] handaminana ny fandraisana sy ny fizarana ireo boky.

Ny vondron'ny mponina ao amin'ny aterineto @bring your books to the villages na @Ento any an-tanàna ireo bokinao avy eo dia nanao [12] ny fanentanany tselatra voalohany [zh] ho amin'ny fizaràna boky tao an-tanànan'i Dabei, fari-pididian'i Shunping, Hebei tamin'ny 15 May 2011.   Maherin'ny 30 ireo mpilatsaka an-tsitrapo nandray anjara tamin'ilay fanentanana tselatra. Iray amin'ireny i @Sesehou.

Indro  sary iray [13] [zh] mampiseho ny efitrano famakiam-boky iray ao an-tanàna :

Reading Room

Wang Qiang nampakatra sarin'ireo mpikambana [14] tamin'ilay fizarana boky voalohany tao amin'ny kaontiny Weibo :

Group photo

Vetivety tao aorian'ilay asa fizarana boky voalohany, @bring your books to the villages (Ento any ambanivohitra ireo bokinao) dia  nanao antso fanentanana iray hafa [15] [zh] mba hanangonàna boky ny 21-22 May tao amin'ny hotely iray ao Beijing. Ilay fikambanana nahangona boky miisa 1600 [16][zh] tao anatin'ny roa andro :

1600 books [17]

Ankoatran'ny fanaovana fanentanana tselatra, @bring your books to the villages dia  nanokatraa kaonty amin'ny banky [18] koa  [zh] hanangona fanomezana hananganana trano famakiam-boky any an-tanàna rehetra any. Ny fanomezana tsirairay dia notaterina ho an'ny daholobe amin'ny alalan'ny kaonty ofisialy Weibo.

Nanomboka tamin'ny fametrahana ny kaonty Weibo ofisialy ny 3 May 2011, @bring your books, na ho ento ireo bokinao dia nikarakara hetsika fanentanana tselatra ho fanagonam-boky ary asa fanomezana tamin'ny faritra sasany amin'ny tanàna saika isaky ny faran'ny herinandro. Tao anatin'ny telo volana latsaka, nahavita nametraka toeram-pifandraisana 33 [19][zh] ny vondron'ny mponin'ny aterineto ho  fanangonam-boky ary trano famakiam-boky 11 [20][zh] tany  amin'ny faritra ambanivohitra.

Ny tatitra ara-bolan’ ny fikambanana ny Jolay 2011 dia nampiseho fa hatreto ny fitambaran'ny fanomezana dia RMB 87858.38 [21] [zh] , avy amin'ireo mponin'ny aterineto.