- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Fahavaratra Mafana Mitarika Amin'ny Famaizana Fitafy “Tsy Mendrika”

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona
A photo from the semi-official Iranian news agency FARS of a woman being reprimanded for her attire.

Sary avy amin'ny sampan'orinasa vaovao izay avy any amin'ny fanjakana Iraniana FARS ho an'ny vehivavy voasazy noho ny haingony.

Amin'ny toerana maromaro, midika masoandro, ranomasina, ary fotoam-pialatsasatra ny fahavaratra. Ao Iran, midika [1] zavatra iray ny fahavaratra farafahakeliny:  famaizana izay manao fitafy tsy mendrika na “tsy-Islamika”.

Tamin'ity taona ity, nanampy amin'ny fampanajana ny fomba fitafy ny polisim-pifamoivozana ao Iran, ary tsy noferana amin'ny fanomezana fampitandremana sy sazy fotsiny ihany ny famaizana. Indraindray dia samborin'ny mpitandro ny filaminana ireo vehivavy noho ny fitafiana eny aminy. Lahatsary maro an'olom-pirenana avy amin'ny firenena samihafa no nanampy amin'ny fampahafantara ny tena atao hoe  “mafana” amin'ny fahavaratra.

Vehivavy nihazakazaka ary namaly ny fisamborana azy tao Hamadan [2]

http://www.youtube.com/watch?v=yHYbDF4ia38 [3]

Fihetsiketsehanan'ny olom-pirenena, vehivavy iray no voasambotra tao Tabriz [4]

Ramatoa iray no nitaraina mafy noho ny fisamborana ny zanany vavy 13 taona

Fanavakavahana?

Namoaka sary maromaro misy ireo vehivavy voasambotra noho ny fitafiany indray  ilay mpamaha bolongana Iraniana Irane Azad,  ny fanotaniana [5] mipetraka dia nahoana no toa hampiharina amin'ny olom-pirenena tsotra  ihany ny lalàna fa tsy amin'ny mpilalao sarimihetsika malaza ao amin'ny Repoblika Islamika.