
Sary avy amin'ny sampan'orinasa vaovao izay avy any amin'ny fanjakana Iraniana FARS ho an'ny vehivavy voasazy noho ny haingony.
Amin'ny toerana maromaro, midika masoandro, ranomasina, ary fotoam-pialatsasatra ny fahavaratra. Ao Iran, midika zavatra iray ny fahavaratra farafahakeliny: famaizana izay manao fitafy tsy mendrika na “tsy-Islamika”.
Tamin'ity taona ity, nanampy amin'ny fampanajana ny fomba fitafy ny polisim-pifamoivozana ao Iran, ary tsy noferana amin'ny fanomezana fampitandremana sy sazy fotsiny ihany ny famaizana. Indraindray dia samborin'ny mpitandro ny filaminana ireo vehivavy noho ny fitafiana eny aminy. Lahatsary maro an'olom-pirenana avy amin'ny firenena samihafa no nanampy amin'ny fampahafantara ny tena atao hoe “mafana” amin'ny fahavaratra.
Vehivavy nihazakazaka ary namaly ny fisamborana azy tao Hamadan
http://www.youtube.com/watch?v=yHYbDF4ia38
Fihetsiketsehanan'ny olom-pirenena, vehivavy iray no voasambotra tao Tabriz
Ramatoa iray no nitaraina mafy noho ny fisamborana ny zanany vavy 13 taona
Fanavakavahana?
Namoaka sary maromaro misy ireo vehivavy voasambotra noho ny fitafiany indray ilay mpamaha bolongana Iraniana Irane Azad, ny fanotaniana mipetraka dia nahoana no toa hampiharina amin'ny olom-pirenena tsotra ihany ny lalàna fa tsy amin'ny mpilalao sarimihetsika malaza ao amin'ny Repoblika Islamika.