- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bolgaria: Andro Iray Tsy Misy An'i Boyko Borisov PM

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Bolgaria, Hafanàm-po nomerika, Hehy, Media sy Fanoratan-gazety, Politika

5 Jolay 2011, nisian'ny fanamby mahaliana ho an'ireo  fampahalalàm-baovao Bolgara efa mahazatra : Hamaly ny antso iray ao amin'ny Facebook hoe “Andro iray tsy misy an'i Boyko Borisov” [1] [bg; tsy mandeha intsony amin'izao ilay pejy, satria taorian'ny hetsika dia noraisin'ireo mpikarakara ny fanapahan-kevitra hamafa azy, mba hisorohana ny spam, hafatra tsy iriana afafy amin'ny aterineto] – sa mbola hanohy ny hitatitra ireo zavatra ataon’ ny Praiminisitra Boligara [2] ry zareo?

Nahatsikaritra ilay hetsika Facebook ny Reuters, ary namela izany hiely  tao amin'ny fantsony, eo ambanin'ny lohateny izay tena miady tsara tokoa amin'ny zava-kendren'ireo mpikarakara: “Miangavy andro iray tsy misy PM be erahana ny Boligara [3].”

Bulgarian Prime Minister Boyko Borisov. Image by Flickr user kaladan (CC BY-SA 2.0). [4]

Praiministra Bolgara Boyko Borisov. Sary avy amin'ny kaladan mpampiasa Flickr(CC BY-SA 2.0).

Kanefa, ny fampahalalàm-baovao Boligara, miaraka amin'ireo roa notsongaina tsy azo adinoina – ny masoivohom-baovao BGNES [5] sy ny vohikala  Mediapool [6] – dia tsy nanaraka ilay fandraisanan'andraikitra fa nanohy ny fanindrahindrana ny PM amin'ireo karazam-baovaony. Boligara bilaogera sy mpikambana teo aloha tao amin'ny Parlemantan'i Borislav Tsekov no nizara [7] ny hevitra feno avy amin'ny BGNES, niteny fotsiny hoe “mankatoa tanteraka.” Bilaogera hafa koa no nahatsikaritra sy nanoratra momba ilay fanbdraisan'andraikitra, indraindray [8] misy fanamarihana na lohateny mahatsikaiky sy mandranitra ny zavatra navoakany, nikendrena ny Praiminisitra.

Tanaty fampidirana mampihetseham-po sy mampalahelo, Nelly avy ao amin'ny [9]Zavakanto ny p [9]olitika [9]dia somary be fanakianana [10] [bg]  ny mpampahalala vaovao Boligara, manotany hoe: nahoana “aho no voatery hamaky ny vaovao avy amin'ireo vohikala vahiny, hijery fahitalavitra vahiny, ary hitia ny hevitr'ireo bilaogera, ho solon'ny an'ireo mpanao gazety.”
Ny Praiminisitra Borisov, izy tenany no nanambara [11] fa tsy miraharaha ny zavatra toy izany izy, ary nanambara avy hatrany fa voakaraman'ny mpanohitra ireo mpanomana ilay hetsika. Iray amin'ireo mpikarakara ny hetsika, i Andiamatoa Atanas Palov, nanamarika [11] fa mahatsikaiky izany, ary nananihany fa raha mandoa betsaka ny praiminisitra, afaka mamorona hetsika iray hafa ry zareo  hoe” Andro iray miaraka amin'i Boyko Borisov”.

Ireo tanora telo (ny roa hafa dia i Ramatoakely Kamelia Encheva sy Ramatoakely Valia Krusheva) tompon-kevitra tamin'izy ity dia nandà ny fiidiran'ny resa-politika, mipetraka any Aostralia ny iray amin'izy ireo, ny iray any Belzika, ary ny iray ao Bolgaria, ary toa tsy dia resaka politika loatra no manosika an-dry zareo.

Nosafidiana ny andron'ny 5 jolay satria manamarika ny faha roa taonan'ny fifidianana 2009, izay nandresen'i Borisov.

Taorian'ny hetsika, namoaka taratasy misokatra [12] iray ireo mpikarakara, izay nanazavany fa ny nanaovana ilay hetsika dia tsy nikendry ny hanohitra ny Praiminisitra, fa mitodika mankany amin'ny fanindrahindran'ny fampahalalàm-baovao Boligara an'i Boyko Borisovin. Niaraka tamin'izay koa, nanaiky ry zareo fa ilay hevitra dia nindramina avy amin'ny Italiana hoe” “Andro Tsy Misy an'i Berlusconi [13]” sy Pôlôney “Andro Tsy Misy an'i Smolensk [14]“.