Ity pejy ity dia ampahany tamin'ny fanadihadiana manokana nataonay momba ny Revôlisionan'i Tonizia ny 2011.
Ny vondron'ireo Toniziana bilaogera sy mafana fo dia nandefa fanentanana ho fanafahana an'i Samir Feriani, zokiolona manamboninahitra ambony teo aloha tao amin'ny Minisiteran’ ny Atitany izay voafonja hatramin'ny 29 Mai 2011.
Voasambotra i Feriani taorian'ny namoahany taratasy roa tao amin'ny gazetiboky “Al-Khabeer” ( Ilay Manampahaizana manokana) izay nilazany fa ny olona mitàna toerana ambony ao amin'ny Minisiteran’ ny Atitany no tompon'andraikitra tamin'ny famonoana ireo mpanao fihetsiketsehana ampilaminana nandritra ny Revôlisiona Toniziana. Nanambara ihany koa izy fa ny antotan-taratasy miafina manambara ny fiaraha-miasa eo amin'ny filoha Toniziana voaongana Ben Ali sy ny sampam-pitsikilovan'i Israely, ny Mossad, dia ninian'ireo mpiasa ambony tao amin'ny ministera nosimbàna..
Ny 11 Jolay, nanoratra i Houssem Hajlaoui tao amin'ny bilaogy iraisana Nawaat fa ny tanjon'ilay fanentanana dia ny mba hampiditra ireo artista Toniziana ao aanatin'ilay resaka. Nanoratra izy:
Il n’est plus acceptable en Tunisie qu’un citoyen Tunisien soit arrêté, menacé, ou intimidé pour une position ou des propos. La liberté d’expression est une ligne rouge!Un nombre d’activistes de Nawaat, Al Machad et d’autres comme Fatma Arabica et Alé BEN ABDALLAH, nous avons lancé une action de soutien pour exiger la libération de Mr. Samir FERIANI.
Ireo artista roa voalohany niroso tamin'ny fanentanana dia ireo Toniziana mpihira , Bendir Man, sy Amel Mathlouthi.
Nandritra ny fampisehoany farany tao Tunis, niakanjo misy soratra hoe “Afaho i Feriani” i Bendi Man.
Niteny tao amin'ny Twitter, Eya Turki ny 19 Jolay:…
Sinon c'tait sympa ce concert de @bendir_man et Baaziz, surtout leur soutien à la cause #FreeFeriani !
Fanangonan-tsonia iray ho Fanafahana an'i Samir Feriani tao anaty aterineto [Fr] no voasonian'olona 453 tao anatin'ny dimy andro voalohany. Widget iray koa no noforonina ho an'ireo bilaogera maniry haneho ny fanohanan'izy ireo an'i Samir Feriani. Mandritra izany dia afaka manaraka ireo vaovao farany mahakasika ny fanentanana amin'ny alalan'ny tenifototra hoe #Freeferiani ihany koa ireo mpampiasa Twitter
Ity pejy ity dia ampahany tamin'ny fanadihadiana manokana nataonay momba ny Revôlisionan'i Tonizia ny 2011.