Ny folakandron’ ny Alahady 10 jolay 2011, dia nitsimbadika teo amin'ny tohodranon'i Kouibychev tao amin'ny ony Volga ilay sambo fitsangatsanganana “Bulgaria”. Araka ny atontan'isa ofisialy, dia mpandeha 129 no mbola tsy hita popoka sy heverina ho natelin'ny rano.
Matetika rehefa mandre loza sy voina tahaka izao ny olona dia mampahatsiahy ny toe-javatra sy fotoana niainany avy amin'izany ary eo ihany koa ny zavatra antenainy rahatrizay. Rehefa itrangan-doza i Rosia, dia ny fisian'ny voina tahaka izao matetika no fotoanan'ny firaisam-pirenena hiaraha-miory amin'ny niharam-boina, fotoana hanehoan'ny vahoaka firaisankina sy fifanajana matetika. Izany indrindra no antony nahatongan'ny Filoha Dmitri Medvedev namoaka didy hitsi-volana fa ho andro fisaonam-pirenena ny andro 12 jolay 2011.
Kanefa raha mamaky ny tontolon'ny bilaogy Rosiana, ny fijerena ny ho avin'ny firenena no hita manakona izany fisaonana izany, ary ho an'ny bilaogera maromaro, io faharendrehana sambo io no mariky ny hoavin'i Rosia.
Tamin'ny voalohany anefa, ny fahasimban'ny sambo no tena niteraka adihevitra, na tamin'ny gazety izany na tamin'ny bilaogy. Na dia teo aza ireo vaovao isan-karazany, ny fahatsapana ankapobeny dia hoe toy ny vatapaty mitsingevana izy io . Ny filazalazana voalanjalanja sy miovaova momba an'i “Bulgaria” ao amin'ny Wikipedia Rosiana dia efa milaza zavatra : natsangana tamin'ny taona 1955, tantera-drano ny sisiny, tsy nisy fikojakojana ankapobe, niova anarana tamin'ny taon-dasa, niainga ny seranan-tsambo efa misy fihilanana 5 isan-jato, tsy mandeha ny motera ankavia, mpandeha 208 no tao anatiny raha tokony ho 140 farafahabetsany; izany rehetra izany no nahatonga ny sambo nilentika tao anatin'ny 3 minitra monja.
Tsy voatery ho tatsambo vao afaka hahita fa tsy mahazaka ranomasina ilay sambo “Bulgaria”, azo an-tsaina ihany koa ny fadinganana isan-karazany nataon'ny mpitantana mba hialàna amin'ny fanaraha-mason'ny manam-pahefana an-drano (mamy na masina) sy ny asa fisavana hafa .
Romodromotra ihany koa ny fahasosorana sy ny fahatezerana tao amin'ireo bilaogera. Voices from Russia naneho ireo fangatahana valifaty marobe, ary nanararaotra ny fisian'ny loza koa hisian'ny fifehezana henjana kokoa ao Rosia :
Aoka izay raha lazaina, maro ny loha hitsingidina vokatr'io. Hanatsoaka lesona ireo tompon'andraikitra tamin'ny loza, ny ankizy… Hatelin'izy ireo tanteraka izany atao hoe каторга (katorga : asa an-terivozona) sy ny vokany ao amin'ny Fonjaben'ny 1313 ao amin'ny Repoblikan'i Sakha… na handraman'izy ireo ny tsiro sy ny fahafinaretana isan-karazany ao amin'ny fonjaben'ny saikanosy Anadyr. Niady tamin'ny lalàna izy ireo ka ny lalàna no nandresy ! Tsy tsara ny mifananihany amin'i VVP [V.V. Poutine]… Mety hitranga ny toy ny hoe (tahaka ny vato mamirapiratra tarafin'ny masoandron'ny tendron-tany avaratra). Tsy tahaka an'ny repoblikana mahatalanjon'i Texas izany… tanàna nisy an'i Kenneth Lay nalaza tamin'ny Enron (naman'i GWB sy ny “kristiana” mpitabataba Teraka indray) izay tsy niditra am-ponja na dia iray andro aza. Afaka manao toy ny an'i Rosia ianao, izay ampidirina am-ponja ireo olona mpanao afera tsy mataho-tody… na toy ny an'i Texas, izay anafosafoina kosa ny jiolahin-tsambo mpanao afera. Amin'ny taona 2012, manana safidy ianao… safidio tsara… satria ny “valala tsy indroa mandry ambavahady”.
Mifanohitra amin'ny voalaza, nampiseho ny ahiahiny manoloana ny manam-pahefana ara-panjakana ny bilaogera maro, izay nanondro ny laza ratsiny amin'ny fitantanana ny vaovao na dia miharihary aza ny krizy sy ny voina. Izany no antony nahatonga ny vaovao ofisialy voalohany momba ny faharendrehan'i Bulgary nilaza momba ny loza fa tsy nilaza momba ireo niharam-boina.
Nalefa mialoha ny fanehoan-kevitra ataon'ny bilaogera LJ 999allan999, nisy akony noho ny fampahafantara tsotra ny karazana vaovao nisongadina farany mikasika ny loza ahitana lohateny mampisaintsaina :
Как обычно. Сначала официально-бодрое «жертв нет»…
Mpisera LiveJournal shri_boomer – tatsambo manamboninahitra – nilaza toy izany koa, ary nanambara ihany koa ny fahatezerany ireo mpandeha tamin'ny sambo hafa izay tsy nanao afa-tsy naka sary an'i Bulgaria teo am-paharendrehana :
Во время этой трагедии, поразила не только неспособность государства, дать какую-то вразумительную информацию обществу, но и то, что мимо тонущего судна спокойно проходили другие теплоходы, а люди стоявшие на палубе снимали трагедию на видеокамеры и телефоны. Эта дикость, от которой мурашки бегут по коже, свидетельствует только об одном: люди настолько зачерствели, что перестали быть людьми.
Nampahatsiahy ny loza nitranga vao haingana i shri_boomer nanohy nitsikera ny fironan'ny fitondrana hanafina izay zavatra rehetra tsy mandeha sady manamafy ny fanaraha-maso amin'izay zavatra hita fa misosa tsara, na dia tsy misy olona hanaiky aza :
Налицо все признаки того, что питерская ОПГ, теряет контроль в управлении страной [—]. Каждый день государственная власть поражает нас новшествами по усилению безопасности граждан и обустройству России.
Взорвалась бомба в Домодедово – досмотр пассажиров ужесточить, Домодедово отобрать. [—]
Списать самолеты «Ан», списать вертолеты Ми-8, списать речной флот. Да, что там, списать устаревшего девяносто процентов трамвайно-тролейбусного парка страны, десятки тысяч автобусов, миллионы километров водопроводных труб и линий передач, сотни ТЭЦ и ГЭС. Все это нужно списать, а досмотр пользователей ужесточить. [—]
После всего этого можно будет списать население. И тогда наступит настоящий День Траура. Жаль только, что соблюдать его будет некому, ибо придет Время Троглодитов.
Nisy baomba nirefotra tao amin'ny [seranam-piaramanidina] ao Domodedovo : fanaraha-maso akaiky atao amin'ny mpandeha, ary nakatona i Domodedovo.
Taorian'izany, misy olona koa mety tsy hiraharaha ny hafa. Araka izany dia hisy ny Andro Fisaonana. Famindram-po fotsiny izany, fa tsy hisy olona hanatanteraka izany, raha tsy hoe miverina amin'ny taona nisian'ny zohy.
Amin'izany foto-pisainana mitovy izany, mpisera LiveJournal dr_lunikoff nampitaha ny vanim-potoana nampitsontsorika an'i Firaisana Sovietika sy ny toe-java-misy ankehitriny :
В связи с этим вспомнился стишок 1989 года, который ходил тогда у нас по рукам и из-за которого нас чуть из школы не выгнали. Стишок был выучен наизусть (чтоб не быть пойманным с крамолой на руках), потому и запомнился. Он описывал самые заметные ужасы катастройки (в частности, гибель теплохода “Адмирал Нахимов” в 1986 году) и до ужаса был похож на сегодняшние реалии:
Утопили пароход,
Пропустили самолет,
Наркоманов развели,
СПИД в Россию завезли
И какая-то пи..да
С рельсов валит поезда…
Sambo iray nilentika,
Voromby iray very,
Nitombo ny mpidoroka zava mahadomelina,
Tonga tao Rosia ny SIDA,
Sy ny hafa marobe mahasoso…
Ary tafala amin'ny lalamby ny fiaran-dalamby…
Fehiny, Viktor Perfilov an'ny Kazanskie vedomosti namehy ny tantara toy izao:
Я невольно вспоминаю ту известную фразу Путина о АПЛ “Курск”, хотя в то время мне и 10 лет не было
– Что случилось с Вашей лодкой?
– Она утонулаА Медведев пока не нашел, что сказать на сей счёт. Системный кризис [—] проявляется всё больше, а положение лучше не становится. И лучше при нынешней ситуации вряд ли станет…
– Inona no nitranga tamin'ny sambonao ?
– Nilentika izy.
Ary mbola tsy mahita lazaina i Medvedev ny momba izany. Mihatsapa hatrany hatrany ny krizy mihamiraikitra, ary tsy misy fihatsarany ny toe-javatra. Ary manoloana ny toe-javatra iainana ankehitriny, kely ny fanantenana amin'ny mety hahatontosany izany.