Anankiray amin'ireo lahatsoratra manokana mikasika ny Fanoherana tany Tonizia 2011 [1] ity lahatsoratra ity.
Naparitaky ny polisy tamin'ny alalan'ny herisetra ireo mpanao fihetsiketsehana toe anoloan'ny lapam-panjakana tamin'ny 15 jolay lasa teo. Nitaky fanavaozana ireto mpanao fihetsiketsehana ireto ary nikasa hanao sit-in fahatelo tao Kasbah, ivon'ny fanaovana fihetsiketsehana rehetra ao Tunis renivohitra.
Anisan'ny zavatra notakian'ireto mpanao fihetsiketsehana ireto ny fialan'ny minisitry ny fitsarana, izay voalazan'izy ireo fa tsy mahavita azy ary “manome rariny ireo mpamono olona tsy manan-tsiny nandritra ny fanoherana”, ao koa ny minisitry ny atitany, izay efa nitazona andraikitra ambony tamin'ny minisitera maro tamin'ny andron'i Ben Ali [2].
Nilanja sora-baventy koa ry zareo ireto nandavany ny fanilihana ny tanora ao amin'ny resaka handraisana fanapahan-kevitra, ary mitaky ny fahaleovantenan'ny fitsarana ihany koa.
Nampiasa baomba mandatsa-dranomaso sy kibay ny polisy hanoherana ireto mpanao fihetsiketsehana ireto tsy hivory sy hanao sit-in. Ao amin'ny twitter, tsy mijanona manaraka ny fizotry ny raharaha any an-toerana ny Toniziana.
@walidsa3d [4]:nanaparitaka ny mpanao fihetsiketsehana tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso ny polisy#kasbah3
@tunisien: [5]saika hanao sir-in am-pilaminana ireo Toniziana tezitra kanjo notsenain'ny polisy tamin'ny herisetra. #Kasbah3
Nidiran'ny polisy an-keriny koa ny moske iray ka nokapohiny tamin'ny hazo ireo mpanao fihetsiketsehana niafina tao.
@walidsa3d [6]niditra tao amin'ny moske ao Kasbh ny polisy ary nandroaka ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny hazo#Kasbah3
@ByLasKo: [7]Les flics ont forcé la porte de la mosquée, tabassé et expulsé les gens qui s'y étaient réfugiés #kasbah3
Nosamborina koa ny mpanao fihetsiketsehana am-polony. Misy hafatra mitaky ny hamotsorana ireo rehetra nosamborina ao amin'ny bilaogy Kissa-online: [8]
نطالب بنفس الصوت العالي إطلاق سراح كل المؤقوفين (يبدو أن عددهم 48) وخاصة منهم المدونين الفايسبوكر محمد شايح و شهيد بلحاج وأمان الله منصوري.
@wa_evolution: [9]
الإفراج عن 26 من معتقلي القصبه, إحالة 20 على القضاء و تجنيد 35. #kasbah3 #kasba3 #tunisie #tunisia
Ity herisetra nampiharin'ny polisy ity no nahatonga ny blaogera toniziana hilaza fa mampahatsiahy azy ireo ny zava-nisy tamin'ny fanjakana teo aloha izao zavatra izao. Indreto ny santionany amin'ny fanehoan-kevitra tao amin'ny twitter.
@maroo_king: [10] la #Kasbah3 n'était pas grand-chose (300 personnes) ! je suis pas d'acc avec ce sit-in mais je suis aussi contre la violence de la police !
@guellaty: [11] Je crois que les policiers n'ont pas compris qu'on sortait d'un état policier.
@Marwen: [12]Sinon, je ne me reconnais pas dans la #Kasbah3, mais pour moi la pression de la rue est indispensable et les lacrymos n'ont aucune justif.