- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

TED Talk avy amin'ny mpiara-manorina ny Global Voices Rtoa Rebecca MacKinnon

Sokajy: Amerika Avaratra, Eoropa Andrefana, Angletera, Etazonia, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Lalàna, Mediam-bahoaka, Teknolojia

Niteny ny mpiara-manorina ny  Global Voices Rebecca MacKinnon [1] fa tokony hanorina orinasa tompon'andraikitra hahatonga ny aterineto hivelatra mankamin'ny fomban’ “olom-pirenena” ny olo-tsotra. Nandritra ny TED talk [2] tamin'ny 12 Jolay 2011 tany Edinburgh, Ekaosy [3] no namoaboasany fa lasa fantsom-pifandraisana voalohany eo amin'ny olo-tsotra sy ny fitondram-panjakana ny aterineto saingy nampitandremany fa misy ny andian'orinasa “mpanjakan'ny aterineto” manelanelana ny roa tonta.

Koa satria ny orinasa tsy voasakana handoto [hanasaritaka] ny tontolo na hampiasa tanora araka izay tiany, hoy ny filazany, dia tsy azo itokisana ry zareo hampandroso na hitandro ny aterineto ho sehatra misokatra sy mahaaro ny fahalalaham-pitenenana . Efa hitantsika [kely] ny fanaovana ny governemanta ho tompon'andraikitra saingy tahaka ny ahoana kosa ny fiarovana ny mpanjifa sy ny olom-pirenena manana ifandraisana amin'ny aterineto?

Nandalina momba izany lohahevitra izany i Rebecca any amin'ny boky hivoaka tsy ho ela Consent of the Networked [4] [Faneken'ny tafaraikitra amin'ny serasera].

Ilay mpiara-manorina faharoa Ethan Zuckerman kosa efa nahavita TED Talk tamin'ny Jolay 2010 antsoina hoe “Listening to global voices” [5] [mihaino ny global voices]. Na i Ethan na i Rebecca dia samy anatin'ny Filankevi-pitantanana [6] mitarika ny Global Voices.

TED [7] moa dia avy amin'ny hoe “Technology Entertainment and Design” [Haitao Fialamboly ary Haibika] ary ny valandresaka ao aminy kosa dia natao ho “ideas worth sharing” [hevitra mendrika hozaraina]. Ny famelabelarana amin'ny alalan'ny lahatsary tokanamantany atolotry ny olobe navoakan'ny TED moa dia ifampizarana an-tserasera ka jeren'ny olona anapitrisany manerantany. Manoratra ny dikany kosa ny mpanolotena [8] ho amin'ny fiteny samihafa.