Shina: Mpisolovava Manohana Kandidà Noraràna Tsy Hilatsaka Ho Fidiana

Mbola manohy [zh] ny fampielezan-kevitra ataon-dry zareo hilatsaka ho fidiana ao amin'ny Antenimieram-bahoaka ao an-toerana ny olona manerana an'i Shina, saingy mbola mitoetra ho manjavozavo ny hoe ho tonga hatraiza io fiaingàna vaovaon'ny fahatongavan-tsain'ny sivily io.

Nisarika ny sain'ny maro ny tranga niseho tamin'i Liu Ping tao amin'ny faritanin'i Jiangxi taoriana kelin'ny nanakànana an'i Liu sy ireo kandida roa Li Sihua sy Wei Zhongping,  tamin'ny fomba isan-karazany,  tsy ho kandidà tamin'ny fifidianam-paritra tao Xinyu ny volana lasa teo.  Fanampin'ny zavatra nolazain'i kaontin'i Liu Pin ny amin'ny fomba fiasan'ireo manampahefana handraràna azytelo ireo tsy handray anjara amin'ny fifidianana, ilay mpanangon-tsonia Li Sihua dia nanampy tantara kely tao amin'ny  bilaogy kiritika [zh]:

6月16日,我分别致电致函省、市、区人大选举部门,陈述“关于根据全国人大的立法解释,应尽快依法确认我的初步代表候选人资格”的诉求。市、区强调:根据省人大的回复意见,不能跨选区推荐候选人。省人大选任联工委则说:既然全国人大有可以跨选区推荐的立法解释,就要我传真给他们。

Ny 16 Jona,  niantso ireo sampan-draharaha misahana ny  fifidianana izay ho ao amin'ny Antenimieram-Bahoaka ao amin'ny faritany, ny tanàna ary ny distrika isam-paritra aho ary nanontany azy ireo maika ny heviny momba ny mety ho fahalaniko na tsia amin’ ny maha kandidà vao misandratra ahy ho eo  amin'ny toeran'ny solontenan'ny Antenimieram-pirenena entim-bahoaka.  Niara-nanamafy ny sampan-draharaha misahana ny tanàna sy ny distrika raha ny toeranaao amin'ny antenimieram-bahoaka dia tsy azo atao ny milatsaka ao amin'ny faritra tsy isoratan'ny tena. Nolazain'ny komity mpiara-mitantana ny fifidianana izay ho ao amin'ny Antenimiera ahy anefa, na izany aza, fa fa mamela ny firotsahan-ko fidiana any ivelan'ny faritra misy ny tena ny  Antenimieram-pirenea entim-bahoaka, ary mila mijery ny momba izay miaraa amin-dry zareo aho.

6月17日下午,省人大选任联工委电话回复我说,收到我的传真申诉意见及全国人大关于同一行政区选民可以跨选区推荐代表候选人的立法解释附件后,他们认真研究后向新余市人大批转了我的申诉书,要我与市人大联系。新余市人大选任联易主任则表示:收到了省人大的批转意见,一定会依法处理。

Ny tolakandron'ny 17 Jona,  niantso ahy indray ny komity mpiara-mitantana ny fifidianana ka nilaza fa voarainy ny fampakarana nalefako “fax” ary,  taorian'ny fandinihana tsara ireo fangatahako ho kandidà ivelan'ny faritra ho solontena ao amin'ny Antenimieram-pirenena entim-bahoaka, dia nalefan'izy ireo ho any amin'ny kongresy ao an-tanànan'i Xinyu izany ary nilazany aho mba hifandray any indray. Ny tale Yi avy ao Xinyu amin'ny departemanta misahana ny fifidianana izay ho ao amin'ny antenimieram-bahoaka nilaza fa voarainy ny dikany araka ny lalàna avy amin'ny Antenimieram-pirenena entim-bahoaka isam-paritra ary ho ekena araka izany.

6月17日,接到省人大的批转意见后,通洲办党委书记、政党提名候选人谢琪亲自出马,当即带人赶往西合村,调查所谓“推荐真相”,并找党、村干部及先进分子签名证明我参选的动因并非真心为村民土地维权,而是为了自己的申冤翻案。在他看来,是否只有当选成为人大代表,冤案才可平反昭雪?

Ny 17 Jona, taorian'ny  fahazoana ny toromarika avy amin'ny Antenimieram-bahoaka ao amin'ny faritra, ny  Sekreteran'ny antoko ao Tongzhou sy ilay kandidà napetraky ny CCP-, Xie Qi, izy tenany mihitsy no nandeha tany amin'ny tanànan'i  Xihe niaraka tamin'ny olona maro, hanadihady ny lzaina fa “fahamarinana” ao ambadiky ny  “fametrahana ahy”.  Ireo lohandohan'ny antoko sy mpandray anjara politika vitsisitsy ihany no azon'izy ireo nampanaovina sonia ilay taratasy manamarina fa ny zavatra kendreko voalohany dia tsy ny hilatsaka ho fidiana hiady ho an'ny zon'ny vahoaka amin'ny taniny,  fa kosa ny hamaly faty ny tsy rariny nahazo ny tenako. Amin'ny filaza hafa,  miteny ve izy fa azon'ny olona atao ny hahazo fanonerana noho ny tsy rariny natao azy raha voafidy ho solontena ao aminn'ny Antenimieram-pirenena entim-bahoaka fotsiny izy ireo?

Jereo ao amin'ny bilaogin'ny Fifidianana tao Shina sy ny Fitantanana ny andinindinin'ny fomba nidarohana an'i Liu, Li ary Wei sy ny nataon'ny manam-pahefana azy ireo nialohan'ny nanesorana azy ireo tsy ho ao anatin'ny fifidianana.
Ny faran'ny volana lasa teo, Wu Yuanshu,  ilay mpisolovava an'i Liu Ping, monina ao Hubei, dia  niaraka taminy ho any Xinyu hanadihady ny fomba fandrindràna ny fifidianana ary ny nanaovana an'i Liu tamin'io fotoana io. Wu nanoratra [zh] hoe:

7月4日
今天,我与刘萍、李思华前往李思华选区新余市渝水区通洲办事处西河管理处,观看张榜公布的的选举结果,并调查扭打刘萍、抢夺刘萍手机、殴打魏中平等破坏选举的情况。在被管理处门口,我和刘萍被管理处干部打伤,抢夺、毁坏我的手机、摄像机。

新余市公安局抱石路派出所盛晴晖(050618)斥责刘萍说:国家赋予我天天管你的权力,你没有权力管我,无权对我拍照。我反驳道:法律赋予我天天监督你的权力,你没有权力拒绝,我有权对你拍照。

Ny 4 Jolay – Androany aho nandeha niaraka tamin'i Liu Ping sy Li Sihua tany amin'ny biraon'i Tonzhou Xihue tao Yushui, ao anatin'ny distrikam-pifidianan'i Li ao amin'ny tanànan'i  Xinyu,  hijery ny valim-pifidianana sy hitady valiny amin'ilay vono nahazo an'i Liu Ping ary ny halatra finday natao azy, sy ny fanelingelenan'i Wei Zhongping ny fizotry ny fifidianana.  Raha vao niditra ilay birao izahay sy Liu Ping dia novonoin'ireo tompon'andraikitry ny birao ary ny findaiko sy ny fankan-tsariko  nosintona sy namotika.

Ilay polisy Sheng Qinghui (#050618) avy ao amin'ny komisaria an'i Baoshiu Road nandroaka an'i Liu Ping,  nilaza fa nomen'ny fanjakana alalana izy hibaiko an'i Liu,  fa tsy ny mifanohitra amin'izay.  Hoy izy hoe tsy manana alàlana haka sary azy izahay. Namaly aho hoe nomen'ny fanjakana alàlana izahay hanara-maso fahefanao,  ary tsy afaka ny handà izany ianao, ary manan-jo ny haka sary anao aho.

7月5日

昨天早上约八点半钟,我和刘萍、李思华一同去观看选举公告。刚到门前,还没看见公告,忽然六七人冲上来推搡殴打刘萍,我见状立即用手机拍照,那伙人就过来抢夺手机,我拼死反抗,被西河办事处干部和打手打伤,手机被抢去摔坏,几天来走访百余人的录音证据被毁,摄像机被抛上楼顶,案卷资料撒满一地。

在西河管理处办公室,那伙人说:你们没经我们同意拍照,侵犯了我们的肖像权。我反驳道:我不需要经你同意。警察说:你还是律师,知法犯法,你不经人家同意就拍照,就是侵犯肖像权。我说:侵犯肖像权是指用于商业目的,我是因他们打人,固定证据,难道是侵犯肖像权吗?

由于摄像机还在楼顶,我要求拍照取得证据,警察拒绝,因此我拒绝离开案发现场。无奈,警察方同意我们自行拍摄。我悄悄拍下了警察和警车……

Ny 5 Jolay – omaly maraina tokony ho tamin'ny 8:30 teo ho eo, nandeha nijery ny valim-pifidianana i Liu Ping,  Li Sihua ary izaho . Raha iny izahay hiditra ny varavarana iny, mbola tsy  nahita ilay valiny akory,  nisy olona maro nisintona ny findaiko. Tsy navelako izy ireo fa nanohitra aho ka noratrain'ny mpiasan'ny Xihe,  ary potika tamin'izany ny findaiko. Simba tamin'izany koa ny tahirim-peo misy ny fijoroan'olona an-jatony vavolombelona.  Natsipiny teny amin'ny tafotrano ilay fakan-tsary ary nikorontana tamin'ny tany ireo antontan-taratasy.
Tao anatin'ny biraon'i Xihe,  niteny izy ireo hoe tsy nahzo alàlana avy aminy isika haka sary azy ireo , ary nohitsakitsahantsika ny zon'izy ireo ara-tsary.  Hoy aho hoe tsy mila ny fanomezan-dàlan-dry zareo aho. Ary hoy ilay mpiasa iray,  “mpisolovava ianareo ,  nefa minia mandika lalàna? raha maka sary olona iray tsy nahazo alàlana ianareo, hoy izy,  manitsaka ny zony ianareo izany. Ny fanitsahana ny zo ara-tsary dia amin'ny resaka  lalàna ara-barotra,  hoy aho: Hita izao fa novonoinareo izahay ary voaporofo mazava be ny amin'izany, tena matotra ve ny filazanareo fa nanitsaka ny zonareo ara-tsary izahay ?”
Koa satria mbola teny amin'ny tafo ilay fakan-tsary, nangataka aho ny mba ny haka sary ihany izahay,  ho porofo.  Nandà ilay mpitandro ny filaminana,  ary tsy nety niala teo koa aho.  Namela anay haka sary ihany izy avy eo,  ary dia naka sary azy sy ny fiaran'izy ireo aho[…] 

打的到新余,路上闲聊,我问:知道刘萍吗?司机答:不知道。我说:全国都知道刘萍参选人民代表,新余人不知道么?司机想一会说:哦,听说过,听说她是恐怖分子,选举那天要炸新余最大的商场,街上布满武警。我大惊。来新余三天,果真听到恐怖的故事。

Nandeha fiarakaretsaka aho nody tany Xinyu ary niresaka tamin'ilay mpamily mandra-pahatonga tany.  Nanontany azy aho raha fa naheno momba an'i  Liu Ping izy. Hoy izy hoe tsia. Hoy aho hoe ny eran'ny firenena mahafantatra an'i Liu Ping daholo,  ilay kandidà,  ho solontena ao amin'ny Antenimieram-pirenena entim-bahoaka,  ahoana no tsy ahafantaranao azy?  Nieritreritra kely izy, ary nilaza hoe : oadray,  marina izany,  efa henoko,  mpampihorohoro na tahaka izany,  saika napoakany ilay fivarotana lehibe indrindra an'i Xinyu ny andron'ny fifidianana.  Feno polisy mitam-piadiana ny arabe. Ketraka aho.  Telo andro fotsiny aho no tao Xinyu dia efa naheno izany resaka fampihorohoroana izany.

Taorian'ny niverenana tao Hubei ny 5 Jolay,  nanoratra i Wu tao amin'ny kaontiny Weibo fa hanosika ny ministeran'ny fitsarana hanao fanadihadiana lalina, ary koa hitady miaraka amin'ny mpisolovavan'i Li Zhiming ao Guangdong sy ny an'i  Zhejiang Wang Cheng,  hamory mpisolovava hafa handeha ho any Xinyu mba hanampy ireo kandida telo hafa teo aloha.

Ny ampitson'io Wu dia voaasa taminà fiaraha-misotro dite ary nilazàna [zh] fa tokony hajanony io fihezahany hanangona mpisolovava hanao fanadihadiana ny fifidianana ny ho ao amin'ny Antenimieram-bahoaka vao avy natao tao  Xinyu io. Vondrona iray ao amin'ny Weibo natsangan'ireo mpandàla ny fifidianana ara-demaokratika tarihan'ny naman'ilay mpisolovava an'i  Wu,  Wang Cheng, nefa no mbola tena miasa be ho amin'io tanjona io.

Mandritra izany, ny sasany amin'ireo fampielezam-baovao Sinoa dia manohy manoratra momba ilay resabe tsy mitsaha-mitombo momba ny fifidianana izay ho mpikambana ao amin'ny antenimeran'ny distrika: Tsy ela akory izay,  nandefa matoan-dahatsoratra roa be mpamaky i Caijing ,  ‘ Ny fanontaniana tena sarotra mikasika ny fahaiza-manaon'ny kandidà  tsy miankina mba hanenàna ny fifandirana ara-tsosialy‘ ary ny  ‘fomba fahitana ny fiakaran'ireo kandidà olon-tsotra‘.

Matoan-dahatsoratra lava be iray avy amin'ny The World and China Institute vondrom-pikarohana iray momba ny rafi-pifidianana,  ‘‘N'aiza n'aiza, maro ireo kandidà tsy miankina maniry mafy ny ho lasa solontena ao amin'ny Antenimieram-pirenena Entim-bahoaka‘.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.