- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Togo: Fiatoana Kely Taorian'ny Dimy Herinandro Nisian'ny Hetsi-panoheran'ny Mpianatra

Sokajy: Afrika Mainty, Togo, Fanabeazana, Fitantanam-pitondrana, Tanora

Ny tolon'ireo mpianatra avy any Togo, firenena Afrikana Tandrefana, ny mba hanatsaràna ny fepetram-panabeazana dia efa nahatratra ny herinandro faha-diminy [1] ary na eo aza ny fitsaharana kely tato ho ato, mbola avo ny fihenjanana any Lomé [2] renivohitra.

Toa nisy rivo-pahatoniana nitsoka tamin'ireo fihetsiketsehana nokarakarain'ny Mouvement pour l'Épanouissement des Étudiants Togolais – MEET (Hetsika ho amin'ny Fivelaran'ireo Mpianatra Togoley), rehefa nahavita nahazo tamin'ny manampahefana ny famerenana [3] [fr] ny filohan'ny fikambanan'izy ireo ny mpianatra tamin’ ny 30 Jona. Abou Seidou, mpianatra eny amin'ny Anjerimanontolon'i Lomé [2], voaroaka noho ny fiampangàna azy ho nanakorontanany toeram-ponenan'ny mpianatra.

Inoana fa manokatra ny làlana any amin'ny fifampiraharahana io famerenana azy io. Na eo aza anefa ity fandresena voalohany tsy dia nisongadina ity, sy ny antson'ny MEET tao aorian'io mba tsy hanao fihetsiketsehana ny Zoma 1 Jolay 2011, nisy mpianatra vitsivitsy tamin'izy ireo nanapa-kevitra ny hitazona ny tsindry atao amin'ny governemanta ary nandeha nanao hetsi-panoherana.

The July 1, 2011 demonstration in Lomé, Togo. Image by Morgan Coolpot Bello on Facebook. [4]

Ny fihetsiketsehana tao Lomé, Togo ny 1 Jolay 2011. Sarin'i Morgan Coolpot ao amin'ny Facebook.

Charles Le Bon, mpitoraka bilaogy [5] [fr] iray avy ao an-toerana, milaza amin'ny ambangovangony ao anatinà lahatsoratra ireo zava-nitranga ny 1 Jolay 2011, fihetsiketsehana. Araka ny voalazany:

en craignant que cette journée ne soit un vendredi noir, vu le soutien de la quasi totalité des parti politiques, de la société civile et des organisations de défenses des droits de l’homme, le gouvernement est revenu dans la nuit du jeudi 30 juin sur la décision d’exclure pour six (6) ans le président du MEET.

Noho ny fahatahorana ny mety hahatonga ity andro ity ho Zoma Mainty, noho ny fanohanan'ny ankamaroan'ireo vondrona politika, ny fiaraha-monina sivily sy ireo fikambanana miaro ny zon'olombelona, niverina tamin'ny fanapahan-keviny ny handroaka ny filohan'ny MEET enin-taona ny governemanta.

Nisy lahatsary mampiseho mpitandro filaminana midaroka mpianatra azo tamin'ny 1 Jolay ary navoaka tao amin'ny YouTube [6] ny 4 Jolay, an'i Sylvio Combey [7], mpanao gazety [8] Togoley. Milaza i Combey fa izy koa dia voadarok'ireo mpitandro filaminana raha naka io lahatsary io. Eo amin'ny 0:25 minitra dia maheno mpitandro filaminana iray ianao, mangataka azy amin'ny teny Frantsay ny hampirimany ny kamerany, izay tsy neken'ilay mpanao gazety, miteny “Maninona, satria ve aho miasa?”:

Mandritra izany, mbola tsy nahazo ny valin'ny tena fangatahany mikasika ny fanatsarana ny fepetram-panabeazana ireo mpianatra Togoley, ao anatin'izany ny fampiakarana sy fandoavana ny vatsim-pianaran'izy ireo.