Arzantina:Ny “Amboaran'ny Amerika” 2011 na ‘Copa América 2011′, Lionel Messi Sy Ny Ao Arzantina

Tao Arzantina, ny 01 Jolay dia nanamarika ny fanombohan'ny Amboaran'ny Amerika 2011 [es],  amin'izao  fiadiana ny ny ampahefa-dàlana amin'ny famaranana izao. Firenena roa ambiny folo avy any Amerika Latina no mandray anjara,  ary araka ny valin'ny lalao tamin'ny Alatsinainy 11 Jolay,  tsy misy hirika hirosoana fa ràraka mialoha tamin'ny fifanintsanana i Bolivia,  raha  voamarina fa tafakatra amin'ny dingana manaraka kosa i Kolombia sy Arzantina.

Ny bilaogy Independiente Crece [es] dia niresaka momba ny voka-dalao hatramin'ny 10 Jolay.

Con su  victoria de hoy, Colombia se quedó con el primer puesto del Grupo A y de esta manera avanzó a la próxima ronda de la competencia. Los otros equipos que aseguraron matemáticamente su pasaje son: Chile, Perú y Venezuela. Bolivia, en cambio, quedó fuera de carrera

Miaraka amin'ny fandreseny androany,  nahazo toerana ao amin'ny sokajy A i Kolombia ary, vokatr'izay, tafakatra amin'ny fihodinana faharoa. Ireo ekipa hafa izay nahay nikajy ny fiakarany dia:  Shilia, Peroa ary Venezuela. Fa i Bolivia, na izany aza,  dia niafara tamin'ny fialàna an-daharana.
Ny savoritak'i Messi

Ary ny firenena mpampiantrano,  Arzantina,  ahoana ny momba azy ?  ny marimarina kokoa,  manontany tena ry zareo ao Arzantina hoe inona no mahazo an'i Lionel Messi?  Mifamahofaho be ny hevitry ny olona,  miaraka amin'ny andiany miandany sy mitsipaka ilay mpilalao 24 taona izay nahazo ny  Medaly Baolina Volamena tao anatin'ny roa taona nisesy ankoatran'ireo Medaly 50 azony hatramin'izay.

Sarin'ny Lionel Messi: Adidas Italia (CC BY-NC-SA 2.0)

Nandritra io fiadiana ny amboara io, i Arzantina dia nandray ny toeran'ny tale teknika, psikolojista ary mpanao famakafakana an'ilay mpilalao tanora sady malaza avy ao Rosario, tanàna nahitany masoandro ary nilaozany ho ao amin'ny FC Barselona teo amin'ny faha 13 taonany.

Ny Twitter dia nampiseho hevitra maro tamin'ny alalan'ny  tenifototra #Messi.

Patricio Baratta (@patobaratta) niteny hoe:

Vamos #Messi hoy!!! te banco. Demostrá que sos el mejor del mundo para que algunos no hablen mas.

Alefa #Messi androany a!!! maka anao aho. Asehoy anay fa ianao no tena mahay eto ambonin'ny tany amin'izay dia hangina ireo sasany.

Nene Lezcano avy any Córdoba (@nenitolezcano) dia nandefa hafatra mitovy amin'izay koa :

Vamos #Messi todos hablan de vos tapales la boca a todos Rompela pibe

Alefa #Messi a! Miresaka momba anao daholo ny olona; ampangino ny vavany; Ataovy tsy mahita ho lazaina.

triunfar.net (@fotosynoticias) ,  mbola avy ao Córdoba, iray amin'ireo  toerana anaovana ilay fifaninanana, dia nampitaha mpilalao baolina Arzantina roa kalaza :

#Maradona fue el mejor en #Boca#Napoli, La Seleccion etc… #Messi solo es buen jugador en #Barcelona.

#Maradona no tena mahay indrindra ao #Boca, #Napoli,  Ny Ekipam-pirenena sns… #Messi dia mpilalao mahay ao #Barcelona fotsiny.

Kanefa, tsy avy ao Arzantina irery ireo hevitra sy tsikera;  tao Espana, ilay bilaogera Javisroad [es],  mpitia Atlético de Madrid, dia naneho ny heviny momba an'i Messi sy ny toerana misy ny ekipam-pirenen'i Arzantina:

La Copa America 2.011, a falta de buen futbol, nos está dejando un interesante debate: ¿qué le pasa a Messi, que no rinde en la selección argentina? El anfitrión de la competición está teniendo un rendimiento muy decepcionante, y lógicamente todas las miradas se dirigen al mejor jugador del mundo, Messi, que debería marcar la diferencia en su selección pero no esta rindiendo a su nivel.

Ilay Amboaran'i Amerika 2011 na ‘The 2011 Copa America’, amin'ny tsy fisian'ny baolina kitra tsara, dia namela antsika ho ao anaty adihevitra: Inona no mitranga amin'i Messi,  iza no tsy  miezaka tsara loatra ao amin'ny Ekipam-pirenen'i Arzantina? Nisy fitavozavozana ara-pahaizana teo amin'ny ekipan'ny mpampiantrano, ary mazava ho azy fa ny mason'izao tontolo izao dia any amin'ilay mpilalao kalaza, Messi, izay tokony hijoro ho an'ny Ekipany nefa tsy nilalao araka ny lentany.
Tonga koa ny hevitry ny mpandefa bitsika (Tweet) avy any Barselona, toy ny an'i Gabriel Masfurrol (@masfurroll), izay niaro an'i Messi sy nitsikera an-dry zareo avy ao Arzantina:

#messi:Si Argentina no és capaz de querer, apoyar y emocionar a Leo es que quizas no lo merecen. Me sabria mal por Leo que si ama a su pais

#messi: raha tsy mahay mitia i Arzantina, manohana ary manome hery an'i Leo, dia angamba mety tsy mendrika azy izy ireo. Malahelo an'i Leo aho, izay tena tia ny tanindrazany tokoa.

Leo Messi dia manana ny pejy Facebook-ny feno fandokafana sy fitsikerana miaraka amin'ny teny mahafinaritra ary ny sasany tsy tena mankahery loatra, tahaka ny an’ i Facundo Rozados [es], miteny hoe:

Andate amargo a españa y juga para ellos. Te falta muchisimo para jugar con la 10. Pastore te pasa por arriba a nivel futbolistico

Mandehana any Espana ary milalaova ho azy ireo. Mbola tsy ampy zavatra hilalaovana ny laharana faha-10 ianao.  Efa nahavita lavitra noho ny mari-pahaizanao i Pastore

Na ny tenin'i Graciela Alfonso [es], nanakina ny tsy nihiran'i Messi ny hiram-pirenen'i Arzantina:

NO BESES LA CAMISETA COMO EN LA FOTO, NO HAGAS GOLES SI NO PODES, PERO AL MENOS CANTA EL HIMNO ARGENTINO Y SI NO LO SABES APRENDELO CARAJO, PERO CANTA EL HIMNO, CANTAAAAAAAA EL HIMNO ARGENTINO O EN QUE PAÍS NACISTE ??

AZA OROHANA NY AKANJONAO TOY NY EO AMIN'ILAY SARY, AZA MAMONO BAOLINA RAHA TSY AFAKA, FA FARAFAHARATSINY MBA HIRAO NY HIRAM-PIRENEN'I ARZANTINA ARY RAHA TSY HAINAO, HIANARO TSIANJERY TSY MANINONA, FA HIRAAAAAO NY HIRAM-PIRENENA SA AVY AMIN'NY FIRENENA INONA NO NIAVIANAO??.

Tetsy ankilany, nandefa teny fampaherezana ho an'ny rehetra tao amin'ny kaontiny Twitter (@batistachecho) ny Tale teknikan’ ny ekipam-pirenen'i Arzantina.

Ny 8 Jolay, nanoratra izy hoe[es]:

Estamos trabajando muy fuerte tanto en lo anímico como en lo futbolístico.

Miasa mafy isika, na amin'ny toe-tsaintsika na amin'ny fahaiza-manaontsika amin'ny baolina kitra.

Ny andron'ny lalao nikatrohan'i Arzantina sy Kosta Rika, niteny toy izao izy[es]:

Queremos recuperar el rendimiento futbolístico y demostrarle a la gente que podemos

Mila mamelona ny fahaizantsika ny Baolina kitra indray isika ary mampiseho ny vahoaka fa mahavita azy.

Ireo tenifototra hafa ahitana ireo fanehoan-kevitra momba ny lalao nampalahelo kely nataon'i Arzantina dia hita ao amin'ny: #CA2011, #argentina costa rica, #CopaAmerica2011 sy  #vamosMessi. Ny  lohahevitra malaza #arribapendejo dia niseho taorian'ny lalaon'i Arzantina-Kosta Rika, miresaka an'i Messi; zava-dehibe ny hamantarana fa ao Arzantina ny teny hoe “pendejo” midika hoe “tanora” ary tsy mahatohina.

Ao amin'ny bilaoginy manokana , ilay mpihira Andres Calamaro [es] nangataka ny fifonana tamin'ny Messi tamin'ireto teny manaraka ireto hoe:

Perdon Messi….”Siempre” es asi …  Ni te aplauden por seguir jugando “tocado” … Hablamos todos del EQUIPO y despues te crucifican ?

Mialatsiny Messi… ohatr'izany “foana” ilay izy… .Tsy mitehaka ho anao ry zareo mba hanohy ny lalao “nefa maratra” … Miresaka momba ny EKIPANAO  izahay ary dia anao no voafantsika?

Ary Leo [es] namaly tamin'ny alalan'ny  pejy  Facebook [es] :

Gracias Andrés por el apoyo que me brindas.

Misaotra ry Andrés, ny amin'ny fanohananao ahy.

Ity hira ity dia nampakarina tao amin'ny YouTube [es] ho fandrisihana ilay mpilalao.

Tao amin'ny bilaogy  El Magazin [es] an'ny gazety mpivoaka isan'andro ao Kolombia El Espectador [es], ny lahatsoratra famakafakana iray avy amin'i Fernando Araujo Velez, El Magazín mpanao gazetin'ny El Magazín,  mpanoratra sady mpanonta, dia nahatonga korontana tao Juan Marco,  izay nitsikera ireo teraratany mpankafy avy ao Arzantina:

Que importa lo que digan los seudo hinchas argentinos, Messi es el mejor del mundo y su espectaculo nos seguira alegrando a todos. La Argentina lo perdio cuando no lo apoyo siendo un nino enfermizo…

Ny olana  dia ny filazan'ireo mitonona ho mpankafia avy ao Arzantina, mpilalao kalaza i Messi ary ny fampisehoana mahagaga ataony dia mbola hitondra fifaliana ho anay rehetra hatrany. Nanary azy ny Arzantina tamin'ny fotoana naha-zaza farofy azy…

Amin'izao fandresen'i Arzantina an'i Kosta Rika  3-0 izao, tamin'ny baolina roa nampidirin'i Sergio Agüero ary avy amin'i Angel Di Maria ny iray, niova ny fijerin'ny olona, raha toa kosa i Messi tsy mbola nahafaty baolina ho an'i Arzantina, toa an'i  Fernando Krakowyak (@krakowiak) tao amin'ny  Twitter:

Hoy #Messi se cansó de meter pases gol. Dentro de poco va a convertir goles de carambola usando a los compañeros como bandas.

Anio #Messi nanome tolotra tsara. Tsy ho ela dia hahafaty baolina tampoka izy, hampiasa ireo mpiara-milalao aminy ho hirakiraka.

Na ny avy amin'i  @DaveRocknRoll:

Para mi #Argentina gano porque #messi demostro un muy buen nivel pero #Higuain le falta ritmo y #Gago profundidad que para eso lo metieron..

Ho ahy,  nandresy #Argentina satria #messi dia nilalao tsara ihany fa i #Higuain no tsy ampy hafainganana ary nilentika loatra i #Gago , izay nahatonga azy ireo ho eo .

Naharay fanehoan-kevitra mihoatry ny 10.000 ny pejy Facebook-n'ilay mpilalao tao anatin'ny ora vitsy, toy ny an'i  Hernán Diaz [es] izay nanoratra hoe:

GRANDE GENIO SEGUI ASI EL GOL YA TE VA A QUEDAR, IDOLO LA ROMPISTE HOY TE FELICITO.

RY GOAVANA INDRINDRA,  TOHIZO NY TAHAKA IZAO  DIA HAHATAFIDITRA IANAO, MANAO TOY IZANY IREO MPANKAFY ANAO MIARAHABA ANAO AHO .

Na miandrandra baolina matin'i Messi aza ny avy ao Arzantina na tsia, ny tena zava-dehibe dia ny handresena. Mbola misy lalao hafa miandry ary ho an'i Arzantina, mety izao vao tena manomboka ny fifaninanana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.