- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonizia: Manomboka ny fisoratana anarana hifidy, Tatitra olana ara-teknika

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tonizia, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika

Nanomboka nisoratra anarana tao amin'ny lisi-pifidianana ny Toniziana ny andron'ny 11 jolay. Hitohy hatramin'ny 2 aogositra moa izany fisoratana anarana izany. Heverina ny handrotsa-bato hifidy ny antenimieram-panorenana, izay hanoratra ny Lalampanorenana vaovao, manko ny Toniziana amin'ny 23 Oktobra ho avy izao. Efa misy sahady ny mitatitra ny fisian'ny olana ara-teknika.

Ny fifidianana moa dia noheverina hotontosaina ny 24 jolay saingy nahemotry ny Vaomieram-pifidianana mahaleotena izany noho ny antony “ara-teknika sy ara-pitaovana” [1]. Nahatezitra Toniziana maro izay maika ny hifidy ao anaty tontolo demokratika voalohany eo amin'ny fiainany izany fanemorana ny fifidianana izany.

[2]

"I Vote to Build My Tunisia and that of my Children", photo on Facebook Page "Tunisians Stand up and Register on Electoral Lists"

Nanangana hetsika antsoina hoe Tunisiens debout inscrivez vous sur les listes électorales” [3] [Fr] (Mitsangàna ry Toniziana misoratra anarana ao amin'ny lisi-pifidianana ) ny mpisera facebook, handrisihana ny mpiray tanindrazana aminy hisoratra anarana haingana mba tsy ho tratra aoriana loatra.
Izao hafatra manaraka izao dia nivoaka tao amin'ny bolongana Kissa-Online [4]:

سارعوا في تسجيل اسماءكم بالقاءمات الإنتخابية ابتداء من يوم 11 جويلية…و توعية اصدقاءكم و افراد عاإلاتك بضرورة ممارسة حقهم الانتخابي لاول مرة في تاريخ تونس…
انشروا المعلومة…

Faingàna misoratra anarana amin'ny lisi-pifidianana izay manomboka ny 11 jolay.. Tairo ny havana aman-tsakaiza amin'ny tsy maintsy hampiharana ny zo hifidy izay sambany eo amin'ny tantaran'i  Tonizia…Aelezo ny teny..

Nanangana vohikala [5]Pejy Facebook [6], ary kaonty Twitter [7] ny vaomieram-pifidianana mahaleo tena hamaliana ny fanontaniana rehetra mikasikadingana rehetra amin'ny fifidianana antenimieram-panorenana.

Mampiasa ny tenifototra #tnelec [8] ny mpisera Twitter Toniziana hanehoany ny fijeriny, ny fahatsapany ary hanontaniany ny fombafombam-pisoratana anarana ary hiresahana ihany koa ny momba ny fifidianana. Indreto ny sasantsasany amin'izay nosoratana:

@Olfa_Riahi @Olfa_Riahi [9]“N'oubliez pas de vous inscrire sur les listes électorales du 11 juillet au 2 Août. C impératif! Je vote, tu votes, ils dégagent !

Aza adinoina ny misoratra anarana ao amin'ny lisi-pifidianana ny 11 jolay ka hatramin'ny 2 Aogositra. Didy io. Mifidy aho, mifidy ianao, dégage zareo! [Fr] (miala)

@inesTN: [10]Ouf ! J ai enfin trouve ma carte d identite. Demain matin je m inscris pour les elections 🙂

Ouf! Hitako ihany ny kara-panondroko. Hisoratra anarana amin'ny fifidianana aho rahampitso 🙂

@Mira404: [11]Pour la première fois de ma vie je vais voter! Cet après-midi je vais m'inscrire à mon consulat! #tnelec

Sambany teo amin'ny fiainako aho no hifidy. Amin'ity folakandro ity aho no hisoratra anarana any amin'ny masoivoho #tnelec

Manjaka eo amin'ny mpamaham-bolongana Toniziana ny fijerena lafy tsaran-javatra sy ny fahamiramiranana satria efa dingana vitsivitsy sisa dia hifidy amin'izay adika ho fifidianana malalaka sy madio voalohany eo amin'ny tantaran'i Tonizia ry zareo. Saingy misy kosa ny sasantsasany miahiahy fa tsy ho vitan'ny manampahefana Toniziana izany mandrakitra an-tsoratra mpifidy 7 tapitrisa ao anatin'ny roatokom-bolana izany.

@Houssein: [12]Je me demande comment ils comptent enregistrer 7 millions d'électeurs potentiels en 3 semaines! Mission impossible… #tnelec #ISIE

Manontany tena aho amin'izay hataon-dry zareo amin'ny fandraketana an-tsoratra ao anatin'ny telo herinandro ny mpifidy heverina ho 7 tapitrisa! Iraka tsy ho tontosa…#tnelec #ISIE

@Ooouups: [13]ils peuvent tous rever ms moi je dis les élections c en 2012 #Tunisie #Tnelec

Mahazo manonofy daholo izy rehetra fa izaho miteny hoe amin'ny 2012 ny fifidianana #Tunisie #Tnelec

Nandeha nisoratra anarana ny alatsinainy lasa teo i Moncef Marzouki, filohana antoko politika, Kongresin'ny Repoblika, saingy tsy vita izany fisoratana anarana izany noho ny antony teknika araka ny filazany. Niteny [14] izy ao amin'ny pejy Facebook n'ny antoko:

هذا اليوم هو أول يوم للترسيم في القوائم الانتخابية(…) فقررت أن أغتنم الفرصة لأسجل اسمي وخوفا من الصف قررت أن أذهب باكرا للبلدية . الثامنة والربع تقدمت لموظف اسأله عن الاجراءات فاعتذر أنه لم يصل أحد من المكلفين بالتسجيل وما عليّ إلا الرجوع لاحقا(…) هكذا رجعت بعد ساعتين لأكتشف ثلاثة موظفين وراء حواسيبهم استقبلوني(…) طلبني أحدهم بطاقة التعريف وعرضها على قارئ ضوئي يبدو أنه لم يفهم شيئا من بطاقتي فأخذ الموظف ينقر على حاسوبه ربع ساعة ثم أحال البطاقة المشبوهة لزميله الذي لم ينجح في فكّ رموزها وأخيرا أعادها لي قائلا” ثمة مشاكل ، ارجع غدوة”

Androany no andro voalohany hisoratan'ny mpifidy ny anarany (…) Nohararaotiko izany hisoratana ary tonga mialoha tany amin'ny Monisipalite aho fandrao tratran'ny filaharana lava dia lava. Tamin'ny  8:15 maraina aho no nanatona mpiasa iray hanontany izay fomba atao amin'ny fisoratana anarana. Niala tsiny izy niteny fa tsy mbola nisy tonga mpiasa miandraikitra ny fanoratana anarana tonga fa miverena rehefa kelikely. Niverina aho afaka roa ora ka nahita mpiasa telo samy manoloana ny solosainy avy (…) Nangataka ny karapanondroko ny iray amin'izy ireo ary nampiditra azy tamin'ny milina (fitaratra) mpamaky teny izay tsy nahavaky azy. Nanomboka nitendry tamin'ny solosainy ilay mpiasa, ary dia nanome ny “karatra mampiahiahy” tamin'ny mpiara-miasa aminy, izay tsy nahavaha ihany koa ny marika tao anatiny. Farany naveriny tamiko ilay izy ary niteny tamiko izy fa “misy olana, miverena rahampitso”

Efa nahemotry ny Vaomieram-pifidianana mahaleo tena ny fifidianana noho ny olana ara-teknika. Mbola misy telo volana mandrapahatongan'ny androm-pifidianana saingy hita ho tsy mbola mahavaha izany olana izany ny manampahefana Toniziana. Mandritra izany fotoana izany dia efa manomboka tsy mahandry intsony ny eny an'arabe izay efa nanaiky ny fanemorana indray mandeha.