- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Malezia: Tsakoahan'ny fihaonambe Bersih 2.0 ny governemanta

Sokajy: Azia Atsinanana, Malezia, Fahalalahàna miteny, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

Niteraka resabe teo amin'ny Maleziana ny fihaonamben'ny Bersih tamin'ny faha-9 ny volana Jolay.

Whatsaysyou namaham-bolongana [1]:

Tsy hohadinoina mandrakizay ny Bersih 2.0 . No sady tsy azo odiana fanina fa izao no fotoana hahafantaran'izao tontolo izao ny zavamisy marina eto Malezia. Faharoa, tsy azontsika lavina fa mandady ny kolikoly ary mendrika hohenoina sy fantarina ny Maleziana.

Mihoatra ny 1.400 ny olona nosamborin’ [2] ny polisy nandritra ny fihetsiketsehana izay nokarakaraina hitakiana ny fanavaozana ny lalam-pifidianana any Malezia. Nampiasa baomba mandatsa-dranomaso ny polisy hanaparitahana olona mahatratra 50.000 araka ny nolazain'ny mpikarakara. Ny dikan'ny Bersih moa amin'ny fiteny ao an-toerana dia hoe “madio”.

Monk mahatsapa fa [3] manitsakitsaka ny zon'olombelona ny polisy:

Nandika ny fitsipika iraisam-pirenena momba ny maha-olona ny Polisy Maleziana (PDRM sy FRU) raha nanafika hopitaly. Nandefa baomba mandatsa-dranomaso vitsivitsy tao amin'ny Hopitaly Fampiterahana Tung Shin ry zareo. Ny fifanarahan'i Geneva dia mametraka fa tsy misy hopitaly azon'ny ankolafin'olona na iza na iza tafihana. Mandà ny fanafihana ny hopitaly moa ny polisy na dia maro aza ny porofo mampiseho izany fanafihana izany.

Shanay mieritreritra [4] fa ity no tena nampiseho ny fanahy Maleziana miatrika ny fahasamihafana:

Na dia saiky nakatona avokoa aza ny ankamaroan'ny lalana mankany KL [Kuala Lumpur], ary teny rehetra teny ny polisy misambotra izay rehetra manao akanjo mavo na mitondra izany ao anatin'ny kitapony, Nefa mbola miezaka hatrany ny ireo mpanohana ireo hifamory. Avy amin'ny foko samihafa sy taona samihafa ary miakanjo loko samihafa izy ireo saingy miara-manao diabe noho ny fanantenana mitovy. Izany no tena  “1 Malaysia”.

[5]

Fihaonambe Bersih 2.0. pejy the twitpic @ckfwong8

Mbola malaza kokoa ny Bersih ao amin'ny Twitter [6], ahitana olo-maro maka sary amin'ny alalan'ny findainy.

@zaaagh [7]: manontany ahy ny mpiara-miasa: “Mbola hamerina ve ianao?” Namaly aho: “Oadraaay!!! In'arivo raha avela aho!”

@semnos [8]:  Taorian'ny baomba mandatsa-dranomaso, ny fangaro shimika ary ny fisamboran'ny polisy dia voatosika ho any amin'ny hopitaly tung shin ny olona.

@syukrishairi [9]: Andro nahitako fa mifanakaiky avokoa ny manodidina an'i KL, vitan'ny arabe enina zotra monja.

@RizalRedride [10]: Ny niainako tamin'ny faha-9 Jolay dia i Malezia. Olona mandanjalanja, olona manana ny hasiny izahay. – Charis Ding. Tsara aminao!

@Mahaza2 [11]: Taorian'ny #Bersih 2.0 dia niresaka momba ny ‘ISIKA’ ny olona fa tsy Malay na Shinoa na Karana intsony. Izany no tena 1Malaysia tsy eken'ny fitondrana

@biopolymath [12]: Niresaka tamina Shinoa avy any Shina nandritra ny Bersih2.0 tany Melbourne. Tsapany fa tsy ampisainana izany misambotra olona miakanjo mavo izany

Indreto misy lahatsary napetraka tao amin'ny YouTube, anisan'ireo lahatsary mampiseho ny zava-nitranga [13]:

OhNewBeb ihany koa dia nampiseho lahatsary ahitana ny fihaonambe Bersih teo amin'ny Kianjan'ny Federasiona tao Melbourne [14]:

Mbola maro ny sary nampidirin'i Jamie [15] sy ny The Thirsty Blogger [16], ary ny Lahatsary hafa dia hita ao amin'ny Andiany mifanaraka ao amin'ny YouTube [17] sy ny bolongan'i [18] Anil Netto. Namaham-bolongana [19] izay niainany nandritra ny fihetsiketsehana i HBHo. Ny vaovao farany momba ny Bersih 2.0 dia hita ao amin'ny kaonty Twitter [20].