Tamin'ny alalan'ny fampihàrana ilay fifanarahana vaovao narafitra farany, dia niverina tsikelikely ny fandriam-pahalemana tao amin'ny faritr'i Puno, ao amin'ny faritra atsimon'ny Andes Peroviana, taorian'ny fifandirana sy ny korontana ara-tsosialy faramparany teo (izay samy mifandray amin'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany[es] avokoa), izay niafara tamin'ny fahafatesan'olona enina, maherin'ny 30 no naratra ary an-tapitrisany ny zavatra potika: ny seranam-piaramanidina Juliaca monja dia niharam-pahavoazana mitentina any amin'ny 2 tapitrisa dolara eo [es].
Niala tany Juliaca ny Quechua , mponina avy any Azángaro (avaratr'i Puno) ny Sabotsy alina ary ny Aymara tany atsimon'ny faritra kosa nametraka ireo sàkana teo amin'ny làlana ny Alahady.

Làlana eo anelanelan' i Puno sy i Cusco nosakanan'ny Aymara teo aloha teo. Sary nalain'i Juanma Merino, mpampiasa Flickr, nXpected (CC BY-NC-SA 2.0)."
Nanome fotoana fohy ho fitoniana ho an'ny governemantan'ny filoham-pirenena voafidim-bahoaka, Ollanta Humala, ireo vondrom-piaraha-monina teratany avy amin'ny faritra fitrandrahana harena an-kibon'ny any amin'ny Reniranon'i Ramis, fotoana izay hamerenana handinihana [es] ireo olana mifandraika amin'ny fananan-tany sy ny harena an-kibon'ny tany any amin'ireo faritra tatsimon'i Puno. Nandritra izany fotoana izany, nilaza i Humala fa “anjaran'ny governemanta amin'izao fotoana voafaritry ny lalampanorenana “ [es] ny mamaha ny olana hatramin'ny 28 Jolay fotoana hifaranan'ny fe-potoan-piasany.
Manambàra ny iray amin'ireo lalàna nampiharina fa resaka tombontsoam-pirenena ny famerenana ny lafiny tontolo iainana ao amin'ny renirano Ramis sy Suche [es], tena fepetra goavana nandrandrain'ireo tantsaha mponina eo amin'ny faritra; ny ambiny dia mifandraika amin'ny lalàna mifehy ny asa fitrandrahana ny harena an-kibon'ny tany [es] any amin'ny faritr'i Puno. Ny tena ilaina, ho an'ny fiarahamonina Aymara, dia ny famerenana ny Didy Hitsivolan'ny Fitsarana Tampony 083-2007-EM, izay manakatona ny tetikasa Santa [es] nataon'ny orinasa Bear Creek Mining Company.
Maresaky ny fanehoan-kevitra ireo tambajotra sosialy.
Ny sasany moa tena faran'izay miombon-kevitra amin'ny tarainan'ny vahoakan'i Puno, toa an'i Ricardo Calmet (@ricardocalmet):
@jotabruce@chaskicholo Hay mucho que aprender de los pueblos originarios. Mirándolo bien Aymaras nos dan profunda lección: cuidar la tierra
Manohana ny hetsi-panoheran'ny vahoakan'i Puno i Jimena Espinoza (@jespiba):
Deberiamos movilizarnos como muestra de apoyo a nuestros hermanos puneños que son ignorados por el gordo infeliz [el presidente Alan García] bit.ly/kBRp94
Sehatra iray hafa no mitàna ny heviny fa hoe mampijaly tena ny vahoakan'i Puno, sahala amin'i Alian Molina (@aliomp):
Figueroa: “Los aimaras y quechuas no desean que haya desarrollo en su región”
Ao amin'ity làlana ity ihany, mbola manindry kokoa momba ny fifandirana eo amin'ireo samy vahoakan'i Puno ity tweet avy amin'i Ricardo Marapi (@ricardomarapi) ity:
En Puno “habría celos vecinales, por la desigualdad entre los poblados en el reparto de los beneficios” http://is.gd/2R7M4x
Ny sasany kosa miahiahy ny fahamarinana na ny fanarahan-dalàn'ireo fitarainana, toa an'i Shevyga (@Shevyga):
Si la gente Aimara pelea x la mineria “formal”, la gente de Azangaro pelea x la mineria informal, pero…
Ny mpampiasa sasany kosa manontany tena ny amin'ny fitantanan'ny governemanta foibe ny olana mikasika ny tontolo iainana, toa an'i Luis Torres Montero ():
Defensoría del Pueblo tiene 87 meses de informes de conflictos sociales (incluido el de Río Ramis) y Alan García ‘naca la pirinaca’ [no hace caso].
Ny sasany dia manome tsiny ny governemanta noho ny fanavakavahana sy tsy firaharahiana, toa an'i Internautilius ():
Ahora entiendo porque dicen Peru no tiene instituciones: la Fiscalia de Puno no investiga la muerte de los punenos! Los muertos son pobres!!
Manome tsiny ny asa fanaovan-gazety ny mpampiasa Twitter sasany noho ny tsy fitaterana tsara ny fifandirana nisy tany amin'ny faritra, toa an'i Matteo (@Matteo):
RM Palacios [Rosa María Palacios, periodista peruana] vuela en prejuicios y acusa de racistas a los quechuas y aimaras de Puno goo.gl/TRl5o
Raha mbola ny resaka fanovam-pitantànana ihany koa no resahina, izay hatao amin'ny 28 Jolay, dia manazava ny hevitra sasany mikasika ny vary mangatsiaka mbola miandry [es] ho an'ny governemantan'i Ollanta Humala ao amin'ny faritra ny mpandalina toa an'i Paula Vilca, mahakasika ny fitadiavana vahaolana maharitra ho an'ny faritra. Tafiditra ao anatin'izany: ny fanamafisana ny Lalàn'ny Fitsirihana Mialoha, fanafoanana ireo fitrandrahana harena an-kibon'ny tany tsy manara-dalàna eo amin'ny faritra ifandirana, (izay midika hoe ataovy manara-dalana izany), mametraka drafi-panorenana eo an-toerana ary famerenanana ny tontolo iainana natoralin'ny faritry ny ony Ramis River izay misy fiantraikany amin'ny Farihy Titicaca.