- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Malezia: Maro Indray no Voasambotra Talohan'ny Fikarakaràna Famoriam-Bahoaka

Sokajy: Azia Atsinanana, Malezia, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fifidianana, Politika, Zon'olombelona

Marobe be indray izao ny olona nosamborina noho ny fanohanana ny  Famoriam-bahoaka Bersih 2.0 [1] izay nokasaina hatao ny 9 Jolay 2011.

Mpitarika iray avy amin'ny mpanohitra ao Malezia Atsinanana, Christina Liew, no nampakatra tao amin'ny bilaoginy [2] fa olona fito no voasambotra noho ny niakanjoany ny akanjo bà mavon'ny Bersih ary na dia fitafy ara-dalàna izao aza.

Tanora Pakatan Rakyat 7 nisakafo antoandro tao amin'ny  Kedai Kopi ao Asia City, niala avy any ny polisy 60 hatramin'ny 70 ary nisambotra an-dry zareo. Tamin'ireo 7 ireo, ny 3 dia nitafy akanjo fitondra manao fanatanjahantena niloko mavo, ary 1 nitafy ny akanjo bàn'ny bersih, ary ny 3 ambiny nitafy tsotra (baju biasa).

Nisy ihany koa lahatsary [3] iray izay nampakarin'i Liew tao amin'ny bilaoginy, ka ao anatin'izany no iresahany momba ny fisamborana ireo olona ireo:

Anatinà fanavaozam-baovao iray, nilaza izy fa nafahana ry zareo ireo saingy tsy maintsy tonga miseho eo anatrehan'ny polisy ny andron'ny 9 Jolay.

Ny vohikalam-baovao Malaysiakini koa dia nitondra tatitra [4] momba ny fisamborana solombavam-bahoaka, ary koa nitatitra fa ny 1 Jolay, olona 121 no nosamborina. Mbola nitatitra [5] ihany koa izy io fa ny Malaysian Communications and Multimedia Commission (MCMC), na Komisiona Maleziana momba ny Multimedia sy ny Fifandraisana dia nanome baiko ireo fahitalavitra sy fampielezam-peo mba ‘hanaratsy’ ilay famoriam-bahoaka.

Fanampin'zany, gazety malaza mpiseho isan'andro ary amin'ny teny anglisy, The Star no nitatitra [6] fa ny MCMC dia niteny fa hanakatona izay vohikala rehetra ‘manao fanentanana na manampy amin'ny fikarakarana ny famoriam-bahoaka amin'ny 9 Jolay’.

Ny andron'ny 3 Jolay, olona enina hafa indray no mbola nosamborina  araka ny nambaran'ny Malaysiakini [7].

Nisy lahatsary iray ihany koa nivoaka tao amin'ny YouTube izay nanjary nalaza dia nalaza tokoa, izay nandrakitra ny fisamborana ireo olona 14 [8] voalohany voalaza tao anatin'ny tatitry ny Global Voices tany aloha [1]:

Nisy ihany koa lahatsary iray mitonona ho ny hira faneva [9] Bersih, mampiasa lafika avy amin'ny famoriam-bahoaka Bersih tamin'ny 2007 ho Fanafahana an'i Maher Zain:

Ny kaonty Twitter [10] Bersih dia tena navitrika tokoa, ary efa manana hatramin'ny mpanjohy 5.000. Isan'ireo bitsika ahitàna ny resaka Bersih 2.0 ireto:

@40square [11]: Anatin'ny tena demaokrasia dia azo atao ny manao diabe am-pilaminana

@winnielwn: [12] @bersih2 dia momba ny fifidianana MARINA sy MADIO. Fa loza inona loatra no nahatonga anareo  hisambotra olona marobe?

@jakangboo: [13] #Bersih tsy resaka BN na PR; malay vs tsy-malay. Isika, vahoakan'i Malezia dia maniry fotsiny ny hanana governemanta malalaka, marina ary mangarahara.

@mariachin: [14] Andro manjombona ho an'ny fitsarana. Narodan'i Najib ny fanantenana rehetra amin'ny tetikasam-panovàna an'i Malezia tamin'ny filazàna fa tsy ara-dalàna ny Bersih 2.0

Ny kaonty Tzitter an'ny Praiminisitra [15] dia tsy miresaka mihitsy momba ilay tranga. Ao amin'ny Facebook, ny pejin'ny Bersih 2.0 [16] dia nahazo  ‘Tiako’ manodidina ny 40,000 .

Misy ihany koa tati-baovao [17] iray milaza fa ny Amnesty International dia niantso ny governemanta mba hamela ny hitohizan'ny famoriam-bahoaka.

Ny sarikely dia mampiseho lehilahy iray mitàna ny akanjo bàny Bersih nandritra ilay famoriam-bahoaka farany tamin'ny Novambra 2007. Sary avy amin'ilay mpampiasa Flickr, wormy lau [18] (CC BY-NC 2.0).