- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Zambia: Pastora Mampiasa ny Facebook Mba Hitoriana Filazantsara

Sokajy: Afrika Mainty, Zambia, Fivavahana, Teknolojia

“Mandehana ka ataovy mpianatra ny firenena rehetra…” Mat. 28: 19 no mibaiko ireo rehetra nantsoina hitory ny teniny (Jesosy).

Ireo mpitory ny filazantsara ao  Zambia, firenena izay nambaran'ilay Filoha teo aloha  efa nodimandry, Frederick Chiluba, 20 taona lasa izao, fa firenena Kristiana, dia mampiasa marina tokoa ny fomba rehetra sy ireo seha-pifanakalozan-dresaka anaty aterineto mba hitoriana teny.

Hatramin'ny androany, ny tena fomba fampiasa novokarin'ny saina mba hitoriana tenin'Andriamanitra dia ny toeram-piantsonan'ny fiara fitateram-bahoaka izay iandrasan”ireo mpitory teny ny fiara mpandeha lavitra mbola eo ampamenoana olona mandram-pahavonony hanainga hanao ny dia lavitr'ezaka, avy eo vao miakatra ry zareo, mitory teny, ary indraindray aza dia mitaty rakitra mandritra ny kilometatra vitsy, alohan'ny hidinany.

Tany amboalohany dia noraisina tsara tokoa ny vavaka avy amin'ireto mpitory teny anaty fiara fitateram-bahoaka ireto noho ny hamaroan'ny lozam-pifamoivoizana eny an-dalambe eny mahatafiditra an'ireo fiarabe mpitatitra olona ireo ary amoizana ain'olona maro sy itondràna takaitra mandra-maty. Hita ho nitondra fahatoniana ny vavaka alohan'ny fiaingàna saingy ankehitriny dia toa lasa fanao amin'ireo mpandeha lavitra rehetra ny fangataham-pitahiana toy izany.

Mazava loatra fa ny famoriam-bahoaka tahaka izany dia matetika  no anaty trano biriky lehibe naorina any an-tanàn-dehibe any no natao, ary ireo izay tsy manana fahafahana manorina trano fivoriana ho azy manokana kosa dia mampiasa ny efitranon-tsekoly sy ny tranom-pokonolona izay andoavan-dry zareo hofany kely isaky ny mampiasa.

Niaraka tamin'ny fahatongavan'ireo tambajotra toy ny Facebook, misy amin'ireo pastora be ketrika sy mpitory teny mafàna fo no mampiasa ny vohikala hanakaikezana ireo “fanahy very”

Roa amin'ny olona mifandray amiko ao amin'ny Facebook no pastora izay mampiasa ny tambajotra sosialy mba hitoriana ny filazantsara. Nifandray tamin'izy ireo aho mba hahalalàna ny fijeriny ny fampiasàna ny Facebook.

Pastora Stephen Safwali [1] niteny fa niditra teo amin'ny Facebook izy mba ho afaka mijery fotsiny ireo mpikambana taorian'ny folo taona  nandraisany anjara taminà lisitra fifandefasana teo amin'ny samy fiangonana pentekotista ary ny Filankevitra Manerantanin'ny Fiangonana, izay nahitàny ny tombontsoa amin'ny fahafahana mahatratra mpihaino midadasika be. Na dia ao amin'ny Twitter aza izy dia tsy dia mampiasa firy azy io kosa.

Nilaza i Pastora Safwali fa be ireo valin-kafatra azon'ny hafatra avoakany.

[2]

Pastora Steve Safwa sy ny vadiny. Loharanon-tsary: pejy Facebook-n'i Pastora Safwa.

Tamin'ny fanontaniana azy raha toa mahazo tohana ara-bola izy handoavana ny saram-pidirana amin'ny aterineto, nandà i Pastora Safwali saingy nihevitra fa “azo antoka ny ahafahana manao famoriam-bola amin'ny media sosialy ho fitoriana filazantsara amin'izao tontolo izao”.

 

Pastora Safwali dia nahazo ny diplaomany (license) tany amin'ny  Valley Forge Christian College, ao Pennsylvania ary diplaoma hafa koa (maitrise) tao amin'ny  Fuller Theological Seminary, ao California any Etazonia.

Ity manaraka ity ny karazana lahatsoratra [3] iray tao amin'ny rindrin'i Pastora Safwali:

Ny Tempoly no toerana iray izay tsy tokony ho tapaka vaovao mahafaly indrindra! Feno fampanantenana sy fahatanterahana izy! Mandrakizay dia feno fanantenana, fahatokiana, vahaolana, fankaherezana, fanasitranana, fanafahana, famonjena sns… Mandehana any ampiangonana  ary iaino ny fiahiana sy ny fitiavan'Andriamanitra androany!

Pastora Safwali,  izay nanana mpanjohy 2310 tamin'ny fotoana nanoratana, dia miantso ny mpino aminà fihaonana amin'ny alina ihany koa ao amin'ny  Facebook [4]:

Ok ry mpikambana ao amin'ny Fiangonan'ny Baibolin'i Antioch  fotoana indray izao! Tafika Masina Mandritry ny Alina ny : Zoma 20 May 2011! Ndeha hataontsika – Tsy amin-kery sy fahefana, fa amin'ny Fanahin'Andrimanitra! Any mifankahita e!

Ity ambany ity ny valinteny [5] avy amin'ny iray amin'ireo mpanjohy azy, Paul Tembo:

Pastora, ilay tafatafa niarahana tamin'ny znbc (Zambia National Broadcasting Corporation) dia tena nahery tokoa. Natao hosaintsainina, mirary fitahiana ho anao.

Iray hafa mpampiasa mavesatra ny Facebook mba hitoriana ny filazantsara sy ho fanentanana i Dr Elijah Miti [6], Zambiana iray monina ao Afrika Atsimo. Mpanoratra ihany koa, manana mpanjohy 2235.
Toy izao ny karazana lahatsoratra [7] fanentanana avy amin'i Miti:

Androany, fidio ny hiteny fankaherezana. Fidio ny hiteny fandresena sy finoana. Fa tsy voatery hiteny amin'ny olona ny tsy mety ataony, na fampibaribariana ny tsy fahalavorariany, jereo izay mba tsara vitany. Mifantoha amin'ny lafiny tsara.

[8]

Dr. Elijah Miti. Loharanon-tsary: pejy Facebook-n'iDr. Miti.

Ny soratra [9] avy ao amin'ny baiboly dia manao hoe:

Fa izay rehetra miantso ny anaran'Andriamanitra no ho vonjena. Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitory? Ary hataony ahoana no fitory raha tsy nirahina? Araka ny voasoratra hoe: “Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra ny teny soa mahafaly! Romana 10:13-15.

Nandefa fanontaniana vitsy tamin'i  Dr Miti a aho mikasika ny fampiasàny ny vohikalan'ny tambajotra sosialy:

Q: Inona no tena nandrisika anao hanomboka hampiasa ny vohikalan'ny tambajotra sosialy, Facebook, mba hitoriana ny filazantsara / hafatra fanentanana?

A: Mino ny fiantraikan'ny tenin'i Jesosy Kristy amin'izao tontolo izao aho ary miaraka amin'ity haitao vaovao ity hanampy ahy hahazo mifandray aman'olona maro sy hanampy olona maro manerana izao tontolo izao. Manana zanaka lahy sy zanaka vavy aho izao ao amin'ny FB [Facebook] nanaiky an'i Jesosy avy amin'io aingam-panahiko io ary koa manana maro mangata-bavaka sy toro-kevitra ary dia niseho Andriamanitra ka namaly ny vavak'izy ireny. Manana fijoroana vavolombelona izahay avy amin'olona nahazo asa rehefa tsy an'asa nandritra ny taona maro taorian'ny vavaka fanaonay isan-kalina

Q: Mampiasa vohikala hafa eo amin'ny tambajotra sosialy toy ny Twitter ve ianao?

A: Mampiasa ny MySpace, LinkedIn sy ny bilaogy aho

Q: Mahazo setriny amin'ireo hafatra nalefa ve??

A: Isan'andro, marobe

Q: Ary efa mba nahazo fanakianana ve ianao?

A: Eny, indrindra fa avy amin'ireo olona mandalo sedra mafy eo amin'ny fiainany amin'izao fotoana.

Q: Nampitombo isa ny mpanaraka ny vondrom-bavakao ve izany?

A: Eny sady koa nanokatra varavarana ho an'ny fivezivezena maneran-tany sy ny fanasàna isankarazany.

Q: Raisintsika hoe mila vola ianao hanodinana ny raharaha sasany toy ny fandoavana ny sandan'ny aterineto, mahazo famatsiam-bola avy amin'ny fampiasana ny tambajotra sosialy ve ianao?

A: Tsy mbola nahazo fanomezana mihitsy aho nefa io kosa dia nanampy ahy tamin'ny fandafosana ny bokiko ary nahazoako fanasàna hanao vela-kevitra, na teto an-toerana na iraisam-pirenena.

Q: Afaka mankahery ireo fiangonana hafa ve ianao?

A: Eny, ny fiangonana tsirairay dia mila manangana vondrona ho an'ireo mpikambana ao aminy mba ho fandefasana fangatahana vavaka sy fijoroana vavolombelona tamin'izay nataon'Andriamanitra.

Fampiasàna ny Facebook [10] mba handafosana ny bokiny, toy ity manaraka ity ny karazana hafatra ao:

Misaotra anao amin'ny fangataham-panazavana momba ny boky azfd potsero eo amin'ny Fonon'ny Boky. eo amin'ny sampana  HETSIKA mba ho famandrihana ny dika mitovy ho anao sy hisintonanao avy hatrany ny “ebooks” (boky famaky anaty aterineto ato amin'ny www.elijahmitimotivation.webstarts.com [11].