Ejipta: Fahatsiarovana ny Tolona Manohitra ny (rafitra) Fampijaliana


Raha manamarika ny andro iraisam-pirenena manohitra ny Fampijaliana izay nitontona ny 26 jona teo izao tontolo izao, dia nitodika tao Ejipta avokoa ny maso, satria misy dikany manokana ho an'ny olona ao ny tolona natao hanoherana ny fanararaotam-pahefana ny olom-pirenena.

Nandritra ny telopolo taona izay dia tsy nitsahatra ny nampiasa ny sampam-piarovana : ny polisyny mpitandro ny filaminana ary ny fitsikilovana izay nomena ny fahefana feno hangeja ny olona hanoa ny fitondran'ny Filoha voahongana  Hosni Mubarak. Tsy vitan'ny hoe miandraikitra  anatin'ny rafitra fampijaliana fanao saiky isan'andro tamin'ireo tsy mitovy hevitra politika sy ny olom-pirenena tsotra ireo sampam-piarovana ireo fa mitazona ireo “mpampihorohoro” nalefan'i Etazonia sy Eoropa hampijaliana ihany koa hahazoana vaovao izay anatin'ilay fandaharan'asa malaza hoe fiaikena miavaka.

Noho nykolontsaina “tsimatimanota’ nanjaka nandritra io fitondrana io, tsy azo amarinina intsony ny ankamaroan'ireo tranga fampijaliana ireo, fa tsy hoe tsy voamarika. ONG maro sy fikambanana mpiaro ny zon'olombelona no nandray fepetra amin'izany amin'ny fandraketana sy fanelezana ny teny momba ireny tranga ireny mba tsy hahavery an-javony azy.

Iray amin'ny mandatehezana manohitra ny fanararataona ny olom-pirenena ataon'ny sampam-piarovana ao Ejypta ny Ivontoerana Nadeem Misahana ny Fikarakarana Ara-tsaina sy Fanarenana ireo Niharan'ny Herisetra, izay mikarakara valandresaka Fanoherana ny Fampijaliana izay tontosaina ao amin'ny Sendikàn'ny Gazety hanamarihana ny Andro Iraisam-pirenena manohitra ny Fampijaliana ary handinihana ihany koa ny fiparitahan'ny zavamiseho teo aloha sy taorian'ny  Revolisiona Ejyptiana.

Nampiseho diaporama momba ny tantaran'ny fampijaliana any Ejipta ny Valandresaka notarihan'ny Dr Aida Seif El Dawla ao amin'ny Ivon-toerana El Nadeem sy ilay mpanao gazety Mohamed Abdel Qodos, nisy koa ny  lahatsary sy fijoroana vavolombelona mivantana nataon'ireo niharan'ny herisetra, ankoatra ny tantara antsehatra fohy momba ny fihoara-pahefana ataon'ny miaramila polisy taorian'ny revolisiona.

Voamarika fa tsy tonga nanatrika lanonana ny fampahalalam-baovao mahazatra saingy tsy nanakana kosa ireo mpitolona haneho ny heviny  mikasika ny herisetran'ny polisy izany. Indreto fihetseham-po sasantsasany tao amin'ny Twitter:

Heba El Kayal: Tantara momba ny zavamiseho ankehitriny ao Ejipta mikasika ny fampijalian'ny polisy tafahoatra amin'ny famonoana ahy. Manontany tena aho raha toa ” tafaraikitra” mihitsy #fitsaharan'nyfampijaliana

Nora Shalaby: Shahira mitantara momba ny #herisetra fanao niaretan'ny olo-tsotra teo ambanin'ny fifehezan'ny tafika Ejipsiana #fitsaharan'nyfampijaliana

Leil Zahra Mortada: Maneho hevitra ao amin'ny fivoriana momba ny #fitsaharan'nyfampijaliana ankehitriny ny fianakavian'ny gadra. Fo feno ratra mbola mikomy tanteraka. Ireo vehivavy mahatalanjona! #manohitranyfampijaliana

Andreas Fares: Hitako somary manahirana kely izany fa toa mananihany ato amin'ny Twitter isika ka hisy tokoa ve ny #fitsaharan'nyfampijaliana manodidina izany kanefa mbola tsy misy fampahalalam-baovao ihany koa mitantara izany!

Pejy Facebook mitaky fihetsiketsehana milamina ao Ejypta

Na dia mbola mahazatra hatrany aza ny fampijaliana ao Ejipta dia jere-potsiny, saingy ny tranga fampijaliana izay niseho roa volana lasa teo, raha vitan'ny polisy na ny miaramila ny fampijaliana, dia nandrisika ny Ejipsiana hitaky hiverina ao amin'ny Kianjan'ny Tahrir indray mba hanohy izay lazainy hoe “revolisiona tsy mety mitsahatra”.

Mitondra ny lohateny hoe Zoman'ny Fandraisan'Andraikitra sy Fisokafan'ny Sit ins amin'ny 8 Jolay = Fiafarany ny pejy ao amin'ny Facebook. Ao amin'ny Kianjan'ny Tahrir sy ao amin'ny “kianjan'ny Ejypta manontolo” ny toerana anaovana izany.  Ny tanjon'ny antso ho amin'ny fihetsiketsehana dia:

قدمنا طلباتنا لمجلس الوزراء ، وأمام الحكومة والمجلس العسكرى الى يوم 8 يوليو ، يعنى شهر و 5 ايام لتنفيذ المطالب ، لو لم تنفذ المطالب نازلين للميادين للحساب والاعتصام المفتوح ، ومش هنمشى غير وكل حقوقنا واوامر الثورة تنفذ
Natolotray tamin'ny Minisitera ny fangatahanay. Manana hatramin'ny 8 Jolay ny governemanta sy ny filankevitry ny miaramila, izany hoe iray volana sy dimy andro sisa, mba hamaly izany fangatahana izany. Raha tsy voavaly izany fangatahana izany, dia hihazo ny kianja izahay mba hitaky ny fandraisana andraikitra ary hanao sit ins. Ary tsy hiala izahay raha tsy voavaly ny fitakianay sy ny fitakianay amin'ny fanovana.

Araho hatrany ireo fitantarana momba an'i Ejypta.


Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.