Tantara tamin'ny 11 Jolay 2011
Zambia: Pastora Mampiasa ny Facebook Mba Hitoriana Filazantsara
Ny Matio 28: 19 no mibaiko ireo rehetra nantsoina hanely n y filazantsaran'Andriamanitra, “Mandehana ka ataovy ho mpianatra ny firenena rehetra…” Mampiasa ny fomba rehetra sy ireo seha-pifanakalozan-dresaka anaty aterineto mba hitoriana teny ireo mpitory filazantsara Zambiana. Niaraka tamin'ny fahatongavan'ireo tambajotra toy ny Facebook, misy amin'ireo pastora be ketrika sy...
Makedonia: Fijery ivelan'ny firenena mikasika ny hetsika fanoherana ny herisetra ataon'ny polisy
Manoratra mikasika ny fomba fahitan'ny olona avy any ivelany ny fanoherana atao amin'ny herisetra ataon'ny polisy any Masedonia i Filip Stojanovski .
Ejipta: Fahatsiarovana ny Tolona Manohitra ny (rafitra) Fampijaliana
Raha manamarika ny andro iraisam-pirenena manohitra ny Fampijaliana izay nitontona ny 26 jona teo izao tontolo izao, dia nitodika tao Ejipta avokoa ny maso, satria misy dikany manokana ho an'ny olona ao ny tolona natao hanoherana ny fanararaotam-pahefana ny olom-pirenena. Nandritra ny telopolo taona izay dia tsy nitsahatra ny nampiasa ny sampam-piarovana : ny...
Syria: Manao Hetsika Ho An'i Anas Maarawi ny Bilaogera
Anas Maarawi no bilaogera Syriana farany naiditra am-ponja. Nosamborina tao an-tanànany ao Kafarsouseh ao Damas izy ny 1 Jolay 2011, ka tsy nahenoam-baovao intsony ny momba azy nanomboka teo. Bilaogera fanta-daza ao Syria sy any ivelany i Anas. Ankoatra ny bilaoginy manokana Anas Online, dia misahana bilaogy momba ny haitao sy tetikasa maromaro...
Malezia: Maro Indray no Voasambotra Talohan'ny Fikarakaràna Famoriam-Bahoaka
Marobe be indray izao ny olona nosamborina noho ny fanohanana ny Famoriam-bahoaka Bersih 2.0 izay nokasaina hatao ny 9 Jolay 2011. Ny sasany nosamborina fotsiny satria hoe nitafy ankanjo bà Bersih. Ny famoriam-bahoaka Bersih, izay nambaran'ny governemanta fa tsy ara-dalàna, dia nokarakaraina hitakiana fifidianana mangarahara sy madio.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...