- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Nahemotra ny Fitsarana Ireo Namono An'i Khaled Saeed

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fanoherana, Lalàna, Politika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana ny Revolisiona ao Ejipta 2011 [1] ity lahatsoratra ity.

Khaled Saeed, tovolahy avy any Alexandria nambara fa maty [2] teo am-pelatanan'ireo mpitandro filaminana tamin'ny volana Jona raha araka ny tatitra, dia lasa sary famantarana ny Revolisiona ao Ejipta. Nandrehitra ny tsy fahafaliana teo amin'ireo tanora Ejiptiana nandritra ireo herinandro lasa ny famonoana azy,  nahatonga ny sarin'ny vatany voavely mafy hiodina be tao amin'ny aterineto nitondra nankamin'ny revolisiona

Na teo aza ireo antsom-pahatezerana mihamafy mba hitondràna izay namono an'i Saeed ho eny amin'ny fitsaràna, nanemotra ny valim-pitsarana mikasika ireo mpitandro filaminana voampanga ho nidaroka an'i Saeed ho amin'ny 24 Septambra 2011  ny Fitsarana Ny Ady heloka any Alexandria.

Maro ireo mpanohana sy mafana fo izay mandeha avy any Kairo mankany Alexandria mba hanatri-maso ny fitsarana. Ireto misy fihetseham-po vitsivitsy momba ity fanemorana ity, taorian'ny fanakànana azy ireo tsy hiditra tao amin'ny lapan'ny fitsarana.

Aymen Mohyeldin avy amin'ny Al Jazeera , izay nanatrika ny fitsarana, dia mamafy ny vaovao [3] anatinà tweet:

@AymanM: nahemotra ho ny 24 Septambra ny valim-pitsarana mikasika ny raharaha #KhaledSaid @AJEnglish @ajbreakingnews.

Manazava [4] lalindalina kokoa izy:

@AymanM: nahemotra ny valim-pitsarana mikasika ny raharaha #KhaledSaid satria ireo tatitra tena izy dia mampiseho mazava ny mifanohitra amin'izay nisy miaraka aminà porofo vaovao. Izany dia mety hidika fanasaziana mbola goavana kokoa.

Miampy hoe [5]:

@AymanM: Ny fitoriana ireo mpitandro filaminana izay namono an'i #KhaledSaid dia mety efa niampy ny famonoana olona tsy nahy sy fampijaliana amin'izao fotoana izao @AJEnglish.

Namarana izany [6] izy:

@AymanM: Ny porofo vaovao midika sazy vaovao. Ireo vesatra teo aloha dia mety hahazo fanasaziana 7 ka hatramin'ny 15 taona fotsiny fa ireo vesatra vaovao kosa dia mety ho sazy mandram-pahafaty na fanamelohana ho faty.

Wael Ghonim, ny mpandrindra ny pejy Izahay dia Khaled Said Avokoa ao amin'ny Facebook, izay tena nipariahan'ilay tsy fahafaliana tamin'ny famonoana an'i Saeed, dia niantso [7] fahatoniana:

@Ghonim: Soso-kevitro ny hoe tokony ho tony isika rehetra ary hiandry mandra-pahazoantsika vaovao avy amin'ny mpisolovava an'i #KhaledSaid.

Nisy dikany io soso-kevitra io satria manamarika [8] i Lilian Wagdy fa ny mpisolovavan'ny fianakavian'i Saeed no nangataka ny fanemorana ny fitsarana:

Ny mpisolovava essam sadany ao amin'ny ekipan'ny fiarovana dia nilaza fa nahemotra noho ny fangatahan'izy ireo ny valim-pitsarana #khaledsaid.

Ary manamarina [9] izany i El Mansi [ar]:

تأكيد:من محامي عائلة خالد سعيد التأجيل كان بناء علي طلبهم لاعاده واصلاح التقرير الفاسد #khaledsaid رتويت
@elmansi: Fanamafisana: ny mpisolovavan'i Khalid Saeed dia niteny fa nanao ny fangatahana fanemorana ny fitsarana izy ireo mba hamerenana manoratra sy hanitsiana ilay tatitra tsy nety. Miangavy anao hamerina hi-tweet
[10]

Ireo mpanohitra teo ivelan'ny Fitsarana ao Alexandria tamin'ity maraina ity. Sarin'i Gigi Ibrahim

Tany ihany koa i Gigi Ibrahim ary manamarika [11]:

@Gsquare86: nanao hetsika teo amin'ny fitsarana,  endrika maro efa nahazatra tamin'ny fanohanana an'i #khaledsaid http://yfrog.com/klydpzsj

Mizara [12] sarin'ny fitangoronana teo ivelan'ny fitsarana i Sarrah ary mitsikera:

[13]

Ireo mpanohitra niantsoantso teo ivelan'ny fitsarana. Sarin'i Sarrah

@sarrahsworld: At the #khaledSaid court ruling. Ppl chanting same3 om shahid betnady, men yegebly 7a2 welady. http://yfrog.com/h31xutcj

@sarrahsworld: Nandritra ny fanapahan'ny fitsarana momba ny raharaha #khaledSaid. Miantsoantso mafy ny vahoaka “Henoko ny feon'ny renin'ilay maritiora miantso hoe: Iza no hitondra amiko ny famaliana ny zanako?”

Ary Dima Khatib, izay nandeha avy tany Kairo nankany Alexandria ihany koa, mitoraka tweet [14]:

@Dima_Khatib: Miantsoantso eo ivelan'ny fitsarana: “Mianiana amin'ny anaran'ireo maritiora izahay fa manomboka indray ny fiovàna”

Anatinà tweet iray hafa, manamarika [15] izy:

@Dima_Khatib: Lehilahy miaraka aminà takela-by: “Manome ireto tolotra manaraka ireto ny Minisitry ny Atitany: vonoy aho misaotra anao, ampijalio aho misaotra anao, dakao aho misaotra anao. Antsoy fotsiny ny 122″ !

Ary manampy [16]:

@Dima_Khatib: Hetsika kely manakaiky ny fitsarana, eo amin'ny toerana izay ibahanan'ireo FIARA MIFONO VY ny arabe mihitsy. “Ohatrinona no nanaramàna anao handatsahan-drà ireo maritiora ry A/toa Tantawi”?!! #khaledsaid.

Ny Zandary Mohamed Hussein Tantawi no lehibe mpibaiko ny Tafika Ejiptiana ary Filoha tsy lanim-bahoakan'ny Fanjakan'i Ejipta hatramin'ny fanalàna ny filoha Hosni Mubarak.

Tany ihany koa i Ramy Raoof, mafàna fo mpiaro zon'olombelona, nanao izay ho afany. Nitatitra mivantana [17] ireo hetsi-panoherana teo ivelan'ny Fitsarana Ny Ady Heloka any Alexandria i Raoof.

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana ny Revolisiona ao Ejipta 2011 [1] ity lahatsoratra ity.