- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rosia: Nipoitra Indray Ilay Fikambanana Mpanao Asa Soa “Nanjavona”

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Vonjy Voina, Zavakanto & Kolontsaina, Akon'ny RuNet

Tena nanohina ny fo ny fahaizan'ny Praiminisitra Rosiana Vladimir Putin nilalao piano sy nihira ilay hira [1] “Blueberry Hill” tamin'ny fampisehoana ho an'ny asa fanaovan-tsoa natao tamin'ny volana desambra 2010 saingy  nosembanin-drahona izany noho ny fiampangana ny [2] Fikambanana  Federaciya’ (Federation) ho mikasa hanjavona [2] miaraka amin'ny vola voaangona nandritra io fampisehoana io.

Tsotra ny manao tsoa-kevitra fa tafiditra anisan'ny lisitra mainty ny lazan'izany fikambanana izany. Saingy, niseho indray ny Federaciya, nanao dokambarotra amin'ny alalan'ny afisy vaovao [3] tao afovoan-tanànan'i Moskoa.

Fampisehoana ho an'ny asa fanaovan-tsoa hafa indray no hita ao amin'ny afisy, izay hotontosaina amin'ny  9-10 jolay 2011, ary manasongadina olo-malaza toa an'i Larry King, Woody Allen, Kevin Costner, Francis Ford Coppola ary ny hafa koa.

Tantara miverina?

One of the Federaciya posters featuring Sophia Loren. Photo by Stepan Yakovlev. [3]

Iray amin'ireo petandrindrina an'i Federaciya, misy ilay mpihira malaza Sophia Loren. Sary avy amin'i Stepan Yakovlev.

Tsy atao hahagaga raha miahiahy ny mety hiverena n'ny zavatra efa niseho teo aloha indray ny Bilaogera Rosiana,  satria noho ny fikirizan'ny mpiserasera sy ny mpanao gazety ihany vao tonga any amin'ny zaza marary nolazaina hanolorana azy ny vola voaangon'ilay fikambanana mpanao asa soa.

Bilaogera amapai nanome ny heviny [4]:

У Ларри Кинга есть свой The Larry King Cardiac Foundation. Я полагаю, что если внятно и понятно объяснить им, во что вылилась предыдущая акция, то слова будут услышаны.

Manana ny Fikambanana mpanao asa soa misahana ny aretim-po azy manokana i Larry King. Mino aho fa izay no fanazavana iray nahatonga ilay zavatra efa nitranga teo aloha, misy teny ho re izany.

“Azonao atao ihany koa ny manontany azy ao amin'ny Facebook,” hoy i [5] LJ_dkuraev ary nametraka rohy momba an'i Larry King ao amin'ny CNN izy.

Raha mijery ny lisitr'ireo olo-malaza nasaina i drugalev, dia naneho [6] hevitra mahaliana toy izao:

OЧЕНЬ любопытно присутствие среди приглашенных актёра Энди Гарсия. Именно он сыграл Саакашвили в недавно вышедшем прогрузинском фильме “5 дней августа”.

TENA MAHALIANA tokoa izany mahita an'i Andy Garcia ao anatin'ireo olo-malaza nasaina. Izy no nilalao an'i Saakashvili [Filohan'i Georgia] tamin'ny sarimihetsika manohana ny Zeorziana “Five Days of War.” [7]
Bilaogera hafa leo_nardo namaly [8] hoe: “matihanina izy [Garcia]. Ny vola no tena katsahiny.”

Ny antenaina dia mba hiezaka hanarina ny laza ratsiny ary hanolotra haingana ny vola voaangony amin'ny fampisehoana ho an'izay iantefan'izany ny Federaciya .

Raha tsy izany, eo ireo bilaogera Rosiana hanao fanairana ka hisoroka ny fanjavonan'ny vola voaangona ho lasa any ampaosin'ny sasany.

Hajian-tSary mampiseho an'i Vladimir Putin mihira ilay “Blueberry Hill”, sombina lahatsary [9] nalefa tao amin'ny YouTube avy amin'ny Rosiana androany.