Andron'ny Valantserasera PTY ao Panama

Tamin'ny Alakamisy 30 Jiona 2011, natao tao Panama ny fankalazana ny andron'ny Valantserasera. Araka ny fanazavan'ny tranokala SocialMediaPTYmilaza izao:

El Social Media Day es un evento que se realizará mundialmente, hasta ahora en 1374 ciudades alrededor del planeta. Es muy interesante ver todo lo que está generando esta celebración en todos lados, y afortunadamente Panamá también está haciendo bulla con nuestra propia celebración el Social Media Day Panamá, en Twitter seguido bajo el hashtag #SMDayPTY.

Hetsika manerantany ny andron'ny Valantserasera izay ankalazaina androany, ao amin'ny tanàna 1374 manerana izao tontolo izao. Mahaliana ny mahita izay miseho sy atao mandritra izany fotoam-pankalazana izany manerantany, ary nahafinaritra fa anisan'ny nankalaza izany ihany koa i Panama tamin'ny Twitter antsika manokana amin'ny fankalazana ny Andron'ny Valantserasera ao Panamá , arahina teny fototra hoe #SMDayPTY.

Mpanatrika ny hetsika, sary nahazoan-dalana avy amin'ny@monosg

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Tsy nandiso fanantenana ny fahatongavan'ireo mpisiokantserasera sy bilaogera. Fiarahana mifamaly mahafinaritra nandritra ny fotoana ary narahina fandraisana anjara betsaka, natao tao amin'ny Ciudad del Saber, Ivontoeram-pivoriana.

Nahafa-po tanteraka ny fikarakarana ny hetsika ary tsara dia tsara ihany koa ny fifandraisana amin'ny alalan'ny Wi-fi izay niteraka tweet marobe avy ao an-toerana misy ny hetsika, izay ahitana ireo mpandray anjara nanasongadina ireo teboka lehibe indrindra tamin'ny fihaonana ary naneho ihany koa ny fahafaham-pon'izy ireo tamin'ny hetsika.

Anisan'izany i Edson Gómez (@BaRulaCo) izay ni-tweet ny mety ho zava-dehibe ny fitarihan-dalan'i Juan Cruz Soares (@monosg) ka ho azy:

#SMdayPTY @monosg: “siempre ponganse del lado de las personas que los va a leer”

#SMdayPTY @monosg: “eo anilan'ny vahoaka liana hamaky hatrany
Leilani Gonzalez (@Le1laini) izay namehy ny sombiny tamin'ny lesona amin'ity tweet manaraka ity:

“La técnica está por encima de la plataforma. La creatividad está por encima de la tecnología.”

“Nisongadina teo amin'ny sehatra ny Teknika. Nisondrotra ambonin'ny teknolojia ny fahaiza-mamorona.”

Nahazoako tombony ny fanatrehana ny hetsika ka feno herim-po sy fanamby aho niala tao. Nahazo sombiny tamin'izany aho ka nalefako tamin'ny bilaogiko manokana Contrapunto:

Tomando en cuenta que hoy en día manejar la red es un asunto vital me sentí muy orgulloso de ver cómo se levanta una nueva ola de jóvenes (y no tan jóvenes) interesados en hacer las cosas de una forma diferente, aprovechando el estar vivos en el 2011. Ya va siendo hora que nuestra presencia en el mundo virtual marque una diferencia para Panamá en el mundo real.

Tsy azo hamaivanina ankehitriny ny fampiasana aterineto izay zavatra iray tena ilaina eo amin'ny fiainana , mahatsiaro tena afa-po aho mahita ny fisian'ireo  andian-tanora vaovao (sy ny vatombatony)  liana amin'ny fanaovana zavatra isan-karazany, manetsiketsika ny taona 2011. Izao no Fotoana hisehoantsika eo amin'ny tontolon'ny serasera ka hanamarika ny fiavahan'i Panama ao anaty tontolo tena izy.

Nanao ny tsoa-keviny manokana ihany koa ny tranokala Ciudad del saber:

Es por eso que se acabó la era en que las grandes compañías hablan y la gente escucha; ahora la gente tiene su voz y es a través de las redes sociales donde se escuchará.

Izany indrindra no antony maha-tapitra hatreo ny fotoanan'ny orinasa elhibe no miteny dia ny vahoaka kosa mihaino; ankehitriny, efa manana ny feony ny vahoaka ary amin'ny alalan'ny tambajotra sosialy (valantserasera) no haharenesana ny feony.

Fehiny, fahombiazana tanteraka eo amin'ny endriny rehetra ny Andron'ny Valantserasera. Azo antenaina fa hampiharina ny lesona ary hanana mpisera tambajotra sosialy marobe sy tsara indrindra isika eto Panama . Argenis Bolivar (@argenisbolivar), iray tamin'ireo nandray anjara fitenenana tamin'ny hetsika, no ni-tweet taorian'ny fandraisany fitenenana:

http://ow.ly/i/dHom éxito total #SMDayPty, con quien tenemos q hablar para pedir el estadio nacional para el 2012? Gracias a todos!! #smday

http://ow.ly/i/dHom fahombiazana tanteraka #SMDayPty, izay tsy maintsy ho resahintsika ny hahazoana ny kianjabe eto an-toerana amin'ny taona 2012? Misaotra ny rehetra!! #smday

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.