Tantara tamin'ny 09 Jolay 2011
Andron'ny Valantserasera PTY ao Panama
Tamin'ny Alakamisy 30 Jiona 2011, natao tao Panama ny fankalazana ny andron'ny Valantserasera. Araka ny fanazavan'ny tranokala SocialMediaPTYmilaza izao: El Social Media Day es un evento que se realizará mundialmente, hasta ahora en 1374 ciudades alrededor del planeta. Es muy interesante ver todo lo que está generando esta celebración en todos lados,...
Iran: Antoko Maitso, Tontolon'ny Demokrasia Sy Ireo Fomba Ratsy Efa Nilaozan'ny Toetr'andro
Roa taona taorian'ny fihetsiketsehana izay nitranga tany Iran, dia tsy nihonona fotsiny tamin'ny anjara toerany amin'ny maha-fandefasan-baovao ny aterineto, fa koa nanaitra ny fampianarana ny demokrasia avy ao anatin'ireo hetsiky ny fanoherana amin'ny alalan'ny fanaraha-maso sy fandanjalanjana. Lahatsoratr-i Fred Petrossian .
Zambia: Ahoana no hahatsiarovana an'i Chiluba?
Ahoana no hahatsiarovana an'i Chiluba? Izany no fanontaniana iadian'ireo mponina Zambiana amin'ny aterineto hevitra ao amina tambanjotra maro samihafa. Saika hita taratra eny amin'ny fitenin'ny Zambiana tsirairay ny resa-mandeha mikasika ny fahafatesan'ny filoha teo aloha sy ny fahamarinany izay manambara fa ny andro iray hahafatesan'ny elefanta dia izay no resaka ao an-tanàna.
Rosia: Nipoitra Indray Ilay Fikambanana Mpanao Asa Soa “Nanjavona”
Tena nanohina ny fo ny fahaizan'ny Praiminisitra Rosiana Vladimir Putin nilalao piano sy nihira ilay hira “Blueberry Hill” tamin'ny fampisehoana ho an'ny asa fanaovan-tsoa natao tamin'ny volana desambra 2010 saingy nosembanin-drahona izany noho ny fiampangana ny Fikambanana Federaciya’ (Federation) ho mikasa hanjavona miaraka amin'ny vola voaangona nandritra io fampisehoana io....