Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Makedonia: Fivorian'ny Antenimiera Vaovao Manamafy Orina ny Fandresen'ny Antoko Vaventy

Nanatontosa  ny fivoriany voalohany tamin'ny Asabotsy 25 jiona 2011 teo ny Solombavambahoaka Masedoniana voafidy farany teo. Ny firafitr'io Antenimiera io dia mampiseho ny fironana mankamin'ny fivangogoam-pahefana miaraka amin'ny fihenan'ny mpandray anjara politika, izay mampanantena  “mihoatra noho ny” karazana fanao politika nandritra ny taona vitsivitsy farany.

Eo amin’ny 2 tapitrisa eo ho eo ny isan’ny Masedoniana, izay isoloan'ny solombavambahoaka 123 tena. Tsy mifandrindra araka ny safidim-bahoaka loatra ny firazana ny seza ao amin’ny Parlemanta. Araka ny nohazavain'ny Global Voices farany teo, dia mitsinjara anaty fari-pifidianana sivy ny mpifidy, ka misy ny safidy manandanja kokoa noho ny hafa. Aorian’ny fanisana ny vato dia zaraina araka ny fomba D'Hondt ny seza.

Screenshot of the website of the Parliament of the Republic of Macedonia, June 27, 2011

Tamin’ny Alatsinainy 27 Jona, ny andro fahatelo taorian’ny nandrafetana ny parlemanta, mbola tsy nampilazana mikasika ity firafitra ity ny tranonkala . Raha ny marina, dia tokony roa volana aty aoriana ny vaovao farany .

Nohamafisin’ny fiarahamonina iraisampirenena  ny valim-pifidianana tamin’ny 5 jiona: ny antoko mitondra VMRO-DPMNE sy ny DUI no nahazo vato be indrindra, ny voalohany rafetin'ny “foko-Masedoniana sy ny vondrona hafa,” ary ny notononina farany dia ao amin’ny “vondrom-poko Albaney.” Voakenda hiara-handrafitra ny governemanta vaovao izy ireo.

Fantatra fa tamin’ireo antoko politika/vondrona 18 izay nandray anjara tamin’ny fifidianana, dia 5 fotsiny ihany no nahatafiditra tao amin’ny  Parlemanta:

  • Ny antoko mitondra VMRO-DPMNE sy ny mpiara-dalana aminy (antoko foko Masedoniana, Roma, Vlach, Tiorka, Serba, ary Bosniak ) nahazo seza 56 (latsaka fito noho ny tamin'ny fifidianana farany, na dia efa nahazo seza diaspora 3 fanampiny ).
  • Ny antoko mpanohitra SDSM sy ny mpiaradia aminy (Antoko foko Masedoniana, Roma, Vlach, Tiorka, Serbia, ary Bosniak) nahazo seza 43 (nahitana fitomboana seza 15 raha oharina tamin'ny fifidianana farany).
  • Ny antoko mitondra DUI (foko Albaney) nahazo seza 15 (nihena 3)
  • Ny antoko mpanohitra DPA (foko Albaney) nahazo seza 8 (nisy fihenana 3 ihany koa).
  • Ny antoko  Demokratika Nationaly Vaovao izay niforona vao haingana (na Rebirth, foko Albaney ihany koa) nahazo seza 2.

Zharko Trajanoski nanoratra momba ireo “tena voa mafy indrindra”:

  1. VMRO-Antokom-bahoaka (VMRO-NP) nahazo vato 28,217 ary tsy nahazo solombavambahoaka.
  2. Demokratia vaovao nahazo vato 19,958 ary  tsy nahazo solombavambahoaka.
  3. Miray ho an’i Masedoniana (OM) nahazo vato 17,081 ary tsy manana solombavambahoaka.
  4. Antoko Liberaly Demokratika (ALD) nahazo vato 16,551 ary tsy manana solombavambahoaka.
  5. Antoko Mendrika Politika (PPD) nahazo vato 8,837 ary tsy manana solombavambahoaka.

Nahazo vato 90000 ireo antoko politika dimy ireo ary tokony «mahazo » solombavambahoaka folo. Raha iray ihany ny fari-pifidianana nisy [ fa tsy sivy], dia mety nahazo solombavambahoaka 9 ny VMRO, ny Demokratia Vaovao-solombavambahoaka 2 “; ny OM solombavambahoaka 1; ny LDP solombavambahoaka iray ihany koa, ary ny Antoko Mendrika izay saiky tsy nahazo seza ihany koa. Vokatr'izany, eo amin'ny 106,000 eo ho eo no karazan'ny vato maty,  ho an'ny antoko izay tsy manana solontena ao amin'ny Antenimiera. Ny trondro vaventy izany no mihinana ny trondro kely, ka mahazo farafahakeliny 11-12 solombavambahoaka izay tsy tokony ho azy. Hoy aho hoe “farafahakeliny” satria ny  Nationaly Demokratika Vaovao nahazo seza 2, na dia solombavambahoaka 3 aza no tena “lanjany” tamin'ny vato azony.

Mety nandresy ireo “resy” raha toa ka nanao ny fikambanana ho azy manokana na niditra tamin'ny vondron'antoko efa misy. Ny tarigetram-pifidianana Masedoniana ho an'ny antoko madinika dia ny teny filamatra hoe “Miditra anaty vondron'antoko na Manjavòna!”

Araka ny nambara tamin'ny GVO, mitaky ny fahamarinana sy ny fampitaharana ny herisetran'ny polisy sy mihaona amin'ireo solombavambahoaka teo aloha amin'ny alalan'ny fihetsiketsehana izay nanodidina ny Antenimiera ny vahoaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.