Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Jona, 2011

Tantara tamin'ny Jona, 2011

28 Jona 2011

Mampahafantatra ny Bilaogera Malaza Indrindra any Brunei

Raha nankalaza ny faha 8 taona [namahanam-bolongana?] ny ilay bilaogera ao Brunei RanoAdidas ny volana lasa teo, voatantara tsara tamin'ny fampahalalam-baovao lehibe izany hetsika izany. Marika tsy noho ny lazany amin'ny maha bilaogera azy ihany izany fa noho ny fahombiazany tamin'ny fampandrosoana ny valantserasera tao  Brunei ihany koa. Manaiky ny...

Ségou Villages Connection: Tonga Ao Ambanivohitr'i Mali

Rising Voices

Boukary Konaté, tetikasa ” Aterineto ao Ambanivohitr'i Ségou” tohanan'ny Rising Voices, no nanararaotra nampahafantra izany nandritra ny Lanonana iraisam-pirenena momba ny Hairafitrano izay natao tao Pérouse, ao Italie ny voalohan'ny herinandro volana jona. Ny lohahevitra”Mali : raha mitondra amin'ny fandrosoana ny vonjimaika“, notohanan'ny  Fikambanana Eland (Soisa) izany, izay notanterahina tamin'ny 2 jiona 2011....

Ejypta: Taom-polo Nahazotoana Niserasera Niandian-kevitra Tao amin'ny Tweet Nadwa

Nanjary lasa fotoana isan-kerinandro ny zavatra efa natao, nihaona fanindroany indray ireo Ejipsiana mpitsiokantserasera amin'ny alalan'ny Twitter mitarika adihevitra fantatra amin'ny anarana hoe Tweet Nadwa (famoriam-bahoaka). Taorian'ny fahombiazan'ny fiodinana voalohany izay nifantoka indrindra momba ny resaka islamista, ny amin'ny fomba fahitana azy ireo ao anatin'ny fiaraha-monina Ejysiana sy ny vinavinan'izy ireo...

Syria: Ny Revolisiona sy ny Toekarena

Tato anatin'ny 100 andro; tsy nandroso tsy nihemotra ny toekarena tao Syria. Ny vanim-potoanan'ny fizahantany vao mitsidika io dia tsy mamelom-panantenana.Fanampin'izany, an'aliny ireo Siriana velon'ahiahy ka namadika ny tahiriny hiala amin'ny "Syrian pounds" hanjary dolara amerikana na Euros, nahatonga ny vola Siriana hizaka tsindry mavesatra.

Ukraine: Fahatsiarovana sy sarin'i Chernobyl tamin'ny volana Aogositra 1986

Akon'ny RuNet

Nigadona tany amin'ny Orinasa Famokarana Angovo nokleary any Chernobyl ny mpampiasa LJ av-strannik , i Aleksandr Strannik , monina any Mosko, tamin'ny tapaky ny volana Aogositra 1986, efa-bolana teo ho eo taorian'ny fipoahan'ny fitaovana fampandehanana #4 ny 26 Aprily, hanatrika ny ezaka fanadiovana amin'ny maha injeniora amin'ny fitsofana azy. Dimy...

Japana: Ny Hazakazaka Fiarakodia Amin'ny Alina Ho Kolotsaina Vaovao

Tsy zavatra ampifandraisin'ny olona matetika amin'ny fiainana amin'ny alina sy ny zanan-tsampan'ny kolotsaina ny hazakazaka fiarakodia, tsy izany kosa ny an'ireo mpikambana ao amin'ny vondrona Mpihazakazak'i Tokyo amin'ny Misasak'alina (MRT). Namolaka ny làlan'i Tokyo ry zareo ireto amin'ny alin'ny faran'ny herinandro; fotoana izay tsy eritreretin'ny ankamaroan'ny olona hanaovana hazakazaka fiarakodia...

Kroasia: Fankatoavana Ho Isan'ny Mpikambana Ao Amin'ny Vondrona Eorôpeana

Ny 10 jona 2011, nahazo fankatoavana ho isan'ny mpikambana vaovao ao amin'ny vondrona Eorôpeana i Kroasia. Mbola lavitra anefa ny làlana ho an-dry zareo Kroaty vao tena tafapetraka amin'ny fomba ôfisialy ao amin'ny vondrona Eorôpeana, ary tsy mbola voafaritra mazava, sy mbola mampametraka ahiahy maro. Taterin'i Miquel Hudin .

27 Jona 2011

Aostralia: Mpanao gazety nosamborina noho ny sary tamin'ny Facebook

Aostraliana iray mpanao gazety voasambotra ary iPad nogiazana! Tsia, tsy i Julian Assange akory. Saingy ny fihaonana fohy teo amin'i But Ben Grubb sy ny manampahefana tao Queensland dia niteraka olana maro momba ny cyber ka isan'izany ny mikasika ny fiainana manokana sy ny fitoniana ho an'ireo fampahalalam-baovaon'olon-tsotra, ny fahefan'ny...

Syria: “Manohana an'i Bashar izahay Koa Aza Helingelenin'izao Tontolo Izao”

Halan'ny olona rehetra i  Bashar El-Assad. Halan'ny lehilahySyriana izy. Halan'ny vehivavy Syriana izy. Na dia ny lehilahy zavoto Amerikana mahita azy ho toy ny vehivavy Syriana mitia vehivavy aza, dia mankahala azy ihany koa. Kanefa, marina tokoa ve fa tsy mankahala azy mafy toy izany ny Syriana sasantsany araka ny fihevitsika?...

Makedonia: Repoblika Twitter .mk

Mitohy ny Fihetsiketseham-panoherana ao Makedonia, raha mbola mandà na dia ny hiresaka izay tadiavin'ny olona amin'ny fangaraharana, andraikitra politika ary ny fanajanonana ny herisetra ataon'ny polisy fotsiny ihany aza. Tamin'ny alahady, dia nisy sarim-pamantarana vaovao nasehon'ny mpanao fihetsiketsehana sasany: Sainam-pirenena Masedoanina misy sary famantarana Twitter ao aminy, ho fahatsiarovana ny...