- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Libia: Sarin'ny fotoana mampanembona sy manankarena ary manantantara

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Libia, Mediam-bahoaka, Politika, Sakafo, Tantara, Teratany, Tsidika, Zavakanto & Kolontsaina

Anankiray amin'ireo lahatsoratra manokana momba ny Fanoherana any Libia 2011 [1].

Mpilatsaka an-tsitrapo terantany Anglisy-Libaney izay mpanoratra fantatra amin'ny solon'anarana hoe Amal Al-Leebi nandefa sary tao amin'ny kaonty twitter @libyansrevolt [2], sary tranainy nanembonany an'i Libia nalainy nandritra ny fitsidihana farany nataony tany, hanehoany ny fahatsiarovany an'ity firenena ity.

@libyansrevolt [3]: Vao mijery fotsiny ny sarin'i Libia taloha nandritra ny fitsidihana nataoko tany…

Arch of Marcus Aurelius in Tripoli Libya [4]

Tsangambaton'i Marka Aoreliosy ao Tripoli amin'ny andro alina. Sary avy amin'i @libyansrevolt.

Natombony amin'ny sary nalainy tany amin'ity tanàna manamoron-dranomasina ity [5] ao Tripoli – sary mampiseho ny tsena izay ahitana mpivarotra anam-bazaha [6] eny amin'ny sisin-dalana, mpanefy vy fotsy [7] eny anelakelan-trano na ny “Zangas” ao amin'ny faritra tranainy, ary na dia ireo mpivarotra atody aostrisa  [8] aza.

Fanampin'ireo rehetra ireo, mizara sary hafa amintsika koa izy izay mampiseho ny lafiny ara-tantaran'ity firenena ity, tahaka ny Rovan'i Ottoman Al-Saraaya Al-Hamra [9] (Ny Rova Mena) izay hita ao Tripoli, izay ahitana koa ny tranombakoka an'ny firenena [10] mitana ny rafitra rômana, môzaika sy ny sikotra ao aminy.

Sary hafa koa mampiseho ny eson-teny tsy fitiavana an'i Gaddafi [11] saika hita manerana ny tanàna, Ny zaridainan'ny maritiora, izay vao novan'ni Gaddafi ny anarany ka nataony hoe Zaridaina Maitso [12].

Ousban - A famous Libyan dish [13]

Ousban, sakafo libiana mitovy amin'ny haggis misy masiaka. Sary nalefan'i @libyansrevolt.

Ho any Leptis Magna [14] isika izao, izay tanànan'ny fanjakana rômana fahiny, ka ny sisa tavela amin'izany dia hita ao Al Khamus, 130Km any andrefan'i Tripoli, manamorona ny sisindranomasina ao Wadi Lebda. Naka [15] sary [16] betsaka [17] tao izy, sarin'ny rindrina sisa tavela:

[18]

Ny Colisée Leptis Magna Libda, zavatra fahita natao tsy hahavery any amin'ireo faritra maro any Mediteraney. Sary nalefan'i @libyansrevolt.

Leptis Magna dia anisan'ireo vakoka iraisam-pirenena an'ny UNESCO, ary izay no antony nahatonga an'i Amal hanoro hevitra ny mba hitsidihanao azy ity [19] raha sendra mba mandalo any Libia ianao, nampiany [20] hoe koa: “Raha misy fahasimbana ny toerana tahaka itony dia tsy maintsy manolo na saziana izay nanimba”.

[21]

Moske taloha – Efa nisy hatramin'ny taona 668. Sary avy amin'i @libyansrevolt.

Avy eo nampiany ny sarin'ny toeram-piompiana an'ny dadatoany [22], ny efitr'i Libia [23] miaraka amin'ny havoanam-pasika [24], ny voanio [25]ny [26] rian-drano sy ny tanàna natao tamin'ny fotaka efa aman-jatony taona maro [27].

[28]

Faritra maitso GaberOun ao afovoan'ny efitry Libia. Masira noho ny ranomasina maty ity rano ity ! Mitsingevana fotsiny ianao ao ! Sary nalefan'i @libyansrevolt.

[29]

Qasr Elhaj, trano fitehirizana ambony rihana jerena avy ao anatiny ao Jebel Nafusa [30]. Sary avy amin'i @libyansrevolt.

Farany, naka sary avy ao amin'ny toerana iray any an-tendrombohitra izy, sary izay mampiseho ny zava-kanto ao amin'ny lakavy  [31] izay efa nisy hatramin'ny taona 5,000 ~ 10,000 talohan'i Kristy. Nampiany fa maro be ny lakavy nolokoina tahaka itony tamin'ny andro taloha be, indrindra ny ao Antendrombohitra Acacus [32], izay, indrisy, fa nosimbana tamin'ny soratra fametaka amin'ny rindrina ny sasany amin'izy ireny [33].