Anankiray amin'ireo lahatsoratra manokana momba ny Fanoherana any Libia 2011.
Mpilatsaka an-tsitrapo terantany Anglisy-Libaney izay mpanoratra fantatra amin'ny solon'anarana hoe Amal Al-Leebi nandefa sary tao amin'ny kaonty twitter @libyansrevolt, sary tranainy nanembonany an'i Libia nalainy nandritra ny fitsidihana farany nataony tany, hanehoany ny fahatsiarovany an'ity firenena ity.
@libyansrevolt: Vao mijery fotsiny ny sarin'i Libia taloha nandritra ny fitsidihana nataoko tany…
Natombony amin'ny sary nalainy tany amin'ity tanàna manamoron-dranomasina ity ao Tripoli – sary mampiseho ny tsena izay ahitana mpivarotra anam-bazaha eny amin'ny sisin-dalana, mpanefy vy fotsy eny anelakelan-trano na ny “Zangas” ao amin'ny faritra tranainy, ary na dia ireo mpivarotra atody aostrisa aza.
Fanampin'ireo rehetra ireo, mizara sary hafa amintsika koa izy izay mampiseho ny lafiny ara-tantaran'ity firenena ity, tahaka ny Rovan'i Ottoman Al-Saraaya Al-Hamra (Ny Rova Mena) izay hita ao Tripoli, izay ahitana koa ny tranombakoka an'ny firenena mitana ny rafitra rômana, môzaika sy ny sikotra ao aminy.
Sary hafa koa mampiseho ny eson-teny tsy fitiavana an'i Gaddafi saika hita manerana ny tanàna, Ny zaridainan'ny maritiora, izay vao novan'ni Gaddafi ny anarany ka nataony hoe Zaridaina Maitso.
Ho any Leptis Magna isika izao, izay tanànan'ny fanjakana rômana fahiny, ka ny sisa tavela amin'izany dia hita ao Al Khamus, 130Km any andrefan'i Tripoli, manamorona ny sisindranomasina ao Wadi Lebda. Naka sary betsaka tao izy, sarin'ny rindrina sisa tavela:
Leptis Magna dia anisan'ireo vakoka iraisam-pirenena an'ny UNESCO, ary izay no antony nahatonga an'i Amal hanoro hevitra ny mba hitsidihanao azy ity raha sendra mba mandalo any Libia ianao, nampiany hoe koa: “Raha misy fahasimbana ny toerana tahaka itony dia tsy maintsy manolo na saziana izay nanimba”.
Avy eo nampiany ny sarin'ny toeram-piompiana an'ny dadatoany, ny efitr'i Libia miaraka amin'ny havoanam-pasika, ny voanio, ny rian-drano sy ny tanàna natao tamin'ny fotaka efa aman-jatony taona maro.
Farany, naka sary avy ao amin'ny toerana iray any an-tendrombohitra izy, sary izay mampiseho ny zava-kanto ao amin'ny lakavy izay efa nisy hatramin'ny taona 5,000 ~ 10,000 talohan'i Kristy. Nampiany fa maro be ny lakavy nolokoina tahaka itony tamin'ny andro taloha be, indrindra ny ao Antendrombohitra Acacus, izay, indrisy, fa nosimbana tamin'ny soratra fametaka amin'ny rindrina ny sasany amin'izy ireny.