Ampahany amin'ny fanadihadiana manokana nataonay ity lahatsoratra ity momba ny Hetsi-panoherana ao Siria taona 2011.
Black comedy dia iray amin'ireo fomba iresahana ny tranga mampihetsi-po. Izay niseho vao haingana tao Siria, nisian'ny rà nandriaka no sady nahaketraka ny maro, dia nitondra ihany koa tamin'ny firongatry ny bilaogy, ny pejy facebook ary ny lahatsoratra izay niezaka nanaraby ny zava-nisy, ary nampahafantatra sy nanasongadina ireo fanambarana ofisialy somary adaladala-izay indraindray toa mivaona tanteraka.
Iray amin'ireo mahoraka sy tena resahana ny vondrona “Ny Revolisiona Sinoa” ao amin'ny Facebook. Miezaka mampiseho mazava ny toe-java misy ao Siria io vondrona io, ary entiny hanarabiana azy ireo toy ny hoe tany Sina no niseho. Amin'ny alalan'ny sary, lahatsary ary ny fanavaozana ny zava-misy ankehitriny, ampifamadihany amin'ny an'olon-tsotra Sinoa, olona ambony sy ireo anaran-toerana any ny tena izy ho an'ny Siriana, dia toy ny hoe Sinoa mihitsy.
Ny iray amin'ireo fanavaozana ny zavatra navoakan'izy ireo dia maneso ny fitetezam-paritra nataon'ny governemanta, natao ho an'ireo mpanao gazety vahiny mba hanehoana ireo lazaina fa fasana faobe hoe nataon'ireo jiolahy mitam-piadiana [Ar].
الصينيين تدعو السادة الصحفيين وإعلاميي القنوات (المحايدة) المتواجدة حالياً على أرض الصين لحضور حفل اكتشاف مقبرة جماعية جديدة في جسر الإيغور..
وذلك غداً في تمام الساعة الثانية ظهراً …
حفل كوكتيل سيتخلل المناسبة..
دامت دياركم عامرة بالمناسبات…..
Tafiditra ao anatin'ny fandaharana ny fiaraha-miala hetaheta.
Enga anie ho feno andro firavoravoana hatrany ny taninareo.
Ny lazan'io takelaka io dia nandrisika ireo pejy hafa marobe izay nifototra tamin'io, niezaka ny hahazo tombontsoa, fandrabirabiana ireo vondrona Facebook samihafa misolo-tena ireo mpanohitra samihafa ao amin'ny hetsi-panovàna, tafiditra ao ny masoivoho CHANA (fanamafisana, ny masoivohom-baovao ofisialy Sinoa, mifototra amin'ny SANA ao Siria) ary ny Tafika Elekrônika Sinoa, izay manaraby ireo vondrona mpomba ny fitondràna, ny Tafika Elektrônika Syriana.
Bilaogy mpanaraby iray hafa izay nanjary nahoraka be ny Syrian Hashish. Nosoratanà bilaogera izay milaza ny tenany ho ” zatovolahy Siriana teraka sy notaizana tao Damaskaosy, manomana ny diplaoma masters, mitady asa, ary mifoka rongony ratsy avy any amin'ny tany tandrefana.” Ny lahatsorany dia miezaka mamakafaka sy manadihady ireo lohahevitra mafonja mifandraika amin'ny fitakiam-panovàna, kanefa miaraka amin'ny fiteny mahazatra sy teny mahery.
Iray amin'ireo lahatsorany vao haingana, izy dia miteny mivantana amin'ny filoha taorian'ny lahateny farany nataony.
انو عن جد ليش هيك عم تعمل؟
Fa nahoana ianao, ankehitriny, no manao tahàka izao?
Al-Mundassah, (Ilay bilaogy miafina), izay mifanaraka amin'ny anarana ampiasain'ny mpampahalala vaovao mpomba ny fitondrana hiantsoana ny mpanao fihetsiketsehana, dia bilaogy iray hafa koa miankina betsaka amin'ny fanarabiana. Hatramin'ny nanombohan'ny hetsika, anisan'ny nanana ny anjara toerany tahàka ny iray amin'ireo bilaogy itambaram-be sy tahirin-kevitra natokana ho an'ny fitakiam-panovàna. Mamoaka ankarihary ny fandraisan'anjaran'ireo mpamaky izy ity, ka sady matotra no maneho fijery toa manaraby. Ity lahatsoratra ity manaraby ny fanjakana amin'ny hoe fiaraha-midinika nasionaly ao amin'ny firenena, taloha sy taorian'ny revolisiona.
– ما بعرف و الله
– شكلو مستطيل
– ايه و الله مستطيل…يا محمد شو مستطيل
– هديك مظاهرة شي…
– لاء
– مبلا
– لاء
– مبلا
– انت خائن
– انت جبان
– انت عميل
– انت مخابرات
– انت موتور
– انت غبي
– انت مغرر به
– انت متسلق
– انت مندس
– انت وصولي
– انت سلفي
– انت جحش
و يستمر الحوار..
– Efa-joro lavalava ve izany?
-Tsy azoko antoka izany.
– Toa efa-joro lavalava izany.
– Eny, tokoa. Ry lanitra ô, toy ny efa-joro lavalava ity.
– Fampisehoana fahaizana vé izany?
– Tsia.
– Eny.
– Tsia.
– Eny.
– Mpamadika ianao.
– Tsy vanona ianao.
– Vahiny mpitsikilo ianao.
– Mukhabarat ianao (sampam-pitsikilovana).
– Marary saina ianao.
– Vendrana ianao.
– Ataon'olona fitaovana ianao.
– Ilay mpitsetsitra ity.
– Mpampiesona ianao.
– Mpanararaotra ianao.
– Salafista ianao.
– Ilay ampondra lahy ty.
Ary mitohy ny fifampiresahana…
Ampahany amin'ny fanadihadiana manokana nataonay ity lahatsoratra ity momba ny Hetsi-panoherana ao Siria taona 2011.