- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mampahafantatra ny Bilaogera Malaza Indrindra any Brunei

Sokajy: Azia Atsinanana, Broney, Mediam-bahoaka, Teknolojia

Raha nankalaza ny faha 8 taona [namahanam-bolongana?] ny ilay bilaogera ao Brunei RanoAdidas [1] ny volana lasa teo, voatantara tsara tamin'ny fampahalalam-baovao lehibe izany hetsika izany. Marika tsy noho ny lazany amin'ny maha bilaogera azy ihany izany fa noho ny fahombiazany tamin'ny fampandrosoana ny valantserasera tao  Brunei ihany koa.

Manaiky [2] ny lazan'ny bilaogera izay manana salan'isan'ny mpitsidika 5000 ka hatramin'ny 6000 ary mety hahatratra ny faratampony any amin'ny 20000 ka hatramin'ny 25000 ao anatin'ny volana ny Brunei Times


Maherin’ny enina arivo no manaraka an’i Ranoadidas [1] ao amin’ny twitter (@ranoadidas [3]) ary  latsaky ny 200 ny tsy hahatrarany mpankafy ny facebookny [4] ho valo arivo.

Ny volana lasa teo, nankalaza ny faha 8 taonany [5] tamin’ny fomba manetriketrika ny  lazan’ny bilaogera Brunei. Nanofa efitrano iray tao amin’ny Ivon-toerana Fivoriana Iraisampirenena izy ary nisy ny tranoeva napetraka ho an’ny  vahiny sy ny mpanohana  handray anjara amin’ny hetsika

[6]

Ranoadidas niaraka tamin'ireo tanora mpankafy

Nanomboka tamin’ny Alakamisy 26 Mey 2011 ny hetsika mandritra ny efatra andro, ary noravahana fampisehoana sy fifaninana izany. Nizara ny tsara, nizara fanomezana ary baolina ho an’ny ankizy sy ny olon-dehibe i M.Rano

 

[7]

Balonina Ranoadidas

Nisy ny teny fototra noforonina manokana tao amin’ny twitter #ran8adidas [8] izay misy ny sarin’ny fifaninana ho an’ny Instagram [9]sy  MyTubo [10]

Raha mahatsiaro Bilaogera Bruneiana izahay, dia mahatsiaro an’i Ranoadidas. Ary mamitaka ny tenanao ianao raha mahatsiaro zavatra hafa.

Bilaogera hafa ao an-toerana, Nonnie King [11] na fantatra amin’ny anarana hoe @kisich [12] ao amin’ny twitter, no nanoratra bilaogy  momba ny  famirapiratan’ny hetsika, ny Fifaninana mihinana sakafo [13], nokarakarain’ny magazay momba ny sakafo [14] ao an-toerana, @kapowburger [15] sy @kitarojapanese [16].
Afaka notanterahina ihany koa ny fandefasana mivantana ny hetsika  amin’ny fanampian’ny zatovolahy ao amin’ny@CornerGeeks [17] izay nanampy [18] tamin’ny fanatontosana ny horonantsary mivantana amin’ny alalan’ny UStream [19].

Noporofoin’i Ranoadidas fa ny fanaovana bilaogy dia tsy loharano mety ahazoana vola ihany  fa sehatra miaina manana heriny amin'ny fampahalalam-baovao ihany koa. Maro ireo tolona [20] nosedraina nandritra izay valo taona lasa izay saingy tsy very ny fanantenany mikasika ny herin’ny fanaovana bilaogy mba ho lasa fitaovana manan-danja hampandroso ny sosialy ao  Brunei.

Ankoatra ny fampahafantarana ireo karazana hetsika notohanan'ny rafi-pitondrana miankina na ny tsy miankina, dia miditra amin'ny asa fanasoavana ihany koa izy rehefa misy fotoana. Vao avy niara-niasa tamin'ny bilaogera hafa malaza Reeda Malik [21] ao amin'ny anakbrunei.com.bn [22] koa izy ary nanao fanangonam-bola ho an'ny hetsika asa fanasoavana [23]karakarain'ny HSBC.

Vao haingana koa tamin'ity taona ity no nahazo fanasana ny roa tamin'izy ireo hanatrika ny Fihaonamben'ny Bilaogera ASEAN andiany voalohany [24] ao Kuala Lumpur, Malaysia.

Marina tokoa, fankatahaka ho an'ny bilagera maro ao Brunei ny fahombiazan'i Ranoadidas.