- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejypta: Taom-polo Nahazotoana Niserasera Niandian-kevitra Tao amin'ny Tweet Nadwa

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara

Nanjary lasa fotoana isan-kerinandro ny zavatra efa natao, nihaona fanindroany indray ireo Ejipsiana mpitsiokantserasera amin'ny alalan'ny Twitter mitarika adihevitra fantatra amin'ny anarana hoe Tweet Nadwa (famoriam-bahoaka).

Taorian'ny fahombiazan'ny fiodinana voalohany [1] izay nifantoka indrindra momba ny resaka islamista, ny amin'ny fomba fahitana azy ireo ao anatin'ny fiaraha-monina Ejysiana sy ny vinavinan'izy ireo ny aorian'ny revolisiona Ejypsiana, notontosaina tao afovoan-tanàna fanaovana teatra ao Rawabet ny fiodinana faharoa, naverina tao indray ny adihevitra mikasika ny fihavian'ny revolisiona Ejipsiana.

[2]

Sary notsongaina tamin'ireo mpanatrika ny Tweet Nadwa andiany faharoa tao Cairo. Sary avy amin'i Lilian Wagdy

Tsy mitovy tamin'ny andiany voalohany, izay ny islamista no mpandray fitenenana, fa nohenoina fotsiny ny mpandray fitenenana tamin'ity fotoana ity, indrindra ny olona tahaka an'i Hossam El Hamalawy [3]sy i Wael Khalil [4]izay anisan'ny vondrona fantatra amin'ny hoe Sosialista Revolisionera.

Ao anatin'ny 90 minitra, mampatsiahy ny traikefany tamin'ny fanentanana andalambe tao Ejypta izay nitondra aina vaovao taorian'ny Intifada Palestiniana Faharoa [5], manao jery todika ny zava-niseho sy daty manan-danja, ho toy ny fihetsiketseham-panehoankery sy fihetsiketsehana sendikaly, izay niangona sy niafara tamin'ny Revolisiona Ejipsiana.

Nifantoka tamin'ny sehatry ny fanentanana ireo mpandray fitenenana; raha nilaza momba ny andraikitry ny Filankevitry ny Vahoaka amin'ny fanohanana ny Intifida, nanao jery todika ny tolona nataon'ny mpiasa i El Hamalawy, nitanisa ireo daty lehibe izay nisian'ny fitokonan'ny mpiasa ho andry iankinan'ny fihetsiketseham-bahoaka. Momba ny Tanora mitaky ny fiovana ny laharam-pahamehan'i Asmaa Aly [6], vondrona nipoitra avy amin'ny fihetsiketsehana Kefaya [7] (Fihetsiketsehan'ny Ejyptiana ho amin'ny Fiovana), sy ny fomba fampiasany ny bilaogy sy ny Fidinana an-dalambe ho fitaovana fampitana hafatra. Farany, Kholoud Saber [8] niady hevitra mikasika ny mpianatra mpikatroka nandritra ireo taona voalohany taona arivo fahatelo manoloana indrindra ny famoretana mahery vaika natao tamin'ny mpianatra avy amin'ny mpitandro ny filaminana.

Nifamalivaly kokoa ny dinika fa nandray fitenenana ny mpanatrika nandritra ny tapany faharoa, nanome ny heviny (domberina) tamin'izay henony ary namelabelarana ny fomba hanatsarana ny tweet  nadwa ho atao eny andalambe.

Ho fanampin'ny tenifototra #tweetnadwa, nisy koa ny kaonty [9]noforonina izay mitovy anarana aminy natao hanatsonga ny tenin'ny mpandray fitenenana sy ny mpanatrika ary milaza ny zavamisy farany ho an'ireo mpiiokantsera tsy afaka nanatri-maso.

Indreto fihetseham-po miabo sy miiba nivoaka nandritra ny andiany faharoa tamin'ny  tweet nadwa.

Mos'ab El Shamy: [10] : Tapitra ny #TweetNadwa andiany faharoa. Nanohina mafy ny olona izay niaiky fa hifarana ny fitsitokatokanana amin'ny fampiasana Twitter ary hisy ny fiarahana mivantana bebe kokoa miaraka amin'ny olona marobe.

Lobna Darwish: [10]: Ok, #tweetnadwa nahafinaritra, fihaonam-be tsara indrindra mbola tsy natrehiko tato Ejipta. Ebsito ba2a ya (Ankafizo ankehitriny @manal @alaa @lilianwagdy @Monasosh sy ny hafa :p

Ghazala Irshad: [11]Raha mbola tsy naniry ianao fa toy ny ny Twitterverse no tontolo tena izy: kabary isaky ny 140 segondra, fananganan-tanana marobe=RT, valinteny mivantana amin'ny #tweetnadwa @arabisin @ajstream

Mona Kareem: [12]Nihevitra aho fa tokony mikasika izay tokony atao fa tsy izay nitranga ny #TweetNadwa!

Mohamed Abdel Fattah: [13] #Tweetnadwa nisy ny ampihimamba sosialista revolisionera tamin'ny vanim-potoana manan-tantara izay nialoha ny revolisiona

Nandefa sary [14] nandritra ny hetsika aho [14], raha nanantosa  lahatsary [15] momba ny Nadwa kosa i Ramy Rizkallah [16].

Alaa Abdel Fatah, [17] mpamorona sy mpandrindra ny Tweet Nadwa, no nanamafy [18] fa hisy ny tweet nadwa izay ho atao ao Alexandria amin'ny 29 Jona, hiresahana manokana momba ny mpiaro ny zon'olombelona ao Ejipta.