Tantara tamin'ny 28 Jona 2011
Mampahafantatra ny Bilaogera Malaza Indrindra any Brunei
Raha nankalaza ny faha 8 taona [namahanam-bolongana?] ny ilay bilaogera ao Brunei RanoAdidas ny volana lasa teo, voatantara tsara tamin'ny fampahalalam-baovao lehibe izany hetsika izany. Marika tsy noho ny lazany...
Ségou Villages Connection: Tonga Ao Ambanivohitr'i Mali
Boukary Konaté, tetikasa ” Aterineto ao Ambanivohitr'i Ségou” tohanan'ny Rising Voices, no nanararaotra nampahafantra izany nandritra ny Lanonana iraisam-pirenena momba ny Hairafitrano izay natao tao Pérouse, ao Italie ny voalohan'ny herinandro volana jona....
Ejypta: Taom-polo Nahazotoana Niserasera Niandian-kevitra Tao amin'ny Tweet Nadwa
Nanjary lasa fotoana isan-kerinandro ny zavatra efa natao, nihaona fanindroany indray ireo Ejipsiana mpitsiokantserasera amin'ny alalan'ny Twitter mitarika adihevitra fantatra amin'ny anarana hoe Tweet Nadwa (famoriam-bahoaka). Taorian'ny fahombiazan'ny fiodinana voalohany...
Syria: Ny Revolisiona sy ny Toekarena
Tato anatin'ny 100 andro; tsy nandroso tsy nihemotra ny toekarena tao Syria. Ny vanim-potoanan'ny fizahantany vao mitsidika io dia tsy mamelom-panantenana.Fanampin'izany, an'aliny ireo Siriana velon'ahiahy ka namadika ny tahiriny hiala amin'ny "Syrian pounds" hanjary dolara amerikana na Euros, nahatonga ny vola Siriana hizaka tsindry mavesatra.
Ukraine: Fahatsiarovana sy sarin'i Chernobyl tamin'ny volana Aogositra 1986
Nigadona tany amin'ny Orinasa Famokarana Angovo nokleary any Chernobyl ny mpampiasa LJ av-strannik , i Aleksandr Strannik , monina any Mosko, tamin'ny tapaky ny volana Aogositra 1986, efa-bolana teo ho eo taorian'ny fipoahan'ny fitaovana fampandehanana #4 ny 26 Aprily, hanatrika ny ezaka fanadiovana amin'ny maha injeniora amin'ny fitsofana azy. Dimy amby roapolo taona taty aoriana, mizara ireo fahatsiarovany sy ny sary tamin'izany fotoana izany izy
Japana: Ny Hazakazaka Fiarakodia Amin'ny Alina Ho Kolotsaina Vaovao
Tsy zavatra ampifandraisin'ny olona matetika amin'ny fiainana amin'ny alina sy ny zanan-tsampan'ny kolotsaina ny hazakazaka fiarakodia, tsy izany kosa ny an'ireo mpikambana ao amin'ny vondrona Mpihazakazak'i Tokyo amin'ny Misasak'alina (MRT). Namolaka ny làlan'i Tokyo ry zareo ireto amin'ny alin'ny faran'ny herinandro; fotoana izay tsy eritreretin'ny ankamaroan'ny olona hanaovana hazakazaka fiarakodia mihitsy. Ho azy ireo ny hazakazaka fiarakodia amin'ny alina dia tsy fanatanjahantena fa kolotsaina an-dàlam-pivoarana.
Kroasia: Fankatoavana Ho Isan'ny Mpikambana Ao Amin'ny Vondrona Eorôpeana
Ny 10 jona 2011, nahazo fankatoavana ho isan'ny mpikambana vaovao ao amin'ny vondrona Eorôpeana i Kroasia. Mbola lavitra anefa ny làlana ho an-dry zareo Kroaty vao tena tafapetraka amin'ny fomba ôfisialy ao amin'ny vondrona Eorôpeana, ary tsy mbola voafaritra mazava, sy mbola mampametraka ahiahy maro. Taterin'i Miquel Hudin .