- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Makedonia: Repoblika Twitter .mk

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Makedonia, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Zon'olombelona

Mitohy ny Fihetsiketseham-panoherana [1] ao Makedonia, raha mbola mandà na dia ny hiresaka izay tadiavin'ny olona amin'ny fangaraharana, andraikitra politika ary ny fanajanonana ny herisetra ataon'ny polisy fotsiny ihany aza. Tamin'ny alahady, dia nisy sarim-pamantarana vaovao nasehon'ny mpanao fihetsiketsehana sasany: Sainam-pirenena Masedoanina misy sary famantarana Twitter ao aminy, ho fahatsiarovana ny asan'ny fiarahamonina Twitter.

Mampiasa ny voambolana “Repoblika Twitter” [2] ny mpandray anjara amin'ny fihetsiketseham-panoherana ho fampahatsiahivana ny “Repoblika Krushevo” [3], fitondrana demokratika nitsangana nandritra ny fotoana fohy nandritra ny fikomian'i Ilinden tamin'ny 1903 ho fanoherana ny Ampira Ottoman; nahitana ny solontenan'ny vondrom-poko sy fivavahana rehetra tao amin'izany governemanta izany (hafa noho ilay fitambaram-pirenena balkan haorina tsy ho ela).

[4]

Saina Masedoniana misy sary famantarana Twitter. Sary avy amin'i Mite Kuzevski avy amin'ny IT.com.mk, nampiasaina nahazoana alalana

Viktor Arsovski avy ao amin'ny IT.com.mk no nanome vaovao [5] [mk]:

Somary manofinofy ihany angamba saingy mety indrindra ho an'ilay voronkely Twitter birdie ny manidina ao anatin'ilay saina Masedoniana mandritra ny [andro faha-14 [6]] nihetsiketsehana nanoherana ny herisetran'ny polisy. Mifanaraka satria ny tahala 140 ifotoran'ny valantserasera no nampiasaina ho fifampizaram-baovao ao amin'ny fihetsiketseham-panoherana ary mbola mitohy ho amin'izany, ary io no mampifandray ny mpisera ao amin'ny fiaraha-monina .mk.

Na ianao aza afa-mitady amin'ny alalan'ny fampiasana ny tenifototra #protestiram [7] sy #martin [8] – Saika ny mpisera Twitter Masedoniana [mazoto] rehetra no tafiditra anaty fihetsiketseham-panoherana, miresaka momba ny voina mitranga, na ny fitakiana hampakaran-danja ny fampiasana ho an'ny polisy.

Miverina isan'andro isaky ny amin'ny enina ora hariva ny fihetsiketsehana eo afovoan-tanànan'i Skopje saingy tsy voatery harahina diabe hatrany.

Misy hetsika lehibe omanina ny Asabotsy 25 Jona, mitondra ny lohateny “Raisintsika an-tanana ny Parlemanta” [9] [mk]. Sambany hivory manko ny mpikambana vao voafidy ho ao amin'ny Parlemanta ary mikasa ny hanao rojon'olombelona hiodidina ny Lapan'ny Antenimiera ny mpanao fihetsiketsehana.

Poster: "Hetsika. Asabotsy amin'ny 10. 25.2011. Eo anoloan'ny Mama Teresa. Avy eo eo anoloan'ny Parlemanta. Ho entitsika atolotra ny volavolam-panitsiana nosoratan'i Martin Neshkovski (1989-2011)."