- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

India: Mpanao Fanadihadiana Momba ny Heloka Bevava, Manana ny Toerany Maty Voatifitra Tao Mumbai

Sokajy: Azia Atsimo, India, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Vaovao Mafana

Ny tolakandron'ny 11 Jona,   Jyotirmoy Dey mpanao gazety voky traikefa  dia maty notifirin’ [1] olon-tsy fantatra tena akaiky tokoa tao  Powai, Mumbai. Mpanao gazety manana ny toerany, Ing. Dey dia Tonian-dahatsoratra Tomponandraikitry ny Fanadihadiana ao amin'ny Mid-Day [2], iray amin'ireo gazety sangany ao Mumbai.

Ny famonoana azy dia nahatohina mafy sy nahatezitra ny olona, indrindra fa ny fikambanam-pirahalahian'ireo mpanao gazety/mpampita vaovao. Niraradraraka ny fanehoan-kevitra, na tay anatin'ireo fampahalalam-baovao mahazatra, na tany anatin'ireo vohikalan-tambajotra sosialy.

Fanehoan-kevitra vitsivitsy avy ao amin'ny Twitter:

@suhelseth [3]: Mahatohina ny hoe any aminà tanàna toa an'i Mumbai, andro mazava be izao, mpanao gazety tsy manan-tsiny sy mpifofotra amin'ny asa no namoy ny ainy amperin'asa. Mampalahelo.
@HafeezChachar [4]: Tohina nandre ny fahafatesan'i  J Dey, fantatra loatra amin'ny anarana hoe ‘Commander J’ eo amin'ny tontolon'ny mpanao gazety eto Mumbai.
[2]

Dika sarin'ny fàfana tao amin'ny Mid Day

@KanchanGupta [5]: Ny famonoana an'i Dey dia fampahatsiahivana masiaka ny lanjan'ireo mafia sy  heloka arindra. Ireo mpanao gazety manerana ny firenena dia tokony hanao fihetsiketsehana. Andro manjombona ho an'ny fampahalalam-baovao.
@suchetadalal: [6] J Dey dia niandraikitra ny fandrakofana ireny heloka bevava ireny,,,sarotra ny hino hoe tsy manam-baovao mikasika iny vono olona iny avy amin'ireo loharanom-baovaony ny polisy, na avy amin'ireo ao anatin'ilay sehatra, ora maro taty aoriana.  & tsy nisy ve fampitandremana mialoha??.
@jiteshpillaai [7]: Vavaka mangiana ho an'ilay tafika mahery fo j dey. Ho an'izay mino ny fisian'ny asa fanaovan-gazety marna. Izay nino zavatra iray. Ary nivelona ho an'ny fahamarinana.
@Minissha_Lamba [8]: Tena mbola tohina noho ilay vaovao momba ny nahafaty an'i J Dey tamin'ny andro mazava be izao aho. Tokony ho henjana ny fitsarana, malaky ary tsy azo ivalozana.

Youth Ki Awaaz dia nampivoitra [9] fa hoe i Dey dia iray amin'ireo mpanao gazety eo amin'ny firenena, manam-pahasahiana amin'ny fanaovana fanadihadiana, ary nanoratra hoe:

Hatramin'ny 1992, niatrika famonoana mpanao gazety mpanadihady efa ho 28 i India, ka ny 14 tamin'izany dia tao Mumbai.  Andry ijoroan'ny fitokisana ao India ny asa fanaovana gazety. Efa vitsy izao ny mpanao gazety mpanadihady ao India.

Fanina tanteraka ny indostrian'ny fampahalalam-vaovao. Mino tanteraka izahay fa tsy hiforitra amin'izay jiolahimboto sy mafia any mihitsy ny asa fnaovana gazety, izay manampim-bava toy ny natao an'i J Deay. Ny famonoana azy dia fanohintohinana ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety.

Hajainay ny herimpony ary manolotra ny fiaraha-miory amin'ny fianakaviany sy ny havan-tsy foiny rehetra izahay.

Lazaina fa ny tontolon'ny mafia ao Mumbai – mety ho ny mafia-n'ny  fitrandrahana/solika no ao ambadik'iny [10] famonoana azy iny. Ny Praiminisitra Indiana, Ing. Manmohan Singh dia nanameloka ilay famonoana [11], nilaza azy iny ho “mahatohina” sy “tsy azo ekena”.