- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Syria: Sainam-pirenena mirefy 2.3km Tamin'ny Fihetsiketsehan'ireo Mpomba Ny Fitondràna Tao Damaskaosy

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Syria, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana ao Syria 2011 [1].

Ireo mpanohana ny Filoha Bashar Al Assad dia nanao filaharambe androany ho fanohanana ny fitondrana, nitondra sainam-pirenena mirefy 2.3km tao Mezzeh, renivohitr'i Damaskaosy, sady niventy ny hoe “Mila an'i Al Assad ny Vahoaka.”

Ao amin'ny Twitter, mizara saripika avy amin'ilay filaharambe i Daniel, sady mibitsika hoe [2]:

fampisehoana sainam-pirenena Siriana mirefy 2300 metatra tao amin'ny Lalambe migodana tao Mezzeh tany Damascus. Vory ny olona. http://twitpic.com/5bsc3a

[3]

Mizara sarin'ilay sainam-pirenena mirefy 2.3km i Daniel ao amin'ny Twitter

Anan Tello manampy hoe [4]:

“Ndeha hiaraka aminay hitazona ilay Sainam-Pirenena Siriana Lehibe indrindra”, nanomboka tao amin'ny Lalambe migodanan'i  al-Mezzeh tao Damaskaosy ny fanentanan'ireo tanora.

Nai maniry [5] mba ho any amin'ilay famoriam-bahoaka:

Iriko indrindra ny mba ho afaka hankany Mezzeh handray anjara amin'ilay diabe miaraka amin'ilay sainam-pirenena  2300 metatra rahampitso. #Syrian #Damascus

Mientanentana ny sasany ao amin'ny Twitter. Haneen AlHassan miteny hoe [6] [ar]:

اليوم سورييون لاجؤون في المخيمات….و سوريون يرقصون و يحتفلون و يؤيدون…. #Syria #Mezzeh
Androany (15 Jona) isika mahita ireo Siriana toy ireny mpitsoa-ponenana any an-toby ireny… ary Siriana mandihy sy mankalàza sy manohana ny fitondràna.
Mbola ao amin'ny Twitter ihany, ny tonian-dahatsoratry ny  Foreign Policy, Blake Hounshell dia mizara ny fomba fijeriny fa hoe tsy ny Siriana rehetra akory no miray feo amin'izany. Mibitsika izy [7]:

@emile_hokayem @abuaardvark @acrossthebay Hevitro manokana, tsy resy lahatra mihitsy aho hatreto hoe ny  ankabeazan'ny Siriana no maniry ny handehanan'i Bashar.

Mivandravandra be ny fivakisana eo amin'ny sehatry ny fampahalalam-baovao sosialy, indrindra fa ny Facebook, izay ahitàna fibosesehan'ny  pejin'ireo mpankasitraka sy mpanohitra ny fitondràna hatramin'ny nanombohan'ny hetsi-panoherana tamin'ny 15 Martsa. Vinavinaina ho eo amin'ny pejy 15 eo no manohana ny fitondràna Siriana ao amin'ny Facebook fotsiny. Isan'izy ireny ny Damascus News Network [8] (DNN), izay manana mpanjohy maherin'ny 3.000. Mametraka fanavaozam-baovao isak'izay misy hetsika isan'andro izy io ary mamely sy manaratsy avy hatrany ireo mpanao hetsi-panoherana raha vao misy hirika ahafahany manao izany.

Mikasika ny famoriam-bahoaka androany (15 Jona) ao Mezzeh, miteny ny [9] DNN :

Efa ho Siriana an-tapitrisa no nifamory tampotampoka handray anjara amin'ny famelàrana ilay sainam-pirenena Siriana (2300 metatra ny lavany ary 18 metatra ny sakany) ho fiarovana ny filoha Bashar Alassad ao amin'ny lalambe migodanan'i Almazzeh ao Damaskaosy. Ny fahitalavitra  Aljadeed Lebabese, Addounia ary ny fahitalavi-panjakana Siriana dia samy nandefa nivantana avy eny an-toerana avokoa.

Mandritra izany fotoana izany, ny ShaamNews [10], izay loharano fototra  mampita ny lahatsary avy amin'ny revolisiona Siriana, ary manana kaonty Facebook ihany koa, dia tsy miresaka mikasika ny hetsik'ireo mpomba ny fitondrana natao androany. Manana mpamandrika 127.000 izy.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana ao Syria 2011 [1].