- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Syria: Voajirika Ny Vohikalan'ny Masoivoho Frantsay

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Eoropa Andrefana, Frantsa, Syria, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Teknolojia

Ny Sabotsy 25 Jona hatramin'ny 3 ora hariva (GMT) raha kely indrindra, dia toa sahala amin'ny voajirika ny vohikalan'ny masoivoho Frantsay ao Syria: na iza na iza nitsidika ny  vohikalan'ny masoivoho Frantsay [1] dia nanpidirina avy hatrany tamin'ity vohikala iray hafa ity [2] (http://th3pro.pro/fr/), ka ao, lafihan'ny hiram-pirenena Siriana [3], no misy hafatra iray amin'ny teny Frantsay sy Arabo manakiana ny “endrika miiban'ny fandraisanareo anjara amin'ny fiokoana hamely amìn'i Syria ary ny hetsika hanoherana ny fantsona F24 noho ny fanelezana vaovao tsy marina momba an'i  Syria”. Ny hafatra dia narahana sary avy amin'ireo hetsika nataon'ny mpomba ny governemanta tao Syria [dika sarinà fàfana [4]].