Ny 4 Jona 2011 teo no nanomboka nitroatra ny volokano Puyehue ao Chile, namoaka lavenon-tsetroka matevim-be izay nandrakotra toerana midadasika tany amin'ny faritra. Saingy tsy nijanona tamin'iny andro iny ihany ny tantara.
Niantraika tamina toerana midadasika tamin'ireo faritra an-tendrombohitra tany Arzantina ilay fipoahana ary io no ho isan'ny loza voajanahary goavana indrindra nidona tamin'ny firenena tato anatin'ny taona vitsivitsy.
Bariloche sy Villa La Angostura, tanàna roa isan'ny fitodiana ara-pizahantany rehefa andro ririnina no voa mafy koa tamin'ity fipoahana volokano ity.
Ao amin'ny bilaogy 101lugaresincreibles [es], Matias Callone dia nanoritsoritra ny zava-nitranga:
La erupción del volcán Puyehue desde hace más de una semana en el sur de Chile, tiene a maltraer a los habitantes y turistas del entorno a ambos lados de la frontera. Por los efectos del viento, las cenizas del volcán, que hoy mismo se elevan como una columna de 7,5 kilómetros, continúan cayendo con intervalos en el área de la paradisíaca Región de los Lagos, en Argentina. Bariloche, Villa Traful y Villa la Angostura son algunas de las localidades más afectadas.
Na izany aza, tsy mijanona ho an'ireo faritra ireo ihany ny fiantraikan'ilay olana, satria nentin'ny rivotra niely lavitra ny lavenona teny amin'ny habakabaka, nitarika hatramin'ny fanafoanana sidina mpandeha isan'andro tsy tao amin'ny fitodiam-piaramanidin'i Arzantina fotsiny ihany fa hatrany amin'ireo firenena hafa.
Ny 8 Jona, ilay bilaogera Fabio Baccaglioni dia nizara [es] rohy iray [es] miaraka aminà sary nalainy tany Bariloche — samy ampiasàna ny Creative Commons license avokoa. Ny 16 Jona, i Daniel Barrios Laumenière dia nampakatra saripika maromaro tao amin'ny bilaogin'i Fabio [es]. Nanazava izy :
Después de la primer arena que cayó tuvimos unos días de calma y después una tormenta de lluvia que aplacó la arena y convirtió todo en una gran masa húmeda. En la última semana ha caído una ceniza más fina en tres oportunidades, lo que en sí resultó más molesto que la primer arena porque no se asienta nunca. Por fortuna cada dos por tres llueve algo y aplaca y lava esta ceniza fina permitiendo seguir trabajando en la limpieza de calles, techos, autos, etc.
Daniel, mipetraka ao Bariloche, dia nanaraka akaiky ilay fipoahana tao amin'ny bilaoginy Danbat [es], nandefa sary maro sy vaovao avaozina arakaraka ny zava-mitranga isan'andro hatramin'ny 4 Jona [es].
Ny vohikala Cadena3 [es] dia mampahafantatra momba ny fidirana an-tsehatry ny Sekreteran'ny Governemanta, Ariel Domingo, mikasika ny zava-misy ao Villa La Angostura:
“La situación es compleja, teniendo en cuenta que tenemos acumulada 30 centímetros de cenizas. Está prevista para hoy la actividad del volcán, por eso esperamos la llegada de más cenizas y chaparrones”, aseguró a Cadena 3 el secretario de gobierno, Ariel Domínguez.
En otro sentido, el funcionario afirmó que las clases continúan afectadas, aunque aclaró que no hay inconvenientes por ahora con el agua potable.
“Sarotra be ny toe-draharaha raha raisintsika anaty kajikajy ireo lavenona matevina efa ho 30 sm. Nambara fa hoe hipoaka ilay volokano androany, noho izany, dia efa azo antoka ny hahitantsika lavenona sy orana bebe kokoa” hoy ny fanamafisan'ny Sekreteran'ny Governemanta, Ariel Rodriguez, tamin'ny Cadena3.
Fanampin'izany, nanamafy izy fa mbola haato aloha ny sekoly, saingy tsy nazavainy ny olana misy amin'ny resaka rano fisotro.
Manohy ny lahatsoratra:
Si bien un importante sector de la población permanecía sin energía eléctrica desde hace varios días, la lluvia y la ceniza caída este martes, descripto como el peor día desde que comenzó la emergencia, hicieron que salieran de servicio las tres fuentes que alimentan la villa turística.
Ao amin'ny Twitter, mampahafantatra ny @visitingarg :
Se sigue trabajando para minimizar el impacto en distintas áreas, se continua la limpieza. #LaAngostura sufre la peor parte
Nahuel G. Abregú dia manamafy ny zava-mafy sedrain'i Villa La Angostura amin'ny alàlan'ity bitsika ity:
recién recibí info de gente que está llevando alimentos a #LaAngostura y por el estado de las rutas no puede entrar, #Puyehue #Cenizas
Nisy ny tsaho niely mikasika ny mety hanafoanana ilay ‘Copa América‘ izay efa nandrasana fatratra hoe hanomboka ny 1 Jolay, satria maro ireo sidina no nofoanana. Na izany aza, ny Fikambanana ho an'ny Baolina Fandàka ao Azantina [es] dia nandiso izany tamin'ny famoahana filazàna an-gazety iray:
Ante consultas periodísticas respecto de la realización, desarrollo y calendario sobre la Copa América “Argentina 2011”, el Comité Organizador cumple en informar que dicho evento se realizará tal como estaba programado, entre los días 1 y 24 de julio de 2011, con los horarios y sedes establecidos según resultara del sorteo realizado en diciembre de 2010.
Las circunstancias naturales que ocurren no son motivo para ninguna modificación a lo claramente informado.
Ho valinteny tamin'ny fanontanian'ireo mpanao gazety mikasika ny fivoarana sy ny tetiandron'ny Copa America “Argentina 2011”, ny Komity mpikarakara dia nampahafantatra fa ity hetsika ity dia tsy maintsy hisy araka izay efa nandaminana azy, manomboka ny 1 ka hatramin'ny 24 Jolay 2011, miaraka amin'ny ora sy toerana efa nekena, mifanaraka amin'izay famaritana mialoha tamin'ny Desambra 2010.
Tsy antony mihitsy hanovàna izay efa nambàra mazava teo aloha ny fisian'ny loza voajanahary mitranga.
Ny Filoha Cristina Fernandez [es], dia nampahafantatra momba ny fanangànana vondrona iray hanara-maso ny kaontiny ao amin'ny Twitter @CFKArgentina. Nanambàra koa izy ny fanohanany an'ireo faritra voadona:
Como patagónica, saben que siempre voy a estar allí, siempre
Queremos llevar tranquilidad a todas las zonas afectadas, que estamos trabajando fuertemente, y midiendo las cosas que sean necesarias
Creamos un grupo de seguimiento de la situación en la región afectada por las cenizas del Volcán Puyehue.
Amin'ny maha avy any The Patagonia ny tena, fantatrareo tsara fa ho eo mandrakariva aho, mandrakariva.
Te-hametraka fandriampahalemana izahay ary fitoniana ho an'ireny faritra rehetra ireny, miasa mafy izahay, ary manangona ny vaovao rehetra mikasika ny filàna amin'izao fotoana izao.
Nanangana vondrona iray izahay hanara-maso ireo faritra voakasik'ilay lavenona avy amin'ny Volokano Puyehue.
Tamin'ny 15 Jona lasa teo, ny Ministeran'ny Fambolena, ny Jono ary ny Sakafo [es] dia nanambàra ny fisian'ny hamehana tamin'ny alàlan'ny hitsivolana samihafa izay navoaka tao amin'ny Fifandraisana Ofisialy ho an'ireo faritra any La Patagonia, Arzantina.
Ireo Sary nalaina vao haingana dia miteny lavitra noho ny teny an'arivony.