Tantara tamin'ny 25 Jona 2011
Syria: Voajirika Ny Vohikalan'ny Masoivoho Frantsay
Ny Sabotsy 25 Jona hatramin'ny 3 ora hariva (GMT) raha kely indrindra, dia toa sahala amin'ny voajirika ny vohikalan'ny masoivoho Frantsay ao Syria: na iza na iza nitsidika ny vohikalan'ny masoivoho Frantsay dia nanpidirina avy hatrany tamin'ity vohikala iray hafa ity (http://th3pro.pro/fr/)
Sénégal : Novoizina Mafy Tao Amin'ny Twitter Ity Fihetsiketsehana Ity
Alakamisy 23 jona 2011, tototr'ireo mpanao fihetsiketsehana i Dakar. Ny tanjon'izy ireo: ny tsy hahatanteraka ny fanavaozana ny lalàm-pifidianana izay azo andaniana ny filoha mahazo vato hatrany amin'ny 25% dieny amin'ny fiodinana voalohany sy manome soso-kevitra ny hisian'ny filoha lefitra toy ny an-dry zareo amerikana. Nahomby ry zareo.
Arzantina: Tsy Hay Tohaina Ny Lavenon'ilay Volokano Puyehue Any Amin'ny Faritr'i Arzantina
Mamely faritra maro any Arzantina ny lavenona nateraky ny fipoahan'ilay Volokano Puyehue any Chile, nahatonga ny manampahefana hametraka ny fepetra noho ny hamehana any amin'ny faritr'i Patagonia. Io fipoahana io no ho isan'ny loza voajanahary goavana indrindra nidona tamin'ny firenena tato anatin'ny taona vitsivitsy.
Belarosia: Famoretan'ny Mpitandro Filaminana Ny Androm-Panoherana Tao Minsk

Ny famoriam-bahoaka am-pahatoniana tao Minsk, izay nokarakaraina tamin'ny alalan'ny tambajotra sosialy, niafara tamin'ny fisamborana olona mihoatra ny 450. Ireo fisamborana, fampiakarana fitsarana sy fihazonana am-ponja faobe, na izany aza, dia toa tsy manakivy ireo mpanao fihetsiketsehana akory.
Arabia Saodita: Vehivavy Eo Aorian'ny Familiana
Vehivavy Saodiana maro omaly no nandray ny familiana tao Arabia Saodita mba hankahatra ny fandraràna azy ireo tsy hitondra fiara. Natao tamin'ny Facebook ny fanetanana, ary namafisin'ireo resaka ifanakalozana tamin'ny fampahalalam-baovao ara-tsosialy hafa, toy ny vohikala fanaovana bilaogy kiritika Twitter.