- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Syria: ” Tahaka ny hoe firenena roa i Syria – amin'ny zavamisy roa samihafa”

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Syria, Fanoherana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika

Nahazo alalana tamin'ny fomba ofisialy hiditra eto syria ny CNN ary misiokantsera mivantana avy ao Damasy i Arwa Damon, telo volana hatramin'ny nisian'ny fihetsiketsehana hanongana ny fitondran'i Assad. Nanakatom-baravarana tamin'ny fampitam-baovao Arabo sy Iraisampirenena i Syria rehefa nanomboka ny fihetsiketsehana ary tsy maintsy nisafidy ny filazana any amin'ny valantserasera na/sy ny fanambarana na tati-baovao avy amin'ny manampahefana Syriana izao tontolo izao.

Toy izao manaraka izao ny tsikaritr'i Damon voalohany.

Efatra ora lasa izay no ni-tweet [1] izy:

Nahazo alalana ofisialy ho eto #syria ny CNN. eto damasy…an-tokotany hihaona amin'ny mpiambina manaraka anay hatrany amin'izay alainay sary

Ary minitra vitsivitsy lasa izay, nilaza vaovao indray izy niteny [2] hoe:

nitsidika ny manodidina ny tanàna taloha an'i damasy androany…fahasamihafana tanteraka amin'ny fahoriana hitantsika an-tsary any amin'ny faritra hafa eto #syria

Niteny [3] i Damon fa tezitra ny Syriana amin'ny fitsofotsofohan'ny Tandrefana amin'ny raharahan-tokantranony:

Misy olona vitsivitsy tezitra manatona anay milaza hoe tsy misy raharaha tokony idikidiran'i Etazonia sy ny Tandrefana eto#syria

Notohizany [4]:

Milaza ny govt fa ny vondrona mitam-piadiana ihany no kendreny ary manontany anay ny manampahefana hoe nahoana izao tontolo izao no mifantoka amina mpitsoa-ponenana #Syria 10.000 nefa ny ady ataon'i Etazonia any Iraq mamindra olona an-tapitrisany?

ary hitany [5]:

its feels as if #syria is 2 countries w/ppl living in 2 different realities.

Tahaka ny hoe firenena roa i Syria – amin'ny zavamisy roa samihafa

Ary nofaranany [6]:

Nangataka izahay horaisina ny zoma handeha ho any amin'ny faritra misy fihetsiketsehana matetika…miandry raha ekena ny fangatahana. #syria

Mandritra irany fotoana izany, ny solontenan'ny Al Jazeera International‘ Rula Amin dia misiokantsera [7] isan'andro hatrany Syria hatramin'ny nisian'ny fihetsiketsehana. Hita taratra fa tsy misy solontenan-gazety Iraisampirenena ‘ofisialy’ misiokantsera hatrany Damasy amin'izao fotoana izao.

Hajiantsary-na Saina Syriana mpisera Flickr Beshroffline [8] (CC BY-ND 2.0).