- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Hetsika Tselatra tao Paris Manamarika ny Roa Taonan'ny Fifidianana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Eoropa Andrefana, Frantsa, Iràna, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Zavakanto & Kolontsaina

Tamin'ny 12 Jona 2011 no nanamarika ny faha-2 taona nisian'ny fifidianana nampifanolana [1] tao Iran, Nandrindra hetsika tselatra tao amina gara metro iray tao Paris ny United4Iran [2] sy Move4Iran [3] ho fanairana ny fisian'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Iran.

Mandritra izany fotoana izany ao Iran, ny lahatsary iray navoaka tamin'ny 15 Jona io dia mampiseho ny fahamaroan'ny mpitandro ny filaminana ao Teheran, renivohitra.