Koety: Hetsi-panoherana Enti-manohitra Ny Praiminisitra

Tsy nisy fotoana nialana sasatra ny Praiminisitra Koetiana Sheikh Nasser Al-Mohammed Al-Sabah tamin'ireo kiana nataon'ny Parlemanta sy ireo fitorevahana nisy hatramin'ny Febroary 2006. Nanomboka ny 8 Martsa, ary noho ny lohataona Arabo, nanohy ny hetsi-panoherany ireo Koetiana hangatahany ny fialàn'ny praiminisitra, izay vao avy nanangana ny kabinetrany fahafito. Ny Zoma 27 May, nanao hetsi-panoherana hafa indray ny mpanohitra Koetiana momba io tanjona io ihany, izay antsoin'izy ireo hoe Zoman'ny Hatezerana.

Maro ny fisavorovoroan-tsaina nandritra ireo andro vitsy lasa; nanitrikitrika ny handeha any amin'ny Kianjan'ny Safat ireo mpanohitra raha niteny azy ireo tsy handeha any kosa ny Minisitry ny Atitany, izany nahatonga ny mpanohitra hànana hevitra roa samy hafa; ny iray dia ny fihizingizinana ho any amin'ny Kianjan'i Safat mba hanao fanambarana mazava, ary ny iray hafa kosa dia ny hanovàna ny toerana ho any amin'ny Kianjan'Irada mba hialàna amin'ny fifandonana amin'ireo mpitandro ny filaminana.

Sarin'ireo mpanohitra teo akaiky ny Parlemanta, navoakan'ny bilaogy The Voice of Kuwait.

Tamin'ny farany dia nitranga sy niovaova avy amin'ny kianja iray mankany amin'ny kianja iray hafa ilay hetsi-panoherana, nifàrana tany amin'ny Kianjan'ny Safat ary tsy nisy tatitra mikasika fifandonana tamin'ny mpitandro filaminana, izay tsy nila fifandonana. Nandoro ny sarin'ireo mpikambana ao amin'ny Parlemanta izay nanohana ny Praiminisitra ireo mpanohitra, raha nanapaka ny Fantsona fahitalavitra  Mubashar TV tamin'ny fandefasany mivantana ny hetsi-panoherana kosa ny Minisitry ny Atitany.

Ny mpitoraka tweet Koetiana Abdullah Al-Shatti dia nidoka ireo tanora tamin'ny hetsi-panoherany ka niteny hoe:

بين ساحة الارادة وساحة الصفاة تجمع الشباب بإراده قوية ونفس صافية. هدفهم التغيير للافضل. البعض يسال الى متى ستستمر جمعة الغضب؟
@abdullahahmad81: Teo anelanelan'ny Kianjan'Irada sy ny Kianjan'ny Safat, nivondrona tamin-pahavononana goavana sy fanahy madio mitaky ny fiovàna tsara ny tanora. Ny sasany manontany tena, hatramin'ny oviana ny Zoman'ny Hatezerana no tokony hitohy?

Mpitoraka tweet Koetiana iray hafa, Naser AlMutairi, nametraka fanontaniana ho an'ny Praiminisitra manao hoe:

هل ينتظر ناصر المحمد أن يقوم كل الشعب الكويتي بالتظاهر والإعتصام في ساحة الصفاة أو ساحة الإرادة حتي يقدم إستقالته لمصلحة الكويت
@q87ar: Miandry ny vahoaka Koetiana rehetra hanohitra sy hanao fitorevahana any Safat na Irada ve i Nasser Al-Mohammed vao hiala ho an'ny fahasoavan'i Koety?

Amin'ny ankilany, ilay Koetiana mpitoraka tweet amin’ ny anaram-bosotra Aladly dia nitsikera ny tanora izay nandray anjara tamin'io hetsi-panoherana io ka miteny hoe:

شباب راقي يريد أن يرسم المستقبل السياسي للبلد فاقد أبسط لغة الحوار ضاع فكره بين الصفاة والإراده
@aladly: Ireo tanora nandia fianarana, izay te-hanoritra ny hoavin'ny politikan'ny firenena, dia tsy manana ny fran'izay tsotra indrindra amin'ny fifanakalozan-dresaka  ka dia very teo anelanelan'ny Kianjan'Irada sy Safat.

Ny mpitoraka tweet iray hafa antsoina hoe Aqeel Al-Qallaf dia nitsikera an'i  Walid Al-Tabtabi, mpikambana ao amin'ny Parlemantan'i Salafi, izay nandray anjara tamin'ilay Zoman'ny Hatezerana ka miteny hoe:

وليد الطبطبائي الذي يصر على التجمهر في ساحة الصفاة هو نفسه يستنكر هذا التصرف عام ٢٠٠٦ بسؤال موجه للحكومة !

!

@aqeelov: i Walid Al-Tabtabi izay nihizingizina ny hanao ny hetsi-panoherana any amin'ny kianjan'ny Safat, dia nanohitra izany fihetsika izany tamin'ny 2006 tao anatina fanontaniana navantana ho an'ny governemanta!

Ny mpisolovava Mohammed Fahad Al-Ajmi dia nanoratra tweet mangataka ny fialàn'ny praiminisitra:

كثيرة هي الساحات في بلدي.. الصفاة الإرادة التحرير الحرية العلم التغيير المجلس.. سبع ساحات وسبع حكومات.. تعددت الساحات والهدف واحد.. ارحل
@DrAlajmi: Misy kianja maro aty amin'ny fireneko; Safat, Irada, Tahrir, Horiya, Al-Alam, Taghier, Majles.. kianja fito ary kabinetra fito.. maro ireo kianja fa ny tanjona dia iray ihany .. Mialà.

Ny tanora mpitoraka tweet Abdulrahman Alshaibani dia nanoratra ity tsikera ity momba ny Zoman'ny Hatezerana ka miteny:

ساحة الصفاة: هي ساحة الشباب – ساحة التظاهر السلمي – ساحة التعبير عن الرأي – ساحة الأنتصار للدستور وقت لا يكون للدستور هيبه – ساحة الشهداء
@A_Alshaibani: Kianjan'ny Safat: no kianjan'ny tanora – ny kianjan'ny fanaovana hetsi-panoherana milamina – ny kianjan'ny fahalalahana miteny – ny kianjan'ny lalàmpanorenana – ary ny kianjan'ny maritiora.

Ilay Koetiana mpitoraka bilaogy, Hamad, dia nanoratra lahatsoratra manombana ny toerana misy ilay Minisitry ny Atitany manoloana ireo mpanohitra. Maro ireo nidoka ny fanapahan-kevitry ny minisitra amin'ny tsy hifandonana amin'ireo mpanohitra na dia niditra ny kianjan'ny Safat aza izy ireo. Hamad, kosa, miteny fa tsy milaza marina amintsika ny toerana misy ny minisitra izany:

أن ما حدث في ساحه الصفاة لا يعد امرا جديا وبالتالي لايمكن ان يقرأ موقف وزير الداخلية كقراءة نهائية لموقفه من التظاهرات!
Tsy dia zava-dehibe ny nitranga tany amin'ny kianjan'i Safat, noho izany, tsy afaka mamaky ny toerana misy ny Minisitry ny Atitany manoloana ireo mpanohitra isika.

Nanoratra lahatsoratra miaro ny tanora mpanao hetsi-panoherana amin'ireo milaza azy ireo  ho tsy tia tanindrazana ilay Koetiana  mpitoraka bilaogy  Mohammed Alhujailan:

أجدر بكم يا من تهاجمونهم أن تدعموهم بكلمة أو موقف.. فإن لم تستطيعوا ولن تستطيعوا فاسكتوا واتركوهم ينقذون البلد التي لم تستطيعوا أن تنقذوها أنتم… فهم أفضل منكم.
Ireo izay nanenjika ireo mpanohitra dia tokony nanohana azy ireo tamin'ny teny na fihetsika ho solon'izay. Rehefa tsy afaka ianao, ary tsy hanao izany, dia tokony hangiana sy hamela ny tanora hanavotra ny firenena izay tsy vitanao ny nanavotra azy satria  mbola tsara lavitra noho ianao izy ireo.

Ny mpitoraka bilaogy hafa, 3ajel, nanoratra lahatsoratra mikasika ny olana momba ny toerana tokony hanaovana ireo hetsi-panoherana:

ساحة الصفاة مصيدة، وساحة الإرادة حجة عليهم لا عليكم، وطالما أن الهدف هو التعبير عن غضبكم فالمكان أي مكان يكفي

Fandrika ny kianjan'ny Safat, tombontsoa ho anao fa tsy fatiantoka ny kianjan'Irada, ary raha mbola mikatsaka ny haneho ny hatezeranao ianao, dia tsy misy dikany izay toerana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.