- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Malezia: Nampihantona Ny Vohikala Mahaleotena Mpampiely Vaovao Ny Sompatra An-tserasera

Sokajy: Azia Atsinanana, Malezia, Fahalalahàna miteny, Fifidianana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety

[1]Malaysiakini [2], vohikala mahaleo tena mpitatitra vaovao ao Malezia, dia nataon'ny mpanafika [3] ho lasibatra ka tsy afaka nidirana mihitsy nanomboka ny Talata 12 Aprily 2011:

Niato niaraka noho ny fanafihana an-tserasera (cyber attack) iray nanomboka tamin'ny 11 ora maraina ny lohamilina  Malaysiakini androany, ka nahatonga ilay vohikala ho tsy afaka nitsofohan'ny mpamaky ny vohikala efatra andro nialoha ny fifidianan'i  Sarawak.

Nofaritan'ny ekipa teknikan'i Malaysiakini ho fanafihana amin'ny alalan'ny antsoina hoe DDoS izy io (avy amin'ny mpamoaka lahatsoratra : ny DDoS dia fanabosesehana hafatra ho ao amin'ny solosaina tiana ho tafihana mba ‘hanasemporana’ azy ), ka amin'izany dia mampiasa solosaina avy any amin'ny toerana samihafa manerana izao tontolo izao ilay mpisompatra ka mampikorontana ny lohamilina Malaysiakini ary mahatonga azy tsy afaka  mamaha ny olan'ny fitarazohana izay henjana dia henjana tokoa.

Tratran'io fanafihana io avokoa ny lohamilinay anakiroa,  izay napetraka teo amin'ny ivontoerana ambony anankiroa – dia ny TM Brickfields sy Jaring.

Io fanafihana io dia niseho andro vitsivitsy talohan'ny fifidianan'ny firenena Sarawak [4]. Efa nampoizina fa hisy fiantraikany eo amin'ny vintan'ny antoko politika nasionaly amin'ny fifidianana manaraka ny valin'io fifidianana io.

[5]

Mbola tsy afaka nidirana foana ny Malaysiakini tao Manila

Soa ihany aza fa navoaka [6] tao amin'ny Facebook ireo lahatsoratra vaovaon'i Malaysiakini . Misy rohy hafa [7] ahafahana mamaky ny tatitr'i Malaysiakini mikasika ny fifidianan'i Sarawak ireto ambany ireto:

1. ROHY : http://27.131.49.132/

2. Blaogy
Teny anglisy: http://malaysiakinicom.wordpress.com/ or http://malaysiakinicom.blogspot.com/
Teny Mandarin : http://malaysiakinicn.blogspot.com/

3. Fanamarihana nalaina tao amin'ny Facebook

Teny anglisy : www.facebook.com/malaysiakini
BM: www.facebook.com/mkinibm
Teny Mandarin: www.facebook.com/mkinicn

4. Kaonty Twitter

Teny anglisy : mkini_en
Teny Mandarin : mkini_cn
BM : mkini_bm

Ankoatry ny Malaysiakini, dia lasibatr'io fanafihana io ihany koa ilay vohikala mpanakiana mafy ahitana ny tatitr'i Sarawak . Nanomboka teo dia niova adiresy vaovao izy [8].

Nisy tatitra  koa nilaza fa naato ihany koa ny kaonty twitter an'i Malaysiakini. Nanoratra i @mongabay [9]

Fa tsy mieritreritra ve ny #Twitter e? Nahoana no naaton'ny @twitter ny @malaysiakini (loharanom-baovao mahaleotena ao Malezia izay lasibatry ny fanafihana an-tserasera ankehitriny)?

Nanao fanamarihana ihany koa i @alphiy [10]

Andraso kely hoe, maninona tsara? Naato hoe ny kaonty twitter an'i Malaysiakini? Ry lanitra ô. Voalohany aloha, fanafihana tamin'ny DDoS , dia izao indray ve izany? Tsara. Efa tena matotra mihitsy.

[11]

Naato ….n'i Twitter ve ny Malaysiakini

Ao amin'ny Facebook,  dia nanendrikendrika ny fitondrana ho ao ambadik'ireo fanafihana ireo i Karpal Singh [12]

LASIBATRY ‘NY DDOS NY MALAYSIAKINI, MANANA AHIAHY NY MALAYSIAKINI CEO HOE MISY IFANDRAISANY AMIN'NY FIFIDIANAN'I SARAWAK IZY IO. MINO AHO FA NY MALEZIANA REHETRA DIA MAHAFANTATRA FA AO AMBADIK'IO FANAFIHANA IO NY GOVERNEMANTA BN

Nanakiana   ‘ireo paikady maloto ’ [13] ampiasain'ireo ‘mpisompatra’ ireo i kranjini

Izay izany, izay izany…..paikady maloto nataon'i…eerhmm…errhmm…fantatsika tsara hoe iza no nanao izany**pi-maso**..
Isaorana an'ANDRIAMANITRA fa manana vohikala hafa i MalaysiaKini .
Miala tsiny aminareo ry mpisompatra, manàna vintana tsara amin'ny manaraka eo amin'ny fanakorontanana ny tambajotra…**tsiky maneso**

Namporisika ny mponina eto amin'ny aterineto i Enrico Aditjondro avy ao amin'ny EngageMedia mba hanohana [14] ny  Malaysiakini

Ampio izahay eo amin'ny fitazonana sy fitohizan'ny vohikala Maleziana mpanao kiana. Manakana ny vahoaka tsy hahalala ny vaovao mikasika ny aretina raiki-tampisaky ny kolikoly eo amin'ny sehatra politika Maleziana ny fanafihana itony vohikala itony izay tsy mbola fahita hatrizay mandritra ny fifidianana amin'izao fotoana izao ao Sarawak.