- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kolombia: Aoka izay ny finday mihoson-drà

Sokajy: Amerika Latina, Kolombia, Teknolojia, Zavakanto & Kolontsaina

“Como estaba configurado mi Facebook, la cuenta de correo y un amplio grupo de contactos del chat BlackBerry, el ladrón utilizó mi equipo y comenzó a enviar mensajes, lo que me llevó no sólo a la tarea de poner el denuncio sino que además enviar mails masivos informando del hurto y que no se tuviera en cuenta lo que enviara mientras me cancelaban el plan”.

Víctima de robo de celular referenciada [1] en el blog 24 horas noticias

“Satria namboariko manokana ny kaontiko Facebook, ny mailaka ary ny vondrona tena firesahako amin'ny seha-pifaneraserana BlackBerry, dia nampiasain'ilay mpangalatra ny findaiko mba handefasana hafatra, izay tsy hoe fotsiny nanery ahy hametraka fitoriana fa koa nandefa mailaka betsaka ho fampandrenesana ny fisian'ny halatra ary mangataka ny rehetra tsy hiraharaha izay hafatra nalefa mandram-panafoanana ny famandrihana amin'ny anarako.”

Olona iray niharan'ny halatra finday voatanisa [1] [es] ao amin'ny bilaogy 24 horas noticias [vaovao tao anatin'ny 24 ora.]

Olan'ny daholobe

Image by Flickr user JonJon2k8 (CC BY-NC-ND 2.0). [2]

Sary an'ilay mpampiasa Flickr JonJon2k8 (CC BY-NC-ND 2.0).

Olan'ny filaminam-bahoaka ao Kolombia ny halatra finday sy ny famarotana azy ireny eny amin'ny varo-maizina avy eo, ka nahatonga ny governemanta hanapa-kevitra hiatrika azy io tamin'ity taona ity, tamin'ny alàlan'ilay didy hitsivolana  1630 tamin'ny 2011, izay soritsoritan'ny vohikala Geek the planet [3] [es], mametraka hoe:

 

La venta de terminales móviles nuevos y usados en el país solo la podrán adelantar las personas autorizadas entre ellas los proveedores de redes y servicios; cualquier persona que los proveedores de redes y servicios autoricen, y las que el Ministerio TIC igualmente autorice.

Ny famarotana finday vaovao sy efa niasa manerana ny firenena dia natokana irery ihany ho an'ny olona nahazo alàlana, ka isan'izany ireo mpanome tolotra aterineto; ireo olona nomen'ireo mpanome tolotra aterineto alàlana, ary ireo nomen'ny Ministeran'ny Teknolojian'ny Fifandraisan-davitra  alàlana.

Ho fampanoavana an'io indrindra, ny olona misahana ny Ministeran'ny Teknolojian'ny Fifandraisan-davitra ao Kolombia, Diego Molano Vega [4] [es] (voateny [5] [es] ao amin'ny bilaogy Bacalaoconpapa.com), dia manamafy fa:

Con esta medida no queremos restringir el libre mercado sino proteger la vida de los colombianos y frenar el derramamiento de sangre que se ha generado a través de los robos de los celulares. Quiero hacerle un llamado a los colombianos a que denuncien los robos porque a partir de ahí podemos enfrentar a los delincuentes.

Tsy hoe haneritery ny tsena malalaka akory izahay amin'io fepetra io, fa kosa hiarovana ny ain'ireo Kolombiana sy hanakànana ny fandatsahan-drà izay hita fa nirongatra be miaraka amin'io halatra finday io. Miantso ireo Kolombiana aho mba hitoroka ny halatra satria manomboka eo dia azontsika atao ny miatrika ireo tsivalahara.

Any aoriana, ny governemanta dia mihevitra ny hanangana lisitra mainty, ahitàna ireo pitsopitsony samihafa mikasika ireo finday voalaza fa nisy nangalatra [6] [es], mba hanafoanana tanteraka ny fiasan'izy ireny aorian'ny volana Jolay. Fanampin'izay, hanome hatrany taratasy avy amin'ny Komity Mpandrindra ao Kolombia [ Commission of Communications Regulation of Colombia (CRC) ] ho an'ny mpanjifa ireo mpivarotra finday.

Araka ny efa nanampoizana azy, niteraka fanehoan-kevitra samihafa ny fametrahana ilay didy hitsivolana, ary tamin'ny 25 May, tany amin'ny tanàna sasantsasany toa an'i Neiva [7], nidina an-dalambe nanao fihetsiketsehana ireo mpandraharaha nanohana ny hoe  “mandray lalan-jotra mifanohitra amin'ny zo hànana asa io sady manome vahana ny ampihimamban'ireo vaventy.” [8] [es]

Tao amin'ny Twitter, amin'ny fampiasàna ny tenifototra #nomascelularesconsangre [9] (Aoka izay ny finday mihoson-drà), mahita famoahan-kevitra tahaka ny an'i Alexander Vásquez (@alexgreencode [10]) ianao:

Yo soy sobreviviente, hace un año en la 90 con 11 me apuñalaron en la pierna

Sisam-paty tamin'ireny aho, herintaona lasa izay tao amin'ny làlana faha-90 sy 11, notsatohan-dry zalahy antsy ny tongotro.

Na ity iray ity avy amin'ny Ministry ny Teknolojian'ny Fifandraisan-davitra ao Kolombia, Diego Molano Vega (@DiegoMolanoVega [11]):

A mi duele como colombiano que maten colombianos por robarles el celular

Tena mankarary ny foko, amin'ny maha-Kolombiana ahy, ny hoe mamono Kolombiana ry zareo mba hakàna fotsiny ny findainy.

Rohy mifandraika amin'ity:

- Ao amin'ny  Lanación.com dia ahitànao ny  fanamarihan'ny olona momba ny hetsi-panoheran'ireo mpivarotra tao  Neiva [8] [es].

- Ao amin'ny Facebook dia misy sary maro avy amin'ny diaben'ireo mpivarotra tao  Medellín [12] [es] hanoherany ny fametrahana ilay didy hitsivolana (avy amin'ny gazety mpiseho isan'andro ao an-toerana El Colombiano.)

https://twitter.com/DiegoMolanoVega